- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Na Ireo Mpivarotra Zava-Mahadomelina Aza Dia Tia An'i Obama

Sokajy: Amerika Avaratra, Ejipta, Etazonia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008)

Tonga amin'ny faratampony iray vaovao ny lazan'i Barack Obama ao Ejipta miaraka amin'ny fampidirana eny an-tsena ny entana iray tsy ara-dalàna , mitondra ny anaran'ny filoha vao voafidy!

Araka ny voalazan'ny blaogera ejiptiana  Hossam el-Hamalawy [1] [amin'ny fiteny anglisy], mivarotra antsokosoko ‘haschich’ mitondra ny anaran'i Obama ireo mpanondrana antsokosoko ao amin'ny tanàna mediteraneana Marsa Martrouh.!

Karazana haschich vaovao antsoina hoe “Obama [2]”! (mitovy tsisy valaka amin'ny “noir marocain”) no nivoaka ao an-tanàna ejiptiana Marsa Matrouh, Tadidiko fa tamin'ny taona 2003, karazana haschich iray tena malaza , antsoina hoe “Saddam”, no nivoaka tao Kairo, satria tena nahery kokoa noho ireo “fitaovam-piadiana simika.”

La nouvelle a surgi en ligne sur le site de micro-blogging Twitter, lorsque le blogueur Wael Abbas l'a annoncée, en écrivant (en arabe) :   ………………..Teo amin'ny fanaovana blaogy bitika Twitter no nipoitra tampoka ilay vaovao, rehefa nambaran'ny blaogera Wael Abbas, tamin'ny alalan'ny fanoratany (amin'ny fiteny arabo) fa:

Inty ny “bitsika” (hafatra eo amin'ny Twitter) amin'ny fiteny frantsay:

Maika – Karazana haschisch iray vaovao nivoaka tao Marsa Matrouh – Obama

Mbola monina ao Ejipta ihany, blaogera Elijah Zarwan [3] maneho hevitra hoe:

Raha ny haschich-omètre no hifotorana, mety ho ilay vahiny mpitondra anisan'ny tena nalaza tao Ejipta angamba i Barack Obama hatramin'ny andron'i Saddam Hussein.

* Navoaka teo amin'ny tranonkala Voices without Votes [4] ihany koa ity lahatsoratra ity.