Pakistan: Karachi eo ambanin'ny fanafihana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Skyline of Karachi. Image from Flickr by Kashiff. Used under a Creative Commons License

Faravodilanitr'i Karachi. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Kashiff. Used under a Creative Commons License

Tamin'ny 5 Febroary 2010, fipoahana baomba vy very ny ainy roa no namely ny tanàna metropolitana Karachi ka namoizina ain'olona 15 sy naharatrana 70. Nikendry indrindra ireo mpisaona Shiita nandeha namonjy ny Muharram ny fanafihana voalohany. Nitranga tao ivelan'ny sampana vonjimaika tao amin'ny hôpitaly Jinnah, izay namindràna ny naratra ny fipoahana faharoa. Niseho 40 andro taorian'ny daroka baomba tao Ashura izay nahafaty olona 40 mahery ny fanafihana. Indrisy, nanana tantara momba ny herisetra eo amin'ny foko sy fivavahana i Karachi.

Tao amin'ny bilaogiko manokana nampahatsiahy sy niampanga ny fiverenan'ny herisetra ao Karachi aho:

The aftermath of Monday’s suicide bombing – the widespread rioting and burning – are characteristic of the kind of reaction and vandalism that follow sectarian attacks. Soon after the blast, riots broke out in various parts of the city. It appears that there was absolutely no damage control by security forces at that point. As a result, hundreds of shops were set ablaze, and at some point on late Monday night, it seemed as if the entire business district was at risk. Attacks of such nature have almost always been accompanied by widespread tensions. As riots continue, more questions are being raised on the role of the security personnel and their absence as widespread vandalism continues. It is evident that the attack doesn’t only target a specific sect. It is an attack to terrorise the people of Karachi and embroil them in conflict, thereby damaging the country’s economic hub.

Taorian'ny fanaovana viveriniainy nanapoaka baomba ny tenany tamin'ny alatsinainy – ny fielezan'ny rotaka sy ny fandoroana no manamarika ny karazana valinteny sy ny fanimban-javatra taorian'ny fanafihana ara-pivavahana. Fotoana fohy taorian'ny fipoahana, nipoaka tany amin'ny faritra maro tao an-tanàna ny korontana. Toa tsy nisy mihitsy ny fanaraha-maso nataon'ny mpitandro filaminana tamin'izany manoloana ireo zavatra simba. Vokatr'izany, toeram-pivarotana an-jatony no nisy nandoro, ary nisy fotoana tamin'ny alatsinainy alina, toa saika tratry ny loza ihany koa ny fihariana manontolo tao amin'ny distrika. Matetika arahana fihenjanana goavana ny fanafihana toy izany. Raha mitohy ny rotaka, maro ireo fanontaniana nitsangana mikasika ny anjara asan'ny mpitandro filaminana sy ny tsy fahitana azy ireo satria mbola miely patrana ny fanimban-javatra. Mazava fa tsy mikendry antokom-pivavahana iray manokana ny fanafihana. Fanafihana hampihorohoroana ny vahoakan'i Karachi sy hampihitsoka azy ireo ao anaty ady izany, ka manimba ny ivon-toekarena ao amin'ny firenena.

Kalsoom Lakhani ao amin'ny CHUP – Changing Up Pakistan nanameloka ireo andiam-panafihana ny Miozolomana Shiita, ary nanontany ny toetran'ny fampanjakana ny lalàna sy ny filaminana ao amin'ny firenena:

We may not be entirely certain who was responsible for today’s attacks, but it is nevertheless horrific that they could happen at all. If all three cities were placed on red alert yesterday, was there not more that could be done to prevent today’s death? The targeting of Shia pilgrims as well as a hospital is not only tragic, but frankly also sickening. Is nowhere in Pakistan safe or untouched anymore?

Mety tsy matoky tanteraka isika hoe iza no tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana androany, nefa mahatsiravina ihany fa mety hitranga amin'ny rehetra izany. Raha samy natao fanairana mena avokoa ny tanàna telo omaly, tsy ho maro ve ny zavatra azo atao mba hisorohana ny fahafatesana androany? Tsy mampahonena fotsiny ny fikendrena ireo mpivahiny masina Shiita sy ny hôpitaly, fa am-pahatsorana, mankararirary ihany koa. Mbola misy toerana ve eto Pakistan ka voaaro tsy voakasika?

Tamin'ny lahatsoratra iray feno teo aloha tao amin'ny bilaogy, nanome fanazavana momba ny tantaran'ny herisetra ao Karachi i Kalsoom. Araka ny voalazan'i Dawn, olona 34 mahery no namoy ny ainy tamin'ny herisetra ara-poko tao amin'ny faritra samihafa tao an-tanàna tamin'ny volana aprily tamin'ny herintaona. Natahotra ny vahoaka amin'ny ankapobeny noho ny herisetra miely patrana sy ny tsy fahafahan'ny manam-pahefana mifehy ny zava-misy.

Tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Onjam-pamonoana mikendry vondrona manokana ao Karachi (Unabated wave of target-killing at Karachi)’, bilaogera hafa, Farheen Ali, nizara ny ahiahiny manoloana ny toe-javatra miharatsy ao an-tanàna sy ny tsy fihetsehan'ny manampahefana.

Following the violence, government has imposed section 144 across the Orangi Town. And after imposing the sections Government feels liberated from all the accountability and blame.

Taorian'ny herisetra, napetraky ny governemanta manerana ny Tanànan'i Orangi ny fizarana 144. Ary taorian ‘ny fametrahana ny fizarana, mahatsiaro afaka amin'ny andraikitra sy ny fanomezan-tsiny rehetra ny governemanta.

Mangataka i Adil Najam ao amin'ny All Things Pakistan fa tokony apetraka ho faritra tsy misy fitaovam-piadiana i Karachi:

Even as violence of all forms spirals all over the country and even as, in the wake of the recent violence in there, politicians from all parties call for Karachi to be declared a “weapons free” zone (rightly!), it turns out that politicians and parliamentarians from all parties are busy distributing licenses for all forms of prohibited weapons as if these were kids candy.

Na dia manerana ny firenena aza ny herisetra amin'ny endriny rehetra, ary na dia eo aza ny herisetra vao haingana, mitaky an'i Karachi mba ho “faritra tsy misy fitaovam-piadiana” (ara-drariny) ireo mpanao politika avy amin'ny antoko rehetra, toa hita fa sahirana mizara fahazoan-dalana amin'ireo karazana fitaovam-piadiana voaràra tahaka ny hoe vatomamy ho an'ny ankizy ireo mpanao politika sy ny parlemantera avy amin'ny antoko rehetra.

Raha mandinika ny korontana vao haingana tany Karachi, mila mandray andraikitra avy hatrany ny governemanta mba hamaranana ny herisetra. Na izany aza, araka ny voalazan'ny vaovao, sahirana mametraka ady anatiny ny manampahefana fa tsy mba mamaha ireo olana lehibe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.