Ny Nahaliana Ny Mpamaky Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 7 – 13 May?

Sary an'i Rob McDonald, mpampiasa Flick. CC BY-ND 2.0

Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manerana ny firenena, ny kolontsaina ary ny fiteny.

Tsy hoe fotsiny mamoaka lahatsoratra izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanarahana fironam-baovao fa manao izany izahay  satria tianay hatrany ny hisy fiantraikany erantany ny asa mafy ataonay.

Araka izany, ny fomba famalin'ireo mpamaky ny tantara sy ny asa fandikàna ataonay dia fomba iray fandrefesana tena ilaina. Koa ndeha hojerentsika hoe iza avy ireo mpamaky ary inona no nahasarika ny sainy nandritra ny herinandron'ny 7 hatramin'ny 13 May 2018

Aiza eto amin'izao tontolo izao no misy ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'ny herinandro lasa iny, mpamaky avy amina firenena miisa 207 no voasarik'ireo tantara sy asa fandikànay! Ireto avy ireo firenena 20 voalohany hita nanerana ny tranonkalan'ny Global Voices:

1. Etazonia
2. Brezila
3. Japàna
4. Espaina
5. Frantsa
6. Meksika
7. Arzantina
8. Kôlômbia
9. Però
10. Taiwan
11. Italia
12. Fanjakana Mitambatra Britanika
13. Bangladesh
14. Alemaina
15. Ekoatora
16. Rosia
17. India
18. Kanadà
19. Indonezia
20. Shily

Saingy sombiny kely amin'ny fahasamihafàn'ireo mpamaky anay ihany ireo. ‘Ndao ho ampiasaintsika ny True Random Number Generator avy amin'ny Random.org ary hotopazantsika maso ireo firenena hafa vitsivitsy ao anatin'ny lisitra:

49. Costa Rica
61. Kazakhstan
68. Kamerona
111. Bahrain
177. Iceland

Global Voices amin'ny fiteny Anglisy

Ao amin'ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana voalohany ny ankamaroan'ireo votoaty mivoaka ato amin'ny Global Voices. Ireto ny tantara dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'io herinandro voalaza io:

1. Allegations of election fraud as Malaysia’s ruling party wins again (nivoaka voalohany tamin'ny 2013)
2. Lasa maditra loatra i ‘Peppa Pig’ ho an'ireo mpanao sivan'i Shina
3.Mafampàna ny sehatra media sosialy satria milaza amin'ny filoha Erdogan ny Tiorka hoe “ampy izay”
4. Hijabs sy zipo-fohy: tsy azo hanaovana ao Tajikistan
5. Nanafintohina ny espaniola ny sazy kely nomena ny “La Manada”

Global Voices Lingua

Ny Lingua dia tetikasa iray mandika ireo tantara ato amin'ny Global Voices ho amin'ireo fiteny hafa ankoatra ny Anglisy. Misy eo amin'ny 30 eo ireo tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ireo tantara na asa fandikàna be mpamaky indrindra tany amin'ireo tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'iny herinandro voalaza iny.

Arabo

Bangla

Katalàna

Shinoa (notsotsorina)

Shinoa (nentim-paharazana)

Tseky

Holandey

Farsi

Frantsay

Alemà

Grika

Hindi

Indoneziana

Italiana

Japoney

Kiorda

Makedoniàna

Malagasy

Nepaley

Poloney

Portiogey

Punjabi

Romana

Rosiàna

Serba

Espaniola

Swahili

Urdu

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.