- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifanakalozan-kevitra mivantana tato amin'ny Global Voices momba ny lalao nifanindrianan'i Orogoay sy i Frantsa

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Latina, Eoropa Andrefana, Afrika Atsimo, Frantsa, Orogoay, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 10 Jona 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandray voalohany ny fiadiana ny amboara erantany amin'ny baolina kitra, izay azo lazaina fa ilay hetsika ara-panatanjahantena  manerantany malaza indrindra ny kaontinanta Afrikana. Nanasongadina ny feon'ireo olom-pirenena maro nifanakalo hevitra momba ity hetsika ity sy ny fiantraikany teo amin'ny fiarahamonina [1] manerana izao tontolo izao ny Global Voices.

Ao anatin'ny ezaka hanohizana ny resaka dia nisy ny fifampiresahana mivantana nandritra ny lalao. Natomboka tamin'ny lalao nifaninanan'i Frantsa-Orogoay izany izay natao nandritra ny andro fanokafana ny lalao ny 11 jona 2010 tamin'ny 8:30 alina tao Afrika Atsimo .

Mifankafantatra tsara i Frantsa sy Uruguay raha nanaovan'i Orogoay aotra noho ny aotra i Frantsa [2], ilay tompondakan'ny amboara manerantany, nandritra ny Mondialy 2002 [1998?].

Nisy ny fiarahana nijery sy ny fifanakalozan-kevitra mivantana tamin'ity hetsika ity minitra vitsy mialoha ny nanombohan'ny lalao. Nanana mpandray anjara avy any Orogoay sy Frantsa isika, sy firenena Afrikana maro sy i Afrika Atsimo ihany koa. Bilaogera sy mpandika teny maro tato amin'ny Global Voices no nijery mivantana ny fifaninanana.

Azo jerena ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay [3] ihany koa ny resadresaka .

http://www.coveritlive.com/mobile.php/option=com_mobile/task=viewaltcast/altcast_code=9b3723feac