Makedonia: Fikomiana antserasera manohitra ny drafitra “Skopje 2014″

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Taorian'ny taona maro nanaovana filazana miafina, ny fanodinkodinan-tsaina ataon'ny media ary fialana bala ataon'ny fanjakam-birao midify ny fitakiana mangarahara, tamberina andraikitra ary ny fandraisan'ny olom-pirenena andraikitra, nametraka drafitra ihany ny governemanta eo an-toerana [fiadidian'ny kaominina] ao amin'ny Kaominina Centar [MK] nony farany – drafitra niarahana natao tamin'ny governemanta foibe [MK] – mba handrakotra ny afovoan'ny renivohitra Makedoniana, Skopje amin'ny tsangambato sy tranobe vaovao marobe.

Eto ambany ny lahatsary fampahafantarana ny tetikasan'ny governemanta:

Viktor Arsovski ao amin'ny IT.com.mk, manome topi-maso momba ny fanehoan-kevitra tamin'ny drafitry ny governemantana, hoy izy [MK]:

Citizens use social networks, Facebook, Twitter, YouTube to comment, criticize, ridicule, and, to a smaller extent, praise the future look of Skopje in 2014. Makfax posted the video “Visualisation of the Skopje center in 2014″ yesterday, on February 4th. In just one day it attracted over 16,000 views and over 380 comments.

Mampiasa tambajotra sosialy, Facebook, Twitter, YouTube ny olom-pirenena mba hanehoana hevitra, hitsikera sy hananihany ary raha hitarina kely, hidera ny mety hoavin'i Skopje amin'ny taona 2014. Nandefa lahatsary “Fijery an'i Skopje amin'ny taona 2014″ i Makfax omaly, 4 Febroary. Tao anatin'ny iray andro monja, nahasarika mpijery 16.000 mahery sy fanehoan-kevitra maherin'ny 380 izany.

Bilaogera elatra-havanana Alek Careca naneho ny fijerin'ny maro amin'ny ideolojia aminy:

Personally, I am impressed and fascinated. Skopje will have one of the most beautiful city centres.

Ho ahy manokana, valalanina aho no sady renoka. Hanana ny iray amin'ireo tanàna afovoany mahafinaritra indrindra i Skopje

Na izany aza, nanamarika avy hatrany i Arsovski fa ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra dia maneho tsy fahafaham-po noho ny antony ara-kanto sy/na noho ny vola be tsy toko forohana ilaina amin'ny tetikasa, indrindra raha nilaza ny ben'ny tanànan'ny Kaominina Centar fa “tapitra ny ratsy indrindra amin'ny krizy ara-toekarena, manana vola ampy hanaovana tsangambato isika,” izay tombanana eo amin'ny 17 tapitrisa euro eo ny totaliny.

Volan, bilaogera manam-pahaizana ara-toekarena nanamarika fa tsy vazivazy ity fandrosoana ity, na dia toa tahaka ny vazivazy ihany aza. Nenad Jovanovic nanonona ny renibeny, izay zatra niteny hoe:

Son, never underestimate the power of stupidity and kitsch.

Ry zanako lahy, aza mba manambany ny herin'ny hadalana sy ny fisiana kely mihitsy.

Vavahady an-tserasera Okno namoaka angona fanehoan-kevitra, taorian'ireo lahatsoratra teo aloha miresaka momba izany sy ny tranga mifandraika amin'izany, izay niresaka ireo enta-mavesatry ny miaina amin'ny “fotoana “mahaliana” tahaka izany ary nanamarika am-piesoesoana fa amin'ny hoavy, afaka hifaninana amin'ny nosin'i Paska [shily] i Makedonia:

Inspired tourist guides will explain to visitors from world over that this extinct civilization, in the midst of transitions and world crises, spent its meager resources on building monuments and other stoned works in order to leave traces in time that would bear witness of its defiance to the damned neighbors and other foreign clergy-fascist fiends.

Hanazava amin'ireo mpitsidika avy amin'izao tontolo izao ireo mpitari-dia mpizahantany nahazo aingam-panahy fa nandany ny loharanon-karenany efa kely amin'ny fananganana tsangambato sy asa ara-bato hafa ity sivilizasiona lany tamingana ity, ao anatin'ny tetezamita sy ny krizy manerantany, mba hamela marika amin'ny fotoana hitondrana vavolombelona amin'ny fiaikany amin'ny manodidina voaozona sy firenena hafa enti-mpitondra fivavahana fasista lozabe.

Manoloana ny hadalana, matetika mampiasa vazivazy tahaka ny fanafody ny sioka (#Skopje2014) sy ny lahatsoratra Facebook.

Ohatra, Interpreter namoaka tononkalo mazava mitondra ny lohateny hoe “Two Thousand and Fourteen” [MK], raha nampitaha ny lahatsary tamin'ny tsongan-dalao Caesar IV kosa i FlavrSavr, milaza fa amin'ity voatra ity…

…the difference is that journalists and other traitors [referring to smear tactics used by government supporters for all who express criticism] will have to play the role of gladiators.

…ny fahasamihafana dia handray ny anjara toeran'ny giladiatera (andevo natao hiady sy hifamono eny an-kianja ho fialambolin'ny mpijery tamin'ny andron'ny romana) ny mpanao gazety sy ny mpamadika hafa [miresaka momba ireo tetikady ampiasain'ny mpanohana ny governemanta ho an'ireo rehetra mitsikera]

Nanaparitaka ny fanambaran'i Ramadan Ramadani [MKD], solontenan'ny fiarahamonina Miozolomana, izay mitaky fampidirana moskea ao anatin'ny drafitra- na fanilihana ny fiangonana vaovao ihany koa ireo mpiserasera Twitter:

The main square of the capital of Macedonia belongs to all the citizens and is not a field for playing [FarmVille].

An'ny olom-pirenena rehetra ny kianja lehibe ao an-drenivohitr'i Makedonia fa tsy kianja filalaovana [FarmVille].

Mpitia tantara iray nampiasa Wikipedia mba hampitaha ny “vina” hanao ny renivohim-pirenena lehibe amin'ny alalan'ny fananganana goavana sy lafo be tamin'ny faniriana tsy nahomby tahaka izany tany aloha.

Nanolo-kevitra ny mpanoratra ny bilaogy Psycha… the edge of logic fa ny toerana kasain'ny governemanta hanampiana ny tranoben'ny Parlemanta dia tokony havadika ho planetarium. Iray ihany no toerana tahaka izany ao Makedonia, naorina tamin'ny taona 1970 ary tsy nohavaozina intsony, ka miaritra tsy firaharahiana noho ny tsy fisian'ny famatsiam-bola fikojakojana.

Niantso fihetsiketsehana tampoka manohitra ny tsy fihetsehan'ny governemanta manoloana ny fihetsiky ny olom-pirenena ireo mpikambana ao amin'ny vondrona eny ifotony izay voadaroka tamin'ny lohataona lasa. Kasaina atao amin'ny Asabotsy izao, amin'ny 2 hariva ao amin'ny “ampahan'ny tsy ampiasaina ao amin'ny kianja lehibe” ny fihetsiketsehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.