- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bokotra fampitandreman'ny tovovavy mpianatry ny lisea amin'izay mety mpitsapatsapa vatam-behivavy anaty fiaran-dalamby: Tsy hanaiky moramora aho!

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Vehivavy sy Miralenta
Chikan poster on train in Osaka [1]

Afisy: “Any ivelany ny fitsapatsapana. Any ivelany mihitsy. KARATRA MENA. Andao isika rehetra hanaisotra ny fitsapatsapam-batan'olona.” Afisy mampiasa tenim-paritra Kansai [2]. Sary avy amin'ny [1] mpisera Wikimedia Kyoww [3]. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Misy fanentanana iray any Japana mikendry ireo zazavavy mpianatry ny lisea hitondrany bokotra vifotsy manokana hanaovany rehefa mandray fiaran-dalamby hampihemorany ireo mitady hitsapatsapa vatana na karazana fanorisorenana ara-nofo hafa.

Mikarakara fanentanana ny Foibe Fisorohana ny Fanaon'ny Chikan (痴漢抑止活動センター) ary eo amin'ny fahatelo taonany amin'izao fotoana izao. Ny voambolana Japoney “chikan [4]” dia sady mamariparitra ny fitsapatsapam-batana no manondro ihany koa ireo izay mpanao izany.

Manasongadina karazan-kafatra ireo bokotra ireo mampahatsiahy ny mpamaky fa heloka bevava ny chikan ary ireo miakanjo izany dia tsy hizaka mangina izay hatao aminy.

Ny tanjon'ny “bokotra mampihemotra chikan” dia entina hampisehoana hoe firy ny isan'ny olona [mitafy azy io] mankahala chikan. Ezaka io hahatsapan'izay mety ho chikan fa tsy maintsy mitsahatra amin'ny fanorisorenana sy ny fanafihana ara-nofo hafa ry zareo.

Ho an'ireo vehivavy mpandray fiaran-dalamby, indrisy fa fahita mahazatra ny chikan. Araka ny nolazain'ny Japan Times [4]:

Figures from the Metropolitan Police Department show that 1,750 cases of groping or molestation were reported in 2017 [9], of which 30 percent occurred between 7 and 9 a.m. during the morning rush hour.

More than 50 percent of groping cases occurred on trains, the report says, with a further 20 percent occuring in train stations.

Tarehimarika avy amin'ny departemantan'ny polisy methropolitana no mampiseho fa fitoriana miisa 1750 tamin'ny trangam-pitsapatsapana na fikapoham-batana no nitranga tamin'ny taona 2017, ary ny 30 isanjaton'izany dia nitranga tanelanelan'ny tamin'ny 7 ka hatramin'ny 9 ora maraina amin'ny fotoana mahabe mpandeha.

Mihoatra ny 50 isanjaton'ny raharaham-pitsapatsapam-batana no mitranga eny ambony fiaran-dalamby, hoy ny tatitra, ary ny 20 isanjato fanampiny dia nitranga teny amin'ny garan-dalamby.

Araka ny tatitra nataon'ny polisy ihany, efa ho 30 isanjaton'ny lasibatry ny fitsapatsapam-batana no tanora. Amin'ny ankapobeny, anaovan'ny polisy fanadihadiana araka ny fizarana faha-176 amin'ny ady heloka bevava [10] ny trangam-pitsapatsapam-batana ary tondroina ho “fanehoan-toetra tsy mendrika ankaterena” (強制わいせつ). Na izany aza, voatatitra matetika [11] fa sarotra ampidirina eny amin'ny fitsarana ny raharaha tahaka itony.

Raha manao fanentanana isam-potoana [12] ny polisy sy ny orinasan-dalamby hampitsaharana ny fitsapatsapam-batana ambony fiaran-dalamby, ny hafatra amin'ny ankapobeny dia nokendrena voalohany indrindra hanampiana ny vehivavy hiaro tena [13] na hisoroka ny fitsapatsapam-batana, fa tsy iezahana loatra hanova ny fihetsiky ny lehilahy. Tsikaritra [14] ny fanehoan-kevitra fahita fa mamariparitra ny mahatonga [15] hanao ilay fihetsika, ary misy ihany koa ny fifantohana matanjaka avy amin'ny fampitam-baovao amin'ny fomba ahafahan'ny lehilahy miala na miatrika fanendrikendrehana [16] ho mitsapatsapa vatan'olon-kafa.

“Tsy hizaka izany aho! Heloka bevava ny fanohintohinana ara-nofo!”

Nilaza i Matsunaga Yayoi mpikatroka, izay misolotena ny Foibe Fisorohana ny Fanaon'ny Chikan, fa ny hevitra voalohany hanaovana ireo bokotra dia avy amin'ny mpianatry ny lisea iray sy ny reniny, izay naman'i Matsunaga. Tamin'izany fotoana izany, taona voalohany handehanany amin'ny lisea, nifanehatra tamin'ny chikan efa ho isan'andro [17] ilay mpianatra rehefa mandeha na avy any an-tsekoly izy:

その時、加害者の反省が全くなかったことから、
「2度と痴漢にあいたくない!」と考えた彼女は、
「私は泣き寝入りしません。痴漢は犯罪です!」と書いたカードを作り、
身につけて登下校するようになりました。

それ以来、彼女は、痴漢被害にあっていません。

“Tsy mampiseho marika nenina akory na dia kely aza ireo manao izany”. “Tsy te-hiaina izany intsony aho,” hoy ny fanapahan-kevitr'ilay zazavavy. Ka dia namorona karatra mivaky toy izao izy:

“Tsy hizaka izany aho! Heloka bevava ny fanohintohinana ara-nofo!”

Nopaingorin'ilay zazavavy tamin'ny fanamiana ilay karatra, ary dia nandray fiaran-dalamby izy ho any an-tsekoly.

Tsy tratran'ny fitsapatsapam-batana intsony izy avy eo.

Tamin'ny taona 2015, nitatitra i Matsunaga fa nahitana fahombiazana tahaka izany ihany koa ny fanentanana nataon-jazavavy iray tamin'ny media sosialy, ary avy amin'izany no nahatonga ny hevitra hamorona bokotra vifotsy.

Araka ny nolazain'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Japan Times tamin'ny taona 2016 [18]:

Matsunaga started a crowdfunding project for the badges in November and managed to raise ¥2.12 million in just three months. To make sure the badges would attract young women, she collected 441 design ideas from 178 people and, ultimately, chose five. Matsunaga also established the Osaka-based Chikan Yokushi Katsudo Center (Groping Prevention Activities Center) in January to raise awareness over the issue.

Nanomboka tetikasa famoriam-bola hanaovana ny baja (badge) i Matsunaga tamin'ny novambra ary niezaka nanangona vola ¥2.120.000 tao anatin'ny telo volana monja. Mba hiantohany fa hanintona ny tanoravavy ny baja, dia nanangona endrika baja miisa 441 avy amin'olona 178 izy, ary tamin'ny farany dia nisafidy ny dimy. Nanorina ny Foibe Chikan Yokushi Katsudo (Foibe Fisorohana ny Fanaon'ny Chikan) tao Osaka ihany koa izy tamin'ny janoary hanao fanairana amin'ity olana ity.

Ny hevitra ambadiky ny fanentanana bokotra dia ny hanome vahana ny zazavavy hiantsoantso raha misy ny fanafihana ary hiantoka fa zavatra tsy azon'ny fiarahamonina ekena ny chikan:

[コンセプト]
・痴漢被害にあわない
・加害者が生まれない
・痴漢冤罪被害も起きない

Ny hevitra ambadiky ny bokotra

[Tianay  ny hiantoka]:

-Tsy hisy ny hotsapatsapain'ny chikan
-Tsy hisy ny hitombo ho lasa chikan
-Tsy hisy ny endrikendrehina ho chikan

Tamin'ny voalohany tamin'ny taona 2015 natao ho amidy tamin'ny alalan'ny aterineto tao amin'ny tarjk.com [19] amin'ny vidiny 500 yen (tokony ho dimy dolara amerikana) ny bokotra.

Mbola misy any, saingy noho ny fitomboan'ny fanairana, dia efa amidy any amin'ny garan-dalamby [20] ny bokotra amin'izao fotoana izao sy any amin'ny toeram-pivarotana fandehanan'ny mpianatra zazavavy.

Sioka: Tsy mampaninona ny halava na hafohin'ny zipo, na ny fanaovantsika jeans — fa mifanena amin'ny chikan hatrany isika.

Tianay hitsahatra ny hevitra manao hoe “nanao zavatra hanintonana ny chikan ianao”!

Lahatsoratra amin'ny bokotra: Tsy hizaka izany aho! Heloka bevava ny fanohintohinana ara-nofo!

“Tsy tiako hiaina izay niainako ny ankizy hafa”

Amin'ny fomba ofisialy dia nihena ny fanafintohinana ara-nofo, ka tafiditra amin'izany ny fitsapatsapam-batana. Saingy mihevitra i Matsunaga sy ny Foibe fa tranga maro no tsy nisy fitoriana [24], ka lasa mandiso isa.

Ka ho an'i Matsunaga sy ireo mpikatroka hafa, zava-dehibe ny manome fitaovana azon'ny tanora zazavavy ampiasaina hampihemorana fifampikasokasohana ara-nofo tsy nirina ao anaty fiaran-dalamby.

Azo heverina ho nanampy ireo bokotra. Mpianatra fitopolo avy amin'ny oniversite Uruwa, izay nandray anjara tamin'ny fanentanana [18] nanome paikady ho an'ny vehivavy mpianatra hiarovan-tena amin'ny mpitsapatsapa vatan'olona, no nomena fanontaniana momba ny fahombiazan'ny bokotra tamin'ny taona 2016. 1,4% no niteny fa angamba tsy nahomby ilay izy, 4,3% nilaza fa tsy nisy ny fiovana, 32,9% nilaza “nahatsapa aho fa nahomby ny bokotra” ary ny 61,4% nilaza fa nahamarika fiovana ry zareo [25].

Nisy akony tamin'ny fomba hafa ihany koa ny fanentanana tamin'ny bokotra. tamin'ny taona 2016, tamin'ny taona nanombohan'ny tetikasa indrindra, namoaka naoty nalefan'ny vehivavy iray tao amin'ny kaonty Twitter an'i Foibe fisorohana ny fanaon'ny Chikan i Matsunaga:

Naoty: “Tafavoaka velona aho. Fony aho mpianatry ny lisea dia niova tamin'ny fanaoko nandeha bisikileta mankany am-pianarana ho mandray fiaran-dalamby aho. Ankona tanteraka aho rehefa nisy nitsapatsapa isan'andro [ambony fiaran-dalamby]. Tsy nisy fomba nitarainako. Raha nanenina tamin'izany nitranga taloha aho, dia manantena aho fa hihavitsy ny olona ho tratran'ny tahaka izany. Ary manantena  koa aho fa hihabetsaka ny zazavavy afa-miaro tena!” -Mari, 39 taona

Sioka: “Mari, misaotra tamin'ny naoty napetrakao. Efa nisy nitsapatsapa ihany koa aho fony zaza, fa tsy mbola nilaza izany na tamin'iza na iza mandraka androany.

Rehefa lehibe aho vao afaka nanao hetsika. Tsy tiako hiaina izay niainako ny ankizy hafa.”