
Afisy: “Any ivelany ny fitsapatsapana. Any ivelany mihitsy. KARATRA MENA. Andao isika rehetra hanaisotra ny fitsapatsapam-batan'olona.” Afisy mampiasa tenim-paritra Kansai. Sary avy amin'ny mpisera Wikimedia Kyoww. Azon'ny rehetra ampiasaina.
Misy fanentanana iray any Japana mikendry ireo zazavavy mpianatry ny lisea hitondrany bokotra vifotsy manokana hanaovany rehefa mandray fiaran-dalamby hampihemorany ireo mitady hitsapatsapa vatana na karazana fanorisorenana ara-nofo hafa.
Mikarakara fanentanana ny Foibe Fisorohana ny Fanaon'ny Chikan (痴漢抑止活動センター) ary eo amin'ny fahatelo taonany amin'izao fotoana izao. Ny voambolana Japoney “chikan” dia sady mamariparitra ny fitsapatsapam-batana no manondro ihany koa ireo izay mpanao izany.
Manasongadina karazan-kafatra ireo bokotra ireo mampahatsiahy ny mpamaky fa heloka bevava ny chikan ary ireo miakanjo izany dia tsy hizaka mangina izay hatao aminy.
痴漢抑止バッジが目指すのは、意志の“見える化”。情報を見せて加害者に「痴漢行為をやめる」という行動を取らせます。傍観者には「守ろう」という意識が生まれます。https://t.co/PsijRI4LEi #立ちあがれJK pic.twitter.com/qaaM56bbcT
— 痴漢抑止活動センター@公式 (@scb_info) May 10, 2018
Ny tanjon'ny “bokotra mampihemotra chikan” dia entina hampisehoana hoe firy ny isan'ny olona [mitafy azy io] mankahala chikan. Ezaka io hahatsapan'izay mety ho chikan fa tsy maintsy mitsahatra amin'ny fanorisorenana sy ny fanafihana ara-nofo hafa ry zareo.
Ho an'ireo vehivavy mpandray fiaran-dalamby, indrisy fa fahita mahazatra ny chikan. Araka ny nolazain'ny Japan Times:
Figures from the Metropolitan Police Department show that 1,750 cases of groping or molestation were reported in 2017, of which 30 percent occurred between 7 and 9 a.m. during the morning rush hour.
More than 50 percent of groping cases occurred on trains, the report says, with a further 20 percent occuring in train stations.
Tarehimarika avy amin'ny departemantan'ny polisy methropolitana no mampiseho fa fitoriana miisa 1750 tamin'ny trangam-pitsapatsapana na fikapoham-batana no nitranga tamin'ny taona 2017, ary ny 30 isanjaton'izany dia nitranga tanelanelan'ny tamin'ny 7 ka hatramin'ny 9 ora maraina amin'ny fotoana mahabe mpandeha.
Mihoatra ny 50 isanjaton'ny raharaham-pitsapatsapam-batana no mitranga eny ambony fiaran-dalamby, hoy ny tatitra, ary ny 20 isanjato fanampiny dia nitranga teny amin'ny garan-dalamby.
Araka ny tatitra nataon'ny polisy ihany, efa ho 30 isanjaton'ny lasibatry ny fitsapatsapam-batana no tanora. Amin'ny ankapobeny, anaovan'ny polisy fanadihadiana araka ny fizarana faha-176 amin'ny ady heloka bevava ny trangam-pitsapatsapam-batana ary tondroina ho “fanehoan-toetra tsy mendrika ankaterena” (強制わいせつ). Na izany aza, voatatitra matetika fa sarotra ampidirina eny amin'ny fitsarana ny raharaha tahaka itony.
Raha manao fanentanana isam-potoana ny polisy sy ny orinasan-dalamby hampitsaharana ny fitsapatsapam-batana ambony fiaran-dalamby, ny hafatra amin'ny ankapobeny dia nokendrena voalohany indrindra hanampiana ny vehivavy hiaro tena na hisoroka ny fitsapatsapam-batana, fa tsy iezahana loatra hanova ny fihetsiky ny lehilahy. Tsikaritra ny fanehoan-kevitra fahita fa mamariparitra ny mahatonga hanao ilay fihetsika, ary misy ihany koa ny fifantohana matanjaka avy amin'ny fampitam-baovao amin'ny fomba ahafahan'ny lehilahy miala na miatrika fanendrikendrehana ho mitsapatsapa vatan'olon-kafa.
“Tsy hizaka izany aho! Heloka bevava ny fanohintohinana ara-nofo!”
Nilaza i Matsunaga Yayoi mpikatroka, izay misolotena ny Foibe Fisorohana ny Fanaon'ny Chikan, fa ny hevitra voalohany hanaovana ireo bokotra dia avy amin'ny mpianatry ny lisea iray sy ny reniny, izay naman'i Matsunaga. Tamin'izany fotoana izany, taona voalohany handehanany amin'ny lisea, nifanehatra tamin'ny chikan efa ho isan'andro ilay mpianatra rehefa mandeha na avy any an-tsekoly izy:
その時、加害者の反省が全くなかったことから、
「2度と痴漢にあいたくない!」と考えた彼女は、
「私は泣き寝入りしません。痴漢は犯罪です!」と書いたカードを作り、
身につけて登下校するようになりました。それ以来、彼女は、痴漢被害にあっていません。
“Tsy mampiseho marika nenina akory na dia kely aza ireo manao izany”. “Tsy te-hiaina izany intsony aho,” hoy ny fanapahan-kevitr'ilay zazavavy. Ka dia namorona karatra mivaky toy izao izy:
“Tsy hizaka izany aho! Heloka bevava ny fanohintohinana ara-nofo!”
Nopaingorin'ilay zazavavy tamin'ny fanamiana ilay karatra, ary dia nandray fiaran-dalamby izy ho any an-tsekoly.
Tsy tratran'ny fitsapatsapam-batana intsony izy avy eo.
Tamin'ny taona 2015, nitatitra i Matsunaga fa nahitana fahombiazana tahaka izany ihany koa ny fanentanana nataon-jazavavy iray tamin'ny media sosialy, ary avy amin'izany no nahatonga ny hevitra hamorona bokotra vifotsy.
Araka ny nolazain'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Japan Times tamin'ny taona 2016:
Matsunaga started a crowdfunding project for the badges in November and managed to raise ¥2.12 million in just three months. To make sure the badges would attract young women, she collected 441 design ideas from 178 people and, ultimately, chose five. Matsunaga also established the Osaka-based Chikan Yokushi Katsudo Center (Groping Prevention Activities Center) in January to raise awareness over the issue.
Nanomboka tetikasa famoriam-bola hanaovana ny baja (badge) i Matsunaga tamin'ny novambra ary niezaka nanangona vola ¥2.120.000 tao anatin'ny telo volana monja. Mba hiantohany fa hanintona ny tanoravavy ny baja, dia nanangona endrika baja miisa 441 avy amin'olona 178 izy, ary tamin'ny farany dia nisafidy ny dimy. Nanorina ny Foibe Chikan Yokushi Katsudo (Foibe Fisorohana ny Fanaon'ny Chikan) tao Osaka ihany koa izy tamin'ny janoary hanao fanairana amin'ity olana ity.
Ny hevitra ambadiky ny fanentanana bokotra dia ny hanome vahana ny zazavavy hiantsoantso raha misy ny fanafihana ary hiantoka fa zavatra tsy azon'ny fiarahamonina ekena ny chikan:
[コンセプト]
・痴漢被害にあわない
・加害者が生まれない
・痴漢冤罪被害も起きない
Ny hevitra ambadiky ny bokotra
[Tianay ny hiantoka]:
-Tsy hisy ny hotsapatsapain'ny chikan
-Tsy hisy ny hitombo ho lasa chikan
-Tsy hisy ny endrikendrehina ho chikan
Tamin'ny voalohany tamin'ny taona 2015 natao ho amidy tamin'ny alalan'ny aterineto tao amin'ny tarjk.com amin'ny vidiny 500 yen (tokony ho dimy dolara amerikana) ny bokotra.
Mbola misy any, saingy noho ny fitomboan'ny fanairana, dia efa amidy any amin'ny garan-dalamby ny bokotra amin'izao fotoana izao sy any amin'ny toeram-pivarotana fandehanan'ny mpianatra zazavavy.
スカート丈が長くても短くても。
ジーンズ穿いていても。
痴漢にあいます(ーーイメージだけで、
「痴漢される側に原因がある」
というのはホントやめて!https://t.co/PsijRHNaMK #立ちあがれJK pic.twitter.com/PLQOTX9cvi
— 痴漢抑止活動センター@公式 (@scb_info) May 11, 2018
Sioka: Tsy mampaninona ny halava na hafohin'ny zipo, na ny fanaovantsika jeans — fa mifanena amin'ny chikan hatrany isika.
Tianay hitsahatra ny hevitra manao hoe “nanao zavatra hanintonana ny chikan ianao”!
Lahatsoratra amin'ny bokotra: Tsy hizaka izany aho! Heloka bevava ny fanohintohinana ara-nofo!
“Tsy tiako hiaina izay niainako ny ankizy hafa”
Amin'ny fomba ofisialy dia nihena ny fanafintohinana ara-nofo, ka tafiditra amin'izany ny fitsapatsapam-batana. Saingy mihevitra i Matsunaga sy ny Foibe fa tranga maro no tsy nisy fitoriana, ka lasa mandiso isa.
Ka ho an'i Matsunaga sy ireo mpikatroka hafa, zava-dehibe ny manome fitaovana azon'ny tanora zazavavy ampiasaina hampihemorana fifampikasokasohana ara-nofo tsy nirina ao anaty fiaran-dalamby.
Azo heverina ho nanampy ireo bokotra. Mpianatra fitopolo avy amin'ny oniversite Uruwa, izay nandray anjara tamin'ny fanentanana nanome paikady ho an'ny vehivavy mpianatra hiarovan-tena amin'ny mpitsapatsapa vatan'olona, no nomena fanontaniana momba ny fahombiazan'ny bokotra tamin'ny taona 2016. 1,4% no niteny fa angamba tsy nahomby ilay izy, 4,3% nilaza fa tsy nisy ny fiovana, 32,9% nilaza “nahatsapa aho fa nahomby ny bokotra” ary ny 61,4% nilaza fa nahamarika fiovana ry zareo.
Nisy akony tamin'ny fomba hafa ihany koa ny fanentanana tamin'ny bokotra. tamin'ny taona 2016, tamin'ny taona nanombohan'ny tetikasa indrindra, namoaka naoty nalefan'ny vehivavy iray tao amin'ny kaonty Twitter an'i Foibe fisorohana ny fanaon'ny Chikan i Matsunaga:
Mariさん。メッセージありがとうございます。私も子供の頃に痴漢にあっても誰にも何も言えずに今まできました。
大人になってようやく行動を起こせるようになりました。子どもたちに同じ思いをさせたくないと私も思っています。 pic.twitter.com/0MQmVoWyQQ— 痴漢抑止活動センター@公式 (@scb_info) July 6, 2016
Naoty: “Tafavoaka velona aho. Fony aho mpianatry ny lisea dia niova tamin'ny fanaoko nandeha bisikileta mankany am-pianarana ho mandray fiaran-dalamby aho. Ankona tanteraka aho rehefa nisy nitsapatsapa isan'andro [ambony fiaran-dalamby]. Tsy nisy fomba nitarainako. Raha nanenina tamin'izany nitranga taloha aho, dia manantena aho fa hihavitsy ny olona ho tratran'ny tahaka izany. Ary manantena koa aho fa hihabetsaka ny zazavavy afa-miaro tena!” -Mari, 39 taona
Sioka: “Mari, misaotra tamin'ny naoty napetrakao. Efa nisy nitsapatsapa ihany koa aho fony zaza, fa tsy mbola nilaza izany na tamin'iza na iza mandraka androany.
Rehefa lehibe aho vao afaka nanao hetsika. Tsy tiako hiaina izay niainako ny ankizy hafa.”
Atombohy ny resaka
Sokajy
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 45 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...