- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

In-22 izay no nahanika ny tendrombohitra Everest i Kami Rita avy ao Nepal, zavabita tsara indrindra izany

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fanatanjahantena, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Tsidika

Kami Rita Sherpa, 48 taona, nianika ny tendrombohitra Everest imbetsaka indrindra vitan'olombelona teto ambonin'ny tany. Nahazoana alalana.

Nahatratra ny tampon'ny tendrombohitra Everest, tendro ambony indrindra eto ambonin'ny tany, fanindroapolo roa amby [1] (na roa amby roapolo) ny Sherpa mpitari-dia an-tendrombohitra Kami Rita Sherpa [2], ka voasongony daholo i Apa Sherpa sy i Furba Tashi Sherpa izay samy nahavita izany in-21 avy. Zavabita tsara indrindra manerantany izany.

Nanomboka ny fianihany nanatratra ny tampony niaraka tamin'ireo Shinoa mpianika tendrombohitra miisa sivy ny mpitari-dia menavazana Kami Rita tamin'ny alin'ny talata 15 mey 2018 ary nahatratra ny tendro [1] tamin'ny alatsinainy  maraina 16 mey.

Nanambara [3] ny zavabitany tsara indrindra manerantany ny orinasam-pitetezantany Everest Seven Summit Treks [4] izay iasany amin'ny maha-Sherpa mpitari-dia azy:

This morning 8:30 AM Kami Rita Sherpa made 22 successful ascents of Mt. Everest as a part of Seven Summit Treks Everest Expedition!

Congratulations to Kami Rita Sherpa!

8:30AM on 16th May 2018(Nepal time), Kami Rita summited the highest peak Everest (8,848m) for 22 times and broke the world record titled “Most ascents of Everest – Male.”

Androany maraina tamin'ny 8 ora sy sasany maraina i Kami Rita Sherpa no nahavita nianika fanindroapolo roa amby tamim-pahombiazana ny tendrombohitra Everest amin'ny maha-ekipan'ny Seven Summit Treks Everest Expedition  azy!

Arahabaina i Kami Rita Sherpa!

8 ora sy sasany maraina androany 16 mey 2018 (ora Nepal), nahatratra ny tendro ambony indrindra an'i Everest (8.848m) fanin-22 i Kami Rita ary nanamontsana ny zavabita tsara indrindra manerantany amin'ny lohateny “Fianihana imbetsaka indrindra an'i Everest – Lehilahy”

Sherpa [5] no anaran'ny vondrom-poko Tibetana izay teratany amin'ny ankamaroan'ireo faritra be tendrombohitra ao Nepal sady manantalenta sy za-draharaha amin'ny fianihana. Saingy lasa voambolana fampiasan'ireo tsi-Nepali anondrona ireo mpitari-dia na mpitondra entana miasa amin'ny faritry ny tendrombohitra Everest izany.

Ny asan'ny Sherpa mpitari-dia [6] dia ahitana ny fikarakarana ny lalana ho arahin'ny mpianika, mametraka ny tady eny amin'ny toerana, ary mitondra ny fitaovana ilaina hianihana ny tendrombohitra. Asa mampidi-doza izany, saingy ahazoana hatramin'ny 6000 dolara amerikana ao anatin'ny taom-pizahantany iray, ambony lavitra noho ny salan-karama ankapobeny ao Nepal. Nataon'ny governemanta ho tsy maintsy atao [7]n'ny vahiny mpianika tendrombohitra ny manakarama mpitari-dia.

Avy amin'ny vahoaka Sherpa izay monina avy ao an-tanànan'i Thame ao amin'ny distrikan'i Solukhumbu i Kami Rita. Tamin'ny taona 1994 izy no nianika voalohany an'i Everest, ary raha indray mandeha eo amin'ny fiainana ho an'ireo mpianika tendrombohitra sy mamon'ny adrenaline ny fianihana ny tendro ambony indrindra eto ambonin'ny tany [8], dia efa karazam-pomba fanaony isan-taona izany.

Efa ela izy no niasa amin'ny maha-matihanina azy eo amin'ny fitarihan-dia ho an'ireo mpianika tendrombohitra ao amin'ny Alpine Ascents International, orinasam-pitarihan-dia ara-barotra iray manana foibe ao Seattle. Vao haingana izy no nanatevin-daharana [7] ny Seven Summits Treks, iray amin'ireo orinasa nepaley ampolony miasa mahazatra ao Everest.

Efa nianihany avokoa ny ankamaroan'ny tendro mihoatra ny 8000 metatra [1] ao amin'ny tandavan-tendrombohitra Himalaya, anisan'izany ny K2, Cho-oyu, Lhoste ary Annapurna, ankoatra ny hafa.

Talohan'ny nahavitany izao zavabitany farany indrindra tao Everest izao dia nilaza tamiko izy hoe:

Summiting Everest? It's just like another daily chore. These days we've technology and weather forecasting service which has made climbing Everest much easier.

Manatratra ny tendron'i Everest? Tahaka ny raharaha fanao isan'andro ihany izany. Izao andro ananantsika ny teknolojia sy ny servisy mpamantatra ny toetrandro izao no nahatsotra kokoa ny fianihana an'i Everest.

"Summiting Everest? It's just like another daily chore," says Kami Rita Sherpa, 21 times Everest summiteer. "These days we've technology and weather forecasting service which has made climbing Everest much easier." These days only those die who don't listen to their Sherpa guides. Otherwise, if you have will power and commitment, you too can do it! And Kami Rita is going to do it for the 22nd time. All the best Kami Rita, you're a legend! ——————– #everestsummit #everestsummiteer #kamiritasherpa #guinnessbookofrecords #willpower #courage #youcandoit #nepal #worldrecord #inspiration #meetingthelegend #instablogger #travelblogger #traveldiary #instalike #instapic #picoftheday [9]

A post shared by Sanjib Chaudhary [10] (@sankuchy) on

Tsy i Kami Rita irery no Nepaley hita lohatenin-gazety. Nahanika fanintsiviny ihany koa ny mpiray tanindrazana aminy Lhakpa Sherpa [11], vehivavy nahavita izany betsaka indrindra teto ambonin'ny tany, ary nanamontsana ihany koa ny zavabitany tsara indrindra teo aloha.

Ny mpianika hafa malazan'ny taona 2018 aloha hatramin'izaodia ilay Aostraliana Steve Plain izay nahatratra ny tendrony impito tao anatin'ny 117 andro [12] sy ilay Shinoa Xia Boyu efa notapahina ny tongony anankiroa [13].

Na izany aza, tsy tian'i Kami Rita ny zanany hanaraka ny diany ho ho Sherpa mpitari-dia, noho ireo voina maromaro nitranga teny an-tendrombohitra tao anatin'ny taona vitsivitsy izao. Maro tamin'ireo maty tamin'ny fihontsahan'ny ranomandry tamin'ny taona 2014 sy 2015 taoamin'ny tendrombohitra Everest [14] nompitari-dia tao an-toerana sy mpitondra entana, ary nisy Sherpas tamin'izany.

Olona mihoatra ny 4000 no nahatratra ny tendron'i Everest [15] mihoatra ny im-7000. Ary isan-taona, manintona olona an-jatony hifanamby amin'ny tenany hitsapa ny fetra farany vitany ilay tendrombohitra mandondona.