Horakoraky Ny Blaogy Bangladesh -12

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2006)

Ity no horakoraka farany indrindra avy amin'ireo blaogy mikasika an'i Bangladesh:

* Diaspora: manome topimaso iray momba ireo zanaka am-pielezan'i Bangladesh eran'izao tontolo izao i Zubaer ao amin'ny blaogy Drishtipat, ary ny fiantraikan'ny fandefasan'izy ireo vola amin'ny toekarenan'i Bangladesh.   

Ulysses ao amin'ny Back to Bangladesh, NRB izy tenany no nanapaka hevitra ny hiverina ao Bangladesh na teo aza ireo ahiahy maro sy adihevitra mikasika ireo antony tena ilàn'i Bangladesh azy ireo mafy dia mafy tokoa.

Na izany aza, mizara tantara iray noho ny hadisoam-panantenana i Rajputro, izay nahitàna NRB iray nandà asa iray tao amin'ny Anjerimanontolon'i Dhaka

* Politika: Nazzina avy amin'ny blaogy nikonian iray mitsikera ny kabary  vao haingana nataon'ny Dr Muhammad, nahazo ny Loka Nobel, nanomezany fanomezana ireo torohevitra ho an'ny filoha sy ny lehiben'ny mpanolotsaina ny filohan'ny governemanta vonjimaika momba izay fomba hiatrehana ny toedraharaha politika ankehitriny ao Bangladesh

* Media: manebaka  ny media iraisam-pirenena i Niraj amin'ny fiampangana fa isaky ny misy fikorontanana ara-politika miseho ao Bangladesh, dia ezahin'izy ireo poforoina hatrany fa handray ny fifehezana ireo silamo ary hanova an'i Bangladesh ho toa an'i Afghanistan. Hazavainy ny antony tsy hahatany Silamo velively an'i Bangladesh.

* Tsidika: mitondra antsika ho amina tsidika virtoaly iray any Dhaka miaraka amin'ny Google Earth i Rumi eo amin'ny blaogy Drishtipat.

* Saripika : Dhaka, renivohitr'i Bangladesh, fantatra tsara amin'ny maha-renivohitr'ireo maoske azy, ireo posy-bisikilety sy ny lamba manify malamalama, dia manana rafitrano manan-tantara. Miezaka mitazona takelaka hita maso mikasika ny tanàn'i Dhaka i Ershad amin'ny alàlan'ireo saripika ao anatin'ny blaoginy “Dhaka“.

Mandefa andiantsary roa manaraka lohahevitra ihany koa avy ao Bangladesh ny Bask to Bangladesh: ‘Ireo Ankizy eo ampiandrasana ny Eid‘ ary ‘mitsangana ny ‘Foochka (Panipuri) hita manerana ny tontolo’.

* Fampiasana kodiarandroa: manana tsiambaratelo vitsivitsy mikasika ny fitondràna kodiarandroa ho any Dhaka ny Back to Bangladesh.

* Maritrano: mampiditra tranonkala iray mikasika ny maritranon'i Dhaka i Shafiur avy amin'ny imperfect world|2006.

* Herisetra: manome kisarisarin'ireo fanafihana tamin'ny asidra natao tamin'ireo vehivavy tao Bangladesh i Jakarta Casual, ary ny fomba ataon'ny fiarahamonina hiatrehana io olana io

* Asa ataon'ireo Ankizy: Resahan'i Andrew Morris ao amin'ny Morris the Pen ny momba ny sokajy samihafa eo amin'ny asa ataon'ireo ankizy ao Bangladesh, fanampiana ao an-tokantrano.

* Tafatafa: Nitafan’Naeem Mohaiemen i Shahidul Alammpikatroka mafàna fo iray malaza amin'ny media sady talen'ilay Drik Picture Library (drik.net) efa nahazo loka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.