- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antso ho an'ny bilaogera ho ao amin'ny Skype (8 jona 2005)!!

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 8 Jona 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

skypelogo [1]Alefaso ho ren'ny mpihaino manerantany ny feonao. Ampahafantaro ny bilaoginao ary ilazao amin'izao tontolo izao hoe tahaka ny ahoana izany atao hoe bilaogera ao amin'ny firenenao izany.

Manokafa kaonty Skype [1] raha tsy manana ianao azafady .

Raha liana amin'ny fanaovana antsafa ao amin'ny Global Voices Skypecast [2] ianao, azafady mba ampahafantaro anay ny kaonty Skype-nao, na amin'ny alàlan'ny fandefasana izany etsy amin'ny fizarana “fanehoan-kevitra” amin'ny farany ambanin'ity lahatsoratra ity, na amin'ny alàlan'ny mailaka ao amin'ny globalvoices AT gmail TEBOKA com.

Manantena izahay fa hiresaka tsy ho ela isika.