- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Reharehan'i Bangladesh Ny Nandefasan-dry Zareo Ny Zanabolany Voalohany Ho Eny Amin'ny Habakabaka

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tantara, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara
[1]

Ny “Bangabandhu Satellite-1 Mission” tao Cape Canaveral, Etazonia. Sary tao amin'ny Flickr an'ny Official SpaceX Photos. Sehatra ho an'ny daholobe

Ny 11 May 2018 tamin'ny 4:14 ora tolakandro Eastern Daylight Time (EDT) (9:14 maraina oran'i Madagasikara) no nalefa avy ao Cape Canaveral, Florida any Etazonia ho eny amin'ny habakabaka ny Bangabandhu-1 [2], voalohany  amin'ny zanabolana tsy mihetsika novokarin'i Bangladesh.  Nanamarika fotoana iray manantantara ho an'ny firenena izany ary nankalazaina nanerana an'i Bangladesh.

Nalefa hipetraka eny amin'ny soritry ny làlany [3], zanapehintany 119.1 degre atsinanana, ny Bangabandhu-1, nomena ny solonanaran'i Sheikh Mujibur Rahman [4], ray mpanorina an'i Bangladesh. Antenaina hanatontosa iraka mandritra ny 15 taona eo raha kely indrindra ilay zanabolana.

Tamin'ny voalohany ilay fandefasana dia voalahatra ho ny 10 May ary nahemotra [5] ny ampitson'io rehefa nisy hadisoana tsikaritra iray minitra monja nialohan'ny saika handefasana azy. Ny Talata, tonga tany Florida [6] ny delegasiona iray nahitàna ireo manampahefana Bangladeshi, notarihan'ny Minisitry ny Fifandraisandavitra sy ny Paositra, Tarana Halim, mba ho vavolombelona hanatri-maso ny fahombiazan'ilay fandefasana.

Nibitsika i Peter B. de Selding, toniandahatsoratry ny Space Intel Report hoe:

Nohamafisin'ny mpamokatra @Thales_Alenia_S [7] fa tafapetraka tsara eny amin'ny toerany ny Bangabandhu-1 miaraka amin'ireo fampitàna avy eny sy ny fivelaran'ireo takelaka mandray ny herin'ny masoandro. Fahombiazan'ny iraka ho an'ny fandefasana voalohany ny Falcon 9 Block faha-5 nasiana fanavaozana an'ny @SpaceX [8] . Nanatevina ny lisitr'ireo firenena manana ny zanabolana fifandraisandavitra manokany ankehitriny i Bangladesh .

K. Scottt Piel, injeniera mpanamboatra rindrambaiko avy amin'ny Kenedy Space Center, nibitsika hoe:

Fijery 90 Megapixel ny #Falcon9 [11] an'ny @SpaceX [8] mibaby ny #Bangabandhu1 [12] talohan'ny sidina fitokanana ny #Block5 [13] androany

Afaka trohana eto ny sary amin'ny endriny tsy nokitihana https://t.co/nsNVWKkFHb [14]#photography [15] #Space [16] #rocketry [17] pic.twitter.com/a8aPvc1irD [18]

Nanomboka tamin'ny zanabolana nilanja 3,700 kg ny asa tamin'ny 2015, fony izy mbola entana nafaran'ny Kaomisiona Mpandrindra ny Fifandraisandavitra ao Bangladesh [20] avy any amin'ny Thales Alenia Space [21] ao Frantsa.

Fandefasana manamarika fotoan-dehibe ho an'ny orinasa SpaceX [22], izay nasaina niandraikitra  samirery izany fandefasana izany. Io no fiandohan'ny fanatsarana vaovao nataon-dry zareo tamin'ny fiara fandefasany, fantatra amin'ny hoe Falcon 9 [23] Block 5, izay karazany iray mora kokoa ny mamerina mampiasa azy ary manana tosika matanjaka [24]. SpaceX dia orinasa amerikàna naorin'ilay mpandraharaha Elon Musk tamin'ny 2002. Nisy  fampitàna mivantana tamin'ny tranonkala [25] natolotry ny SpaceX tamin'ilay fandefasana, izay azo jerena ety anaty aterineto:

Hitsinjara [26] fahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana ny Bangabandhu-1, hanome fidirana amin'ny aterineto, ary tolotra fifandraisana anaty hamehana, hatramin'ny hafainganam-pandehan'ny fifandraisana any amin'ireo faritra ambanivohitra ao Bangladesh, ary hotantanin'ilay orinasam-panjakana vao noforonina tsy ela akory izay, ny Orinasam-Pifandraisana Amin'ny Zanabolana ao Bangladesh (Ltd), [27] taorian'ny nitantanan'ny Kaomity Mpandrindra ny Fifandraisandavitra ao Bangladesh (BTRC) azy hatreto.

Araka ny lazain'ny Dhaka Tribune [28], ny fandaniana isantaona ataon'i Bangladesh ho an'ny fifandraisana mampiasa zanabolana dia eo amin'ny 14 tapitrisa dolara amerikana eo amin'izao fotoana izao, amin'ny fanofàna fatran'onja avy amin'ireo mpandraharaha vahiny. Efa voajery mialoha fa hihena be io fandaniana io miaraka amin'ny fandefasana ny Bangabandhu-1.

Fotoana tsy nampino ny omaly. Nankalazaina ny #Bangabandhu [29] Satellite-1. Ity #zanabolana  [30]sambany amin'ny karazany ity dia namboarina hampihenàna ny #fivakisanadizitaly ao #Bangladesh [32] tsy hoe fotsiny any amin'ireo tanàna lehibe fa koa hatrany amin'ireo faritra ambanivohitra. Ho loharanon'ny #fampanananaAsa any amin'ny faritra izy io @telespazio [34] @SpaceX [8] pic.twitter.com/a3oiRNEPzH [35]

Hanome fandrakofana manerana an'i Bangladesh amin'ny onja Ku ilay zanabolana [37] ary ireo fari-dranomasiny ao amin'ny Helodranon'i Bengal, India, Nepal, Bhutan, Sri Lanka, ary Filipina sy Indonezia.

Tao amin'ny Twitter, nasehon'ireo teratany Bangladeshi ny fanohanany ilay iraka, na dia vao maraina be aza no natao ilay fandefasana.

Farhan Hossain nibitsika hoe:

Ela ny ela ka niainga ho eny amin'ny habakabaka ihany ny #Bangabandhu1 [12] ary tafiditra ho ao anatin'ny klioban'ireo firenena 57 eto an-tany manana zanabolana i #Bangladesh. [32] Isaorana ny #SheikhHasina [38] noho ireo ezaka tsy nitandroany hasasarana sy ireo dingana mankany amin'ny #DigitalBangladesh  [39]pic.twitter.com/YCF6Fmb1Wc [40]

Adnan Ahmed Khan nanoratra hoe:

fametrahana feno fahombiazana ny Bangabandhu Satellite-1 eny amin'ny làlan-kizorany nataon'ny Falcon 9 Block 5 an'ny SpaceX. Toy izao angamba no fomba fiovàn'ny firenena iray, tena feno rehareha

Na izany aza, ny sasany toa an'i Kazi Didar naneho hevitra hoe ny fandaniana be natao ho an'ilay zanabolana dia afaka tsara nampiasaina ho an'ireo filàna fototra sasany ho an'i Bangladesh aloha:

Izahay #Bangladeshi [44] tsy maniry handany vola aminà zanabolana. Voalohany indrindra dia mila sakafo izahay, fitafiana, fanabeazana, trano, filaminam-bahoaka. Mila governemanta demaokratika & zo ho afaka mifidy izahay, rafi-pitsaràna mangarahara, fanatsaràna ny rafitra fifandraisandavitra, asa & #Bangladesh [32] tsy misy kolikoly

Fa na inona na inona, maro no mijery azy io ho toy ny fahombiazana lehibe vitan'i Bangladesh:

Zenith nibitsika hoe:

Tsy mampino ahy ny hoe lasa isan'ireo firenena manana ny zanabolany manokana i Bangladesh taorian'ilay fandefasana ny #Bangabandhu1 [12]
Fotoana iray mampirehareha, na dia sondriana nijery fahitalavitra sy tsy nahalala na inona na inona aza ny sasany ?

Raju nanoratra hoe:

Naharay soa aman-tsara ny fampitàna avy eny amin'nhy zanabolana #Bangabandhu1 [12] ireo foibe tety an-tany. Zavabita goavana ho an'i #Bangladesh [32] teo ambany fitarihana matanjaky ny Praiminisitra #SheikhHasina  [38]io
Vakio https://t.co/1PRYgr7bA8 [49]#DigitalBangladesh [39] @sajeebwazed [50] @SpaceX [8] pic.twitter.com/NtDIZPUAvN [51] pic.twitter.com/GkRjGMWgBY [52]