
Ny “Bangabandhu Satellite-1 Mission” tao Cape Canaveral, Etazonia. Sary tao amin'ny Flickr an'ny Official SpaceX Photos. Sehatra ho an'ny daholobe
Ny 11 May 2018 tamin'ny 4:14 ora tolakandro Eastern Daylight Time (EDT) (9:14 maraina oran'i Madagasikara) no nalefa avy ao Cape Canaveral, Florida any Etazonia ho eny amin'ny habakabaka ny Bangabandhu-1, voalohany amin'ny zanabolana tsy mihetsika novokarin'i Bangladesh. Nanamarika fotoana iray manantantara ho an'ny firenena izany ary nankalazaina nanerana an'i Bangladesh.
Nalefa hipetraka eny amin'ny soritry ny làlany, zanapehintany 119.1 degre atsinanana, ny Bangabandhu-1, nomena ny solonanaran'i Sheikh Mujibur Rahman, ray mpanorina an'i Bangladesh. Antenaina hanatontosa iraka mandritra ny 15 taona eo raha kely indrindra ilay zanabolana.
Tamin'ny voalohany ilay fandefasana dia voalahatra ho ny 10 May ary nahemotra ny ampitson'io rehefa nisy hadisoana tsikaritra iray minitra monja nialohan'ny saika handefasana azy. Ny Talata, tonga tany Florida ny delegasiona iray nahitàna ireo manampahefana Bangladeshi, notarihan'ny Minisitry ny Fifandraisandavitra sy ny Paositra, Tarana Halim, mba ho vavolombelona hanatri-maso ny fahombiazan'ilay fandefasana.
Nibitsika i Peter B. de Selding, toniandahatsoratry ny Space Intel Report hoe:
Builder @Thales_Alenia_S confirms in-orbit health of Bangabandhu-1 w/ signals and solar panel deploy. Mission success for 1st launch of @SpaceX Falcon 9 Block 5 upgrade. Bangladesh now joins list of nations w/ own telecom sat. pic.twitter.com/BPThxwnCPS
— Peter B. de Selding (@pbdes) May 12, 2018
Nohamafisin'ny mpamokatra @Thales_Alenia_S fa tafapetraka tsara eny amin'ny toerany ny Bangabandhu-1 miaraka amin'ireo fampitàna avy eny sy ny fivelaran'ireo takelaka mandray ny herin'ny masoandro. Fahombiazan'ny iraka ho an'ny fandefasana voalohany ny Falcon 9 Block faha-5 nasiana fanavaozana an'ny @SpaceX . Nanatevina ny lisitr'ireo firenena manana ny zanabolana fifandraisandavitra manokany ankehitriny i Bangladesh .
K. Scottt Piel, injeniera mpanamboatra rindrambaiko avy amin'ny Kenedy Space Center, nibitsika hoe:
A 90 Magapixel look at @SpaceX‘s #Falcon9 carrying #Bangabandhu1 ahead of today's maiden flight of the #Block5
Full resolution download available here: https://t.co/nsNVWKkFHb#photography #Space #rocketry pic.twitter.com/a8aPvc1irD
— K. Scott Piel (@spiel2001) May 10, 2018
Fijery 90 Megapixel ny #Falcon9 an'ny @SpaceX mibaby ny #Bangabandhu1 talohan'ny sidina fitokanana ny #Block5 androany
Afaka trohana eto ny sary amin'ny endriny tsy nokitihana https://t.co/nsNVWKkFHb#photography #Space #rocketry pic.twitter.com/a8aPvc1irD
Nanomboka tamin'ny zanabolana nilanja 3,700 kg ny asa tamin'ny 2015, fony izy mbola entana nafaran'ny Kaomisiona Mpandrindra ny Fifandraisandavitra ao Bangladesh avy any amin'ny Thales Alenia Space ao Frantsa.
Fandefasana manamarika fotoan-dehibe ho an'ny orinasa SpaceX, izay nasaina niandraikitra samirery izany fandefasana izany. Io no fiandohan'ny fanatsarana vaovao nataon-dry zareo tamin'ny fiara fandefasany, fantatra amin'ny hoe Falcon 9 Block 5, izay karazany iray mora kokoa ny mamerina mampiasa azy ary manana tosika matanjaka. SpaceX dia orinasa amerikàna naorin'ilay mpandraharaha Elon Musk tamin'ny 2002. Nisy fampitàna mivantana tamin'ny tranonkala natolotry ny SpaceX tamin'ilay fandefasana, izay azo jerena ety anaty aterineto:
Hitsinjara fahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana ny Bangabandhu-1, hanome fidirana amin'ny aterineto, ary tolotra fifandraisana anaty hamehana, hatramin'ny hafainganam-pandehan'ny fifandraisana any amin'ireo faritra ambanivohitra ao Bangladesh, ary hotantanin'ilay orinasam-panjakana vao noforonina tsy ela akory izay, ny Orinasam-Pifandraisana Amin'ny Zanabolana ao Bangladesh (Ltd), taorian'ny nitantanan'ny Kaomity Mpandrindra ny Fifandraisandavitra ao Bangladesh (BTRC) azy hatreto.
Araka ny lazain'ny Dhaka Tribune, ny fandaniana isantaona ataon'i Bangladesh ho an'ny fifandraisana mampiasa zanabolana dia eo amin'ny 14 tapitrisa dolara amerikana eo amin'izao fotoana izao, amin'ny fanofàna fatran'onja avy amin'ireo mpandraharaha vahiny. Efa voajery mialoha fa hihena be io fandaniana io miaraka amin'ny fandefasana ny Bangabandhu-1.
Incredible moment yesterday. #Bangabandhu Satellite-1 being celebrated. This one-of-a-kind #satellite is designed to reduce the #digitaldivide in #Bangladesh not only in big cities but also in rural areas. It will be a source of #employment in the region @telespazio @SpaceX pic.twitter.com/a3oiRNEPzH
— Thales Alenia Space (@Thales_Alenia_S) May 12, 2018
Fotoana tsy nampino ny omaly. Nankalazaina ny #Bangabandhu Satellite-1. Ity #zanabolana sambany amin'ny karazany ity dia namboarina hampihenàna ny #fivakisanadizitaly ao #Bangladesh tsy hoe fotsiny any amin'ireo tanàna lehibe fa koa hatrany amin'ireo faritra ambanivohitra. Ho loharanon'ny #fampanananaAsa any amin'ny faritra izy io @telespazio @SpaceX pic.twitter.com/a3oiRNEPzH
Hanome fandrakofana manerana an'i Bangladesh amin'ny onja Ku ilay zanabolana ary ireo fari-dranomasiny ao amin'ny Helodranon'i Bengal, India, Nepal, Bhutan, Sri Lanka, ary Filipina sy Indonezia.
Tao amin'ny Twitter, nasehon'ireo teratany Bangladeshi ny fanohanany ilay iraka, na dia vao maraina be aza no natao ilay fandefasana.
Farhan Hossain nibitsika hoe:
Finally #Bangabandhu1 is going to be on #Space and #Bangladesh is entering the club of satellite owners as 57th country in the world. Thanks to HPM #SheikhHasina for her relentless efforts and step towards #DigitalBangladesh. pic.twitter.com/YCF6Fmb1Wc
— Farhan Hossain (@fhjony1971) May 10, 2018
Ela ny ela ka niainga ho eny amin'ny habakabaka ihany ny #Bangabandhu1 ary tafiditra ho ao anatin'ny klioban'ireo firenena 57 eto an-tany manana zanabolana i #Bangladesh. Isaorana ny #SheikhHasina noho ireo ezaka tsy nitandroany hasasarana sy ireo dingana mankany amin'ny #DigitalBangladesh pic.twitter.com/YCF6Fmb1Wc
Adnan Ahmed Khan nanoratra hoe:
Successful deployment of SpaceX's Falcon 9 Block 5 launch of Bangabandhu Satellite-1 to geostationary transfer orbit confirmed. maybe this is how a country changes, so proud 😐#SpaceX #Bangladesh #Bangabandhu1 #Falcon9 #Block5
— Adnan Ahmed Khan (@iamkhanshaheb) May 12, 2018
fametrahana feno fahombiazana ny Bangabandhu Satellite-1 eny amin'ny làlan-kizorany nataon'ny Falcon 9 Block 5 an'ny SpaceX. Toy izao angamba no fomba fiovàn'ny firenena iray, tena feno rehareha
Na izany aza, ny sasany toa an'i Kazi Didar naneho hevitra hoe ny fandaniana be natao ho an'ilay zanabolana dia afaka tsara nampiasaina ho an'ireo filàna fototra sasany ho an'i Bangladesh aloha:
We #Bangladeshi don't want to waste money for #satellite.
First of all we want food, clothes, education, house, public security. We want democratic government & voting rights, Transparent Judiciary system, Improved communication system, jobs & corruption free #Bangladesh#SpaceX pic.twitter.com/eiTVpa4IhX— Kazi Didar (@kazididar95) May 11, 2018
Izahay #Bangladeshi tsy maniry handany vola aminà zanabolana. Voalohany indrindra dia mila sakafo izahay, fitafiana, fanabeazana, trano, filaminam-bahoaka. Mila governemanta demaokratika & zo ho afaka mifidy izahay, rafi-pitsaràna mangarahara, fanatsaràna ny rafitra fifandraisandavitra, asa & #Bangladesh tsy misy kolikoly
Fa na inona na inona, maro no mijery azy io ho toy ny fahombiazana lehibe vitan'i Bangladesh:
Zenith nibitsika hoe:
Cannot believe Bangladesh is becoming the 57th member of the satellite-owning exclusive countries club with the launch of #Bangabandhu1
proud moment, though most are busy watching TV shows so they probably have no clue ?#SpaceX pic.twitter.com/i5YubgDXv1
— Zenith (@AbirZenith) May 11, 2018
Tsy mampino ahy ny hoe lasa isan'ireo firenena manana ny zanabolany manokana i Bangladesh taorian'ilay fandefasana ny #Bangabandhu1
Fotoana iray mampirehareha, na dia sondriana nijery fahitalavitra sy tsy nahalala na inona na inona aza ny sasany ?
Raju nanoratra hoe:
Local groundstations successfully receive test signal from #Bangabandhu1 satellite. This is a huge achievement of #Bangladesh under the Bold Leadership of HPM #SheikhHasina.
Read- https://t.co/1PRYgr7bA8#DigitalBangladesh @sajeebwazed @SpaceX pic.twitter.com/NtDIZPUAvN pic.twitter.com/GkRjGMWgBY— raju advance (@rajunewedition) May 12, 2018
Naharay soa aman-tsara ny fampitàna avy eny amin'nhy zanabolana #Bangabandhu1 ireo foibe tety an-tany. Zavabita goavana ho an'i #Bangladesh teo ambany fitarihana matanjaky ny Praiminisitra #SheikhHasina io
Vakio https://t.co/1PRYgr7bA8#DigitalBangladesh @sajeebwazed @SpaceX pic.twitter.com/NtDIZPUAvN pic.twitter.com/GkRjGMWgBY