- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Hira Avatar vaovao, aingam-panahy avy amin'ny fandroahana an-terisetra

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Mozika, Sarimihetsika, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Avrily taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Miorina amin'ny fomba fahitan'ny Shinoa marobe  [1]ny sarimihetsika Amerikanina Avatar [2], ny “sarin'ny [3] fandravana mahery setra amin'ny fiainanay andavanandro”, namoaka antserasera hala tahaka [4] tamin'ny hiran'ny sarimihetsika ny vondrona mpanakanto lahatsary sy hira, Zhou Hongtao, Gong Kaijie [5] ary ilay mpihira Lizi, ka nisary endrika Shinoa ny lohateny hoe ‘Fandroahana an-kalamanjana‘. Na dia eo aza ireo tononkira, dia toa tsy misy na inona na inona ao anatin'ny tetikasa milaza fa noterena hiala ny tranony ireo mpandray anjara tamin'izany.

(Fanamarihana: Ity lahatsary ity dia somary mandeha miadana be raha ivelan'i Shina, izany no antony nahatonga anay nanao dika ato [6])

http://www.tudou.com/v/qO-dOkgAfiQ/v.swf

Fandroahana an-kalamanjana‘:

拆掉我的家,被逼着离开
内心受到伤害的我死都不明白
明明是我财,要求不能开
只好看着强制拆迁令眼泪掉下来
保护百姓的“法律”法律不存在?
没有背景的人群自己买棺材
拆迁不是谁想拆,想拆就能拆
合理补偿给我理由不然请滚开
我那合法的财产不容你毁坏
中华民族的土地容不下腐败

Namotika ny tranoko, nanery ahy hiala
Nalahelo avy amin'izany tokoa aho, tsy afaka milaza raha mbola miaina
Miharihary fa fananako io, tsy izay raharahian'ny rehetra
Mitaza-potsiny sisa rehefa manery anay hivoaka izy ireo, kotsan-dranomaso ny tavako
Lalàna hiarovana vahoaka, tsy misy ve?
Raha tsy manana namana matanjaka ianao, dia mividy ny vata-patinao sisa
Tsy maninona raha vonona ny hifindra ianao, hamotipotika ny tranonao izy ireo rehefa izay no tiany
Omeo fanonerana ampy aho, omeo antony aho, na mialà mankany amin'ny helo
Io no fananako ara-dalàna, tsy avelako handrava azy ianao
Tsy tokony ho simba ny tanin'ny vahoaka Shinoa

拆迁不是谁想拆,想拆就能拆
给我公正给我公平,全给我公开
保护百姓的“法律”法律不存在?
没有背景的人群自己买棺材

拆迁不是谁想拆,想拆就能拆
合理补偿给我理由不然请滚开

Tsy maninona raha vonona ny hifindra ianao, hamotipotika ny tranonao izy ireo rehefa izay no tiany
Omeo rariny aho, omeo hitsiny aho, omeo ahy malalaka izany
Lalàna hiarovana vahoaka, misy ve?
Raha tsy manana namana matanjaka ianao, dia nividy vata-patinao sisa
Tsy maninona raha vonona ny hifindra ianao, hamotipotika ny tranonao ry zareo raha izay no tiany
Omeo fanonerana ampy aho, omeo antony aho, na mialà mankany amin'ny helo

Andrasana ny isian'ny vaomiera

Anelanelan'ireo andininy ireo, mandeha manavatsava ny efijery izao (soratra izao):

希望拆迁悲剧,不在地球上发生

Andeha hanantena fa tsy hitranga eto an-tany ny loza ateraky ny famindrana an-terisetra:

Ary amin'ny faran'ny horonantsary, miseho ny hafatra hoe ‘ao anatin'ny loza mitaotao ny planeta’, miaraka amin'ny laharana fifandraisana amin'ny QQ [7] an'ireo mpanakanto: 261902385.