(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nakatona nandritra ny enina andro tamin'ny herinandro lasa teo ny tranonkala fanarahamaso fifidianana, Sudan Vote Monitor (Sodàna manaramaso ny fifidianana). Nitatitra momba ny tranonkala nakatona ny Reporters Without Border ary nitaky ny fanokafana azy manontolo.
Ny Sudan Vote Monitor dia sehatra natsangan'ny fiarahamonim-pirenena mampiasa rindrambaiko open source, Ushahidi, mba hanaramaso ny fifidianana ao amin'ny firenena. Ahafahan'ny olom-pirenena mitatitra izay tsy ara-dalàna rehetra momba ny fifidianana ny tranonkala.
Azonao fantarina bebe kokoa ny momba ny tranonkala amin'ny antsafa nataon'i Rebekah tamin'i Fareed Zein izay mitarika ny Tetikasa Sudan Vote Monitor.
Niampanga ny governemanta ho manakana ny fidirana ao amin'ny tranonkala ireo mpitarika ny fiarahamonim-pirenena ao Sodàna:
This past week, Sudanese civil society leaders accused the Sudanese government of blocking the independent monitoring site, Sudan Vote Monitor.
Tamin'ny herinandro lasa teo, niampanga ny governemanta Sodaney ho nanakana ny tranonkala mahaleotena fanarahamaso ny fifidianana, Sudan Vote Monitor ireo mpitarika ny fiarahamonim-pirenena.
Nitatitra ny Save Darfur fa nakatona tao sodàna ny YouTube taorian'ny famoahana lahatsary mampiseho ny tsy mety amin'ny fifidianana:
Likewise, it was reported that YouTube was being blocked in Sudan after the posting of a video that allegedly showed vote rigging in Red Sea State.
Tahaka izany, notaterina fa nakatona tao Sodàna ny Youtube taorian'ny famoahana lahatsary izay voalaza fa nampiseho ny tsy mety tamin'ny fifidianana tao amin'ny Fanjakana Ranomasina Mena.
Tamin'ny volana Aogositra 2009, nitatitra momba ny fanakatonana ny Youtube ao Sodàna ilay Sodaney mpanoratra namantsika Drima.
Araka ny filazan'ny Tetikasa ho an'ny Aterineto Arabo Misokatra, ny Orinasan'ny Fifandraisan-davitra Nasionaly (NTC) ao Sodàna dia manana sampana manokana manivana vaovao jeren'ny mpiserasera aterineto ao Sodàna. Nanomboka tamin'ny taona 2003 ny fanakatonana tranonkala ao amin'ny firenena.
Tamin'ny taona 2007, tranonkala 41 no nakaton’ny fitondrana ZANU-PF ao Zimbaboe, izay tafiditra amin'izany ny Global Voices Online. Tamin'ny taona 2008, nitatitra i Mohammed Keita fa nakatona tao Ethiopia ny tranonkalan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety.
Tetikasa OpenNet kosa nitatitra tamin'ny Septambra 2009 fa manatanteraka sivana i Ethiopia ary manakana ny fidirana amin'ireo bilaogy malaza sy ny tranonkalan'ireo fikambananam-baovao marobe.
Raha hijery ny ezaka sivana antserasera mifandray amin'ny tranonkala sosialy sy ny tranonkala lehibe 2.0, tsidiho ny Global Voices Advocacy Access Denied Map. Ny Global Voices Advocacy dia tetikasan'ny Global Voices Online, izay mikasa hanangana tambajotra miady amin'ny sivana izay ahitana ireo bilaogera sy mpikatroka antserasera manerantany nanoka-tena hiaro ny fahalalaham-pitenenana sy ny fidirana maimaim-poana amin'ny vaovao antserasera.