- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antsipirihan'ny Laminasa Momba ny Zon'ireo LGBTIQ ao Kiobà Avy Amin'ireo Kiobàna Mpikatroka

Sokajy: Amerika Latina, Kiobà, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
[1]

“Sainan'ny LGBT ao Kiobà.” Nampiasàna lisansa Creative Commons Attribution-Share Alike 4.0 International.

Ny 11 May 2018, maro an'isa ireo Kiobàna nahita fianarana sy mpikatroka no nanomboka laminasa iray feno tanteraka [2] ho an'ny zon'ireo pelaka lahy sy vavy, ireo olona manana taova roa, ny nanova taovam-pananahana, ireo “intersex” tsy lahy tsy vavy saingy mihevitra ny tenany ho vehivavy  ao Kiobà. Araka izay lamina nifanekena:

Basados en los principios de Yogyakarta [3] sobre la aplicación de la legislación internacional de derechos humanos en relación con la orientación sexual y la identidad de género, en la Declaración de derechos sexuales de la Asociación Mundial para la Salud Sexual (WAS) [4] y en virtud de las próximas reformas constitucionales y jurídicas en Cuba, integrantes de la comunidad LGBTIQ cubana nos hemos reunido para promover esta agenda.

Araka ny fotokevitra Yogyakarta [5] ho fampiharana ny lalàna iraisampirenena momba ny zon'olombelona mifandray amin'ny fironana ara-pananahana sy ny mahalahy na mahavavy,  ao anatin'ilay Fanambaràna ny Zo Ara-Pananaharana Erantany navoakan'ny Fikambanana Erantany Miahy ny Fahasalamana Ara-pananahana  (WAS) [6] ary noho ny fanavaozana ny lalàm-panorenana sy ny lalàna efa an-dàlana ao Kiobà, dia nihaona mba hamoaka ity laminasa ity ireo mpikambana ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ireo Kiobàna LGBTIQ.

Ilay antontan-kevitra dia manomboka amin'ny fiheverana ny fironana ara-pananahana sy ny maha-lahy na maha-vavy ho tsy afaka misaraka amin'ny haja amam-boninahitra maha-olona. Tsy ny ho fanambaràna iombonana fotsiny no tanjona amin'ilay rijanteny narafitra, fa koa ho tolokevitra azon'ireo mpiaramiasa tohizana fenoina aminà hevitra sy sosokevitra. Tolokevitra avy amin'ilay rijanteny ihany koa ireo andalana hanaovana hetsika manokana afaka ampiasaina ho teboka fanombohana fikarohana ary fampiroboroboana ny politikam-panjakana, araka ny fanazavàn'i Isbel Díaz Torres [7] ao amin'ny Havana Times.

Sambany amin'ny karazany ao Kiobà ny fisian'ilay laminasa, izay ny rehetra no nandrafitra azy manontolo ary mifantoka amin'ny zon'ireo olona LGTBIQ. Fanampiny, ahitàna fangatahana manokana miisa 63 ao anatiny, ary mitsinjara ho toko 2 lehibe: fepetra araka ny lalàna ary politika, drafitra ary tetikady.

Ilay mpanatontosa sarimihetsika kiobàna, Yaíma Pardo, dia nametraka savaranonando manana ny lanjany tamin'ireo fangatahana voavory ao anatin'ny horonantsary fanadihadiany Causas y Azares (Antony sy Vintana, misy azo raisina amin'ny dikanteny anglisy) [8]. Nisy iray hafa teo aloha ihany koa, ny rijanteny [9] nosoratan'ilay mpikatroka sady bilaogera, Alberto Roque [10].  Asongadin'ilay horonantsary fanadihadiana ireo fandalinana marobe momba ny toerana misy ny zon'ireo LGBTQI amin'izao fotoana izao ao Kiobà ary ny fiovàna ara-drafitra ilaina mba hiantohana ny fampiharana feno azy ireny.

Mercedes García sy Yasmin Silvia Portales Machado, mpikatroka roa nandray anjara tamin'ilay horonantsary fanadihadiana, manazava teboka maro manandanja mba hahatakarana ny toejavatra nanodidina ny fanekena sy fiarovana ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTIQ ao Kiobà. Ara-potokevitra, hazavain-dry zareo ny tsy feneken'ny governemanta kiobàna ny maha-saro-takarina sy be pitsopitsony ny firafitry ny mahalahy na mahavavy amin'ny resaka ara-pananahan'ny olona. Tombanan'i Garcia ny tsy fahombiazan'i Kiobà amin'io resaka io :
Lamentablemente el proyecto social socialista heredó esa discriminación, esos falsos conceptos, esa ignorancia sobre la sexualidad humana; y en el caso Cuba se ha demorado, para mi gusto, demasiado en enfrentar esa realidad y transformarla

Mampalahelo, nolovain'ny tetikasa Sosialista sosialy ny fanavakavahana, ireo hevidiso, ny tsy fahalalàna ny resaka ara-pananahan'ny olombelona, ary amin'ny tranga manjo an'i Kiobà, ela loatra, raha ho ahy, ny fotoana ilainy hiatrehana ny tena zavamisy sy hanovàna izany..

Roritin'i Machado ity teboka ity ary asongadiny ny zava-niainana ara-tantara sy ara-kolontsain'ny ideolojia politika tao Kiobà tsy nahafahana nanavaka ireo lafim-piainana samihafan'ny olompirenena :
El Marxismo surgió como una filosofía en occidente de un hombre blanco. No reconoce la diversidad de las sexualidades ni de las identidades que las personas cargan como parte de su cultura. No todo es la lucha de clases. Cada clase social está atravesada por un montón de identidades culturales y sexuales… y laborales… y artísticas. Reconocer eso es lo que permite que las políticas [creadas] para emancipar a las personas atiendan verdaderamente a las personas y no a los ideales [que el Estado tiene] de las personas… [es ahí] donde ha fallado hasta ahora el socialismo.

Nipoitra ny Marxisma tany Andrefana ary filozofia [namboamboarin’]ny lehilahy fotsy. Tsy manaiky ny fahasamihafan'ny ara-pananahana na ny mari-pamantarana ny maha-izy ny olona izay entin'izy ireny miaraka aminy ho toy ny ampahan'ny kolontsainy. Tsy ny zavatra rehetra no misy ifandraisany amin'ny adin-tsaranga. Ny saranga sosialy tsirairay dia samy manana ny maha-izy ara-kolontsaina, fananahana, asa, ary ara-javakanto. Ny fanekena izany no ahafahan'ny politika [noforonina] hampivelatra ny olona ho tena hiasa tokoa ho an'ny olona fa tsy ny idealin'ny [Fanjakàna] momba ny vahoaka … [ary eo indrindra] no tsy nahomby ny sosialisma hatreto.

Mamporisika adihevitra andraisan'ny rehetra anjara sy midadasika momba ny zon'olombelona ilay laminasa momba ny zon'ireo LGBTIQ ao Kiobà [11], ary takiany ny mba handinihana ny fangatahan-dry zareo ao amin'ny Antenimieram-Pirenen'ny Fahefam-Bahoaka, ny Filankevitry ny Governemanta sy ireo mpandrafitra ny politika, drafitra ary ny tetikady ao Kiobà .