- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fizotry ny hetsika lehibe manodidina ny sivana, ny fijirihana, ny DDOS ary ny fahalalahana an-tserasera

Sokajy: Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny 6 Aprily 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Noho ny amin'ny maha-zava-dehibe ny hetsika manodidina ny fangejana ny aterineto, indrindra taorian'ny hetsi-panoherana tany Iran sy ny disadisa teo amin'ny Google sy Shina, nanandrana nanangona ity lahatahiry ity aho nandritra ny fotoana maromaro, ary nampiseho izany ao amin'ny fitantarana miaraka amin'ny rohy sy lahatsary (isaky ny misy).

Tahaka ny fitantarana sy ny sarintany ao amin'ny [1] Threatened Voices [1] , ny tanjon'ity tetikasa madinika ity dia mazava ho azy fa ny mamantatra ireo fironana amin'ny famoretana nomerika mandritra ny fotoana ary manasongadina ireo olana hafa izay matetika tsy taterin'ny fampahalalam-baovao mahazatra.

Mifototra amin'ny tabilaon'ny Google [2] izay nomeko ho an'izay rehetra mila izany ny lahatahiry voaangona nampiasaina ato amin'ity fitantarana Dipity [3] ity.

Afaka mijery sy manitsy izany tsy mila kaonty ny olona rehetra. Azo alaina amin'ny endrika tahiry .xls na karazan-drakitra hafa ity vaovao ity, ary azo ampiasaina hamoronana fitantarana, sarintany ary karazana endrika lahatahiry hafa. Azo ampiasaina ho fitaovana hiarahana miasa hanaraha-maso ireo karazana hetsika lehibe ihany koa izy.

Noho izany miangavy anao mba hanampy anay hanangona izany vaovao manan-danja izany ary hanavao tsy tapaka ny fizotry ny tranga . Mandehana ao amin'ity tabilao Google [2] ity ary ampidiro ireo hetsika tsy mbola ao.