Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nepal: Fanavaozam-pifantohana eo amin'ny fifandraisan'i India sy i Nepal

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Taorian'ny fitsidihana nataon'ny olona roa ambony, S.M Krishna Minisitry ny raharaham-bahinin'i New Delhi sy Deepak Kapoor Lehiben'ny tafika, noresahana indray tao amin'ny bilaogy Indiana sy Nepaley ny fifandraisan'i India sy i Nepal.

Pragoti, blaogy indiana ankavia, miresaka momba ny “fahitana marina ara-tsiantifika ho an'ny fifandraisana India-Nepal“, nanamafy fa mety hihatsara ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta raha miezaka mafy amin'ny politika raharaham-bahiny mandala ny fandrosoana i India.

“As long as the Nepali Maoists continue to rely on the Nepali people to democratically stake their claim to power and also to implement their stated programme, the Indian ruling establishment can not offer the logic that the Nepali Maoists are in cahoots with the insurgent Indian Maoists. And as long as there is enough pressure on the Indian ruling establishment by progressive, left and democratic forces to address the grievances and concerns, the prospects of a progressive foreign policy are very much alive. That would require that the democratic-minded people in the country should be strengthened in their fight against the violent and murderous insurgency spearheaded by the Indian Maoists in places like West Bengal, ….”

“Raha mbola miantehitra amin'ny vahoaka Nepaley ny Maôista Nepaley mba hilaza amin'ny fomba demokratika ny fitakian'izy ireo ny fahefana sy hampihatra ny fandaharan'asan'izy ireo efa nambara, dia tsy afaka manome ny lojika ny fitondrana Indiana fa miray tsikombakomba amin'ireo Indiana mpikomy Maoista ireo Nepaley Maoista. Ary raha mbola ampy ny fanerena ataon'ny hery liam-pandrosoana – ankavia sy demaokratika eo amin'ireo ao anatin'ny rafi-pitondrana Indiana mba hamahana ny fahavoazana sy ny ahiahy, dia tena velombelona ny vinavinan'ny politikam-bahiny liam-pandrosoana. Mitaky izany fa tokony hamafisina amin'ny tolon'izy ireo manohitra ny herisetra sy ny fikomiana mamono olona ataon'ny Indiana maôista ao an-toerana tahaka ny ao Bengal Andrefana ny vahoaka manana saina demaokratika ao amin'ny firenena  … “

Manahy momba ny Maoista i India, olana hafa izay mampiseho aloka ratsy eo amin'ny fifandraisana India-Nepal ny olana momba ny sisintany. Nisy ny fanendrikendrehana an'i India ho misalovana ny tany Nepaley. Manasongadina tafatafa niarahana tamin'i Buddhi Narayan Shrestha, Tale Jeneraly teo aloha tao amin'ny Departemantan'ny Fikarohana (Nepal) momba ity olana ity ny United we blog for democratic Nepal , izay nanehoan'ity Tale Jeneraly ity ny sasantsasany manokana momba ny fifandirana:

“The pillars, which were erected as per the Survey Map of British India, were not found in their location. For example, pillar no 708 at Kauwakhera of Lalboji VDC of Kailali district was found to be 30 metres inside Nepal. But both the local residents and the visiting CA committee concluded that this could have happened because of the change of course of the Mohana river. Secondly, we found some subsidiary (minor) pillars missing. For example, new pillars numbered 407/1, 2 and 3 between Bhajani and Lalbhoji VDC of Kailali district were not found. In other cases, the minor pillars have been broken. Similarly, the 182 maps show half-km no-man’s land on either side of the border. But no-man’s land was not found in places like the Pyaranala area of the Parasan VDC in Kanchanpur district. At some places the Indian side had encroached upon Nepali territories. In other places, Nepal had encroached upon the border. ….”

“Tsy hita teo amin'ny toerana nisy azy ny andry, izay natsangana araka ny Saritany Fikarohana Britinika India. Ohatra, ny andry laharana 708 ao Kauwakhera ao Lalboji VDC ao amin'ny distrikan'i Kailali dia hita 30 metatra ao anatin'i Nepal. Saingy samy nihevitra ny mponina eo an-toerana sy ny komitin'ny fitsidihana CA fa mety nitranga noho ny fiovan'ny reniranon'i Mohana izany. Faharoa, nahita izahay fa tsy hita ireo andry (kely) fanampiny. Ohatra, tsy hita ireo andry vaovao nomena laharana 407/1, 2 sy 3 eo anelanelan'i Bhajani sy Lalbhoji VDC ao amin'ny distrikan'i Kailali. Amin'ny tranga hafa, notapahana ireo andry madinika. Tahaka izany ihany koa,  mampiseho antsasa-kilometatra tsy misy olona eny amin'ny sisin'ny sisintany ireo sarintany 182. Saingy tsy nahitàna tany tsy misy olona kosa teo amin'ny toerana tahaka ny faritra Pyaranala ao amin'ny VDC Parasan any amin'ny distrikan'i Kanchanpur. Tany amin'ny toerana sasantsasany, nisalovana ny faritany Nepaley ny faritra Indiana. Tany amin'ny toerana hafa, nihoatra ny sisintaniny i Nepal. …. “

Nilaza Atoa Shrestha fa amin'ny toe-javatra sasany, nanitsaka ny tany Indiana ihany koa i Nepal, saingy tsy nahasarika firy ny ampahan'ny fifandirana hatramin'izao. Ny Maôista no mitarika ny fiampangana an'i India amin'ny resaka sisintany, miantso fifampiraharahana indray momba ny Fifanekem-pihavanana 1950 eo amin'ireo firenena roa tonta koa izy ireo.

Tamin'ny taona 2008, navoaka tao amin'ny The Hindu ny resadresaka nifanaovana tamin'ny mpitarika Maoista Pushpa Kamal Dahal (Prachanda), izay niresahana momba ny fifanarahana. Nanadihady ny resadresaka ireo bilaogera ao amin'ny bilaogy Gazetim-pirenena Shinoa (CBCNN) ao Chennai ary naneho hevitra momba ny filazan'i Prachand'a fa tsy misy zavatra atahoran'i India amin'ny fitomboan'ny finamanan'i Nepal-Shina:

Maoist leader Prachanda, Image via Wikipedia

Mpitarika Maoista Prachanda

“The idea that Chinese penetration of Nepal ought not to be of much concern because China does not need that country to create problems for India is laughable. Political and military strategists look at advantage, not bare necessity – China does not need Burma either but it has nevertheless established military bases in that country and is said to be actively monitoring Indian Naval activities from there. The U.S. sought transit facilities from Turkey to launch its invasion into Iraq again not because it was required – they achieved their objectives without it anyway – but because it would shorten the campaign and would have potentially made it easier. The same is equally true in case of Chinese interest in Nepal – it would be the height of folly for India to plan its own strategy based on whether China needs Nepali support to confront India.”

“Mampihomehy ny fiheverana hoe tsy tokony hiahiahy loatra amin'ny fidiran'i Shinoa ao Nepal satria tsy mila izany firenena izany i Shina mba hampisy olana ho an'i India. Mijery tombontsoa, fa tsy ny filàna ihany ireo mpametraka paikady ara-politika sy ara-miaramila – tsy mila an'i Birmania i Shina saingy mbola nanangana toby miaramila tao amin'io firenena io izy ary voalaza fa manara-maso akaiky ny hetsiky ny sambo miaramila Indiana ao. Nitady toerana fiampitàna miala ao Torkia i Etazonia mba hanomboka indray ny fanafihany an'i Iraka, tsy hoe notakiana izany – nahatratra ny tanjony izy ireo na dia tsy nisy aza izany – fa satria mety hanafohy ny fanentanana izany ary mety hanamora zavatra kokoa. Toy izany ihany koa ny mikasika ny tombotsoan'ny Shinoa any Nepal – ho hadalan'i India ny manomana ny tetikadiny manokana mifototra amin'ny hoe mila ny fanohanan'ny Nepaley i Shina mba hiatrika an'i India. “

Miharihary fa misy fiantraikany amin'ny fifandraisany amin'i India ny korontana ara-politika any Nepal. Amin'izao fotoana izao, mampiasa ny fifandirana amin'i India ireo antoko politika samihafa mba hanohizana ny teti-panorony; manantena fa raha vao mihoatra ny fefy ny rano, dia hotarihan'ny tombontsoa iombonana sy ny fifampitokisana ny fifandraisan'i India sy i Nepal.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.