- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ogandà: Ny Fomba Nampiasan'ny RootIO Ny Siny Hanjary Fampielezampeo

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Rising Voices

Sary natolotra ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy

Tetikasa iray an'ny Wits Journalism sy ny Tshimologong Digital Innovation Precinct iarahan'izy ireo miasa amin'ny fikambanana Mpanao Gazety Momba ny Zon'Olombelona ao amin'ny Anjerimanontolo Ryerson no resahan'ity lahatsoratra nosoratan'i Tshepo Tshabalala avy ao amin'ny “Laboratoire de Journalisme et Médias (jamlab.africa [1])” ity. Nahazoana alàlana ny famerenana mamoaka azy etoana. Azo vakiana ato [2] ny lahatsoratra niaingàna.

Manerana ny ampahany marobe amin'ny tanibe Afrikàna, ny fampielezampeo no fitaovana media matanjaka indrindra ary mbola mijanona ho izay hatreto. Tsy hoe ampiasaina fotsiny hizaràna vaovao ny fampielezampeo eny anivon'ny vondrom-piarahamonina, fa koa mora sy afaka ihoriranana tsara.

Ao Ogandà, niteraka fiforonana boatim-pitaovana manana loharano misokatra [3] matanjaka sy mora vidy ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mamorona ny foiben'onjampeo kely ho azy ireo manokana ny fampitambarana ny tanjaky ny fampielezampeo sy ny teknolojia vaovaon'ny finday ary ny aterineto. Ny zavatra rehetra ilaina amin'ìzany dia finday avo lenta iray sy fanapariahana feo tsy dia lafo loatra, ary vondrom-piarahamonina hizaràna, hampiroboroboana ary hiaraka hiasa amin'ny famokarana votoaty mavitrika.

Ny antsoiny hoe fifandraisana/fifaneraseran'ny vondrom-piarahamonina no asa ifotoran'ny tetikasa RootIO [4]. Chris Csikszentmihalyi [5], mpiara-nanangana azy, dia milaza fa hevitra teraka taorian'ilay horohorontany tany Haiti tamin'ny 2010 [6] [fr] no niaingàna, rehefa havadik'ireo foiben'onjampeo FM ny fandaharan-dry zareo mahazatra ho lasa fandaharana momba ny fomba atao hanampiana ireo sisampaty tamin'ilay horohorontany mba hahazoana fanampiana na rano. Teo amin'ny herintaona sy tapany taty aoriana, niasa ho an'ny Tahirin'ny Firenena Mikambana Misahana ny Ankizy [7] [fr] (UNICEF) tao Ogandà i Csikszentmihalyi, tao anatin'ny fandaharanasa iray momba ny fanabeazana. Nahagaga azy ny fomba nampiasàn'ireo Ogandey ny finday – tsy dia ho an'ny antso loatra.

“Any amin'ireo faritra ambanivohitra, elabe ny olona vao mampiditra fahana na tsy manisy mihitsy ao anatin'ny findain-dry zareo ary mifanindran-dàlana amin'izay anefa, mihaino fampielezampeo 24 ora mandritra ny herinandro manontolo ry zareo”, hoy izy. Tao amin'ny vohitra nivantanako, mandeha 7 km ny olona mba hamahana ny vatoaratry ny findainy, hampiditra fahana sy handefa fotsiny antso iray. Tsy ho mirehitra foana akory io zavatra io, fa rehefa ilain-dry zareo ihany. Nieritreritra aho fa misy fonba iray afaka hampifamenoana ireo fomba fampiasa roa ireo izay tsy mbola nataon'ny olona tany aloha tany.”

Siny fampielezampeo RootIO. Sary natolotra ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Fony izy mbola tao amin'ny UNICEF, nihaona tamin'i  Jude Mukundane [8], izay niasa tamin'izany fotoana izany ho an'ny Uganda Telecom [9], [10] nanampy azy hametraka ny firaketana fahaterahana amin'ny alàlan'ny finday, ho an'ny governemanta ogandey, fiarahamisa tamin'io sampana io ihany. Nahavitra zavatra mahaliana tamin'ny finday i  Mukundane, tamin'ny fampiasàna ny Tolotra fanampiny fandefasana angona tsy misy lamina (USSD [11]). “Nandramako ny nandray azy ho mpiasa … ary herintaona teo ho eo taorian'izay, vonona ny hanao zavatra izy”, hoy i Csikszentmihalyi.

“Niaraka, niteny izahay fa mila manova ny fampielezampeo ary manao izay hampandeha tsara azy io amin'ny finday, manamora ny fiarahany miasa ho an'ny olona. Ary teo no namoronanay ny RootIO », hoy i  Csikszentmihalyi.

Mukundane no lasa tele teknika, ary i Csikszentmihalyi kosa nifantoka tamin'ny fanangonana ny vola ankoatra ireo andraikiny hafa.

“Izaho no miantoka ny hoe mifanaraka amin'ny zavatra nampanantenainay an'ireo vondrom-piarahamonina ny teknolojia”,hoy izy.

Tandroky (antenne) ny RootIO tao amin'ny vohitra iray ao Ogandà. Sary natolotra ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Ny teknolojia resahany dia izay ahafahana manao ireny fampielezampeo ireny ho tsy manan-tsahàla. Tsy manana foiben'onjampeo ry zareo ray ny fandaharana rehetra dia vokarina amin'ny alàlan'ny smartphone an'ny mpanentana.

Ahoana no fandehany ? Ireo mpampiasa dia afaka mividy ny ankamaroan'ny zavatra rehetra ilaina eny an-tsena ao an-toerana [12]. Araikitra ao anaty siny iray matevina nasiana tangolimihodina (ventilo) ny fitaovana kely iray fanapariahana feo, asiana mpifehy ny fahana sy smartphone iray mifandray aminà tandroka sy takelaka fahanan'ny masoandro.

Tena bitika tokoa ireo foibe fampielezampeo ary afaka manome fahafahampo ho anà vohitra iray na vohitra vitsivitsy misy mpihaino eo amin'ny 10.000 eo. Alefa amin'ny rahona (cloud) ny votoaty vokarin'ireo mpanentana ao amin'ny onjampeo, izay ahafahan'ireo fampielezampeo mifampizara votoaty izy samy izy koa.

“Miantso ilay fampielezampeo sy ilay mpanentana fandaharana ny solosaina ato aminay … Mamaly tsy baikoana [13] ny telefaona ao amin'ilay foibe fampielezampeo rehefa tonga ny ora fandefasana fandaharana. Miantso ireo mpihaino te-handray anjara amin'ny resadresaka ao anaty fandaharana, saingy mahita fa hoe mbola miasa ny ao, avy eo mamerina miantso azy ireo ny solosaina. Araka izany, tsy misy vola aloan'ny olona, hoy i Csikszentmihalyi.

Tsy misy olona mandoa vola noho ny antso an-telefaona natao ny ao anatin'ilay vondrom-piarahamonina. Mividy fahana maro ho an'ny fampitàna angona ny RootIO, amin'ny vidiny maka maro fanao ho an'ny orinasa, izay ahazoana fihenambidy 50 isanjato raha mitaha amin'ny mety hividianan'ny hafa azy ao anatin'ny vondrom-piarahamonina. Ny famarotana dokambarotra atao miaraka amin'ireo ONG sy orinasa no manentsika ny saram-pihodinan'ny RootIO.

Ekipa efatra no nanombohan'ilay foibe, taona roa lasa izay. Ankehitriny izy dia misahana ny fitantanana foiben'onjampeo 12 hatramin'ny 15 hafa any atsinanan'i Ogandà, any amin'ny sisintany iraisany amin'i Kenya, ary dimy hatramin'ny fito ihany koa vao avy nafaran'i Cap-Vert.

Andry iray an'i RootIO ao Ogandà. Sary natolotra ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Csikszentmihalyi manampy hoe tena manao izay azony atao mihitsy izy mitàntana ny RootIO. Na ireo rindrambaiko ampiasainy aza dia ireny maimaimpoana ireny ary mampiasa ny loharano misokatra ao amin'ny GitHub [3] sady na iza na iza dia afaka mitroka ho ao anaty findainy sy mampiasa ilay fampiàsa avokoa.

Antenain'i Csikszentmihalyi sy Mukundane ny hanorina foibe fampielezampeo FM manana tanjaka ambanimbany ary amin'ny sandany mirary mba hanomezana ny fifehezana ny FM ho an'ireo olona miankina betsaka amin'ny fampielezampeo.