Bitsibitsika Afghan: ny mpitsoa-ponenana, ny mpitarika ady sy ny fitaizana zaza kamboty

(Tamin'ny 25 Mey 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Bilaogera Afghana maromaro no niresaka momba ny fanapahan-kevitry ny governemanta Iraniana amin'ny fandroahana ireo mpitsoa-ponenana Afghan ho any Afghanistan. Efa nonina nandritra ny taona maro tao Iran ny sasany tamin'ireo mpitsoa-ponenana ireo. Mampiseho izany ao amin'ny sarinay i Marine Gustavson, avy ao amin'ny ONG Parsa. Azonao jerena ato ny sary maromaro.

Niantso ny vokatry ny fandefasana miverina ireo olona an'arivony ho olana ho an'ny firenena ny governemantan'i Afghanistan. Ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Afghana Rangeen Spanta dia nangataka an'i Iran hampitsahatra ny fandroahana satria vao maika hanasarotra ny krizy any Afghanistan izany.

Sahirana ny mpitsoa-ponenana Afghan

Nanakiana an'i Ali Khamenei, mpitarika ny Repoblika Islamika ao Iran i Habib Peyman. Nilaza ilay bilaogera fa nahatsiaro ny mpitarika tao Iran izay nanakiana ny fihetsiky ny Amerikana momba ny gadra tany Guantanamo izy. Avy eo nilaza ny fanapahan-kevitry ny governemanta Iraniana amin'ny fandroahana ireo mpitsoa-ponenana Afghan ratsy kokoa noho ny hetsiky ny Amerikana tany Gutanamo ilay bilaogera. Nilaza izy fa nisy Afghana sasany noraofina raha mbola nividy mofo iny izy ireo ary nalefa niverina tany amin'ny fireneny.

afghansrefugees.jpg

Nilaza i Dialogue 3 fa ny tsy famelan'ny governemanta Afghan ireo oniversite sy orinasa Iraniana hiasa tany Afghanistan no antony fototra nahatonga ny fanapahan-kevitry ny Iraniana. Nikasa ny hanasonia fifanekena momba ny fandriampahalemana niaraka tamin'i Afghanistana i Iran saingy nandà izany ny governemanta Afghan hoy hatrany ilay bilaogera nanohy. Nihevitra i Dialogue 3 fa nandray io fanapahan-kevitra io noho ny torolalan'ny Amerikana ny governemanta Afghan.

Tsy misy famotsoran-keloka ho an'ireo mpitarika ady

Manohitra ny famotsoran-keloka ho an'ireo mpitarika ady i Afghan Lord. Hoy izy

if the US and International community want to bring peace and prosperity in Afghanistan they should implement a cleared strategy against gangs of warlords and drug traffickers. The warlords should be taken to the war criminal court in The Hague and punished.
In order to bring peace and normality to Afghanistan, the criminals should be sent to court.If the US and its alliance want to have support, they should sympathize with Afghanistan’s victims of war. If the Mujahideen (holy warriors) will not be punished, this country won’t gain peace and prosperity.

raha mikasa ny hitondra filaminana sy fampiroboroboana any Afghanistan ny Amerikana sy ny vondrona iraisam-pirenena dia tokony hampihatra paikady mazava izy ireo manoloana ireo mpitarika ady avy amin'ny andian-jiolahy sy mpanondrana rongony antsokosoko.  Tokony hoentina any amin'ny fitsarana ady heloka bevava any La Haie ary saziana ny mpitarika ady.
Mba hitondrana ny fandriampahalemana sy ny fampandehanan-draharaha ao Afghanistan, tokony halefa any amin'ny fitsarana ireo mpanao heloka bevava. Tokony hiandany amin'ireo niharamboina tamin'ny ady tao Afganistana ny Amerikana sy ny mpiardia aminy raha te hahazo fanohanana. Tsy hahita fandriampahalemana sy fandrosoana ity firenena ity raha tsy hotsaraina ny Mujahideen (ireo mpiady masina).

Ny fitaizana zaza kamboty

Namaky momba ny taratasy miresaka ny trano fitaizana zaza kamboty izay nalefa ho an'ny Minisitra lefitra isika ao amin'ny bilaogy Parsa Kabul:

we submit the following reports documenting the conditions at the orphanage in an effort to initiate an investigation of the conditions of the orphanages in Afghanistan and the management systems in place. We do this not to create problems but to assist in the clarification of the problems so that you and your staff can take effective action. We do not consider this a poor reflection on this ministry. All countries struggle to care for their most vulnerable people appropriately. These conditions are understandable in the current struggle to develop Afghanistan. What is not tolerable is to know about these conditions and to not investigate and address the issues so that the children under your care have the quality of life they are entitled to. We have confidence that you and this network will do so expeditiously.

Manolotra ireto tatitra manaraka ireto mikasika ny fepetra iainana ao amin'ny trano fitaizana zaza kamboty izahay mba hanaovana ezaka hanombohana fanadihadiana momba ny zava-misy ao amin'ny trano fitaizana zaza kamboty any Afghanistan sy ny rafitra fitantanana ao an-toerana. Tsy hoe mamorona olana akory izahay raha manao izany, fa mba hanampiana amin'ny fanazavana ny olana ary ahafahanareo sy ny mpiara-miasa aminareo mandray andraikitra mahomby. Tsy mihevitra izany ho fisainana ratsy izahay ato amin'ity minisitera ity. Mitolona ho amin'ny fikarakarana ny vahoakany marefo indrindra amin'ny fomba mendrika ny firenena rehetra .  Azo takarina ireo zava-misy ireo ao anatin'ny tolona miseho hampivoarana an'i Afghanistan. Ny tsy azo leferina dia ny mahafantatra momba ireo zava-misy ireo kanefa tsy manao fanadihadiana sy mamaha ny olana mba hananan'ireo ankizy eo ambany fiahianareo ny fiainana mendrika azy ireo. Manana fahatokiana isika fa hanao izany faingana ianao sy ity tambajotra ity .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.