Kazakhstan: Adin'ny Media

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2007)

Raha mbola mitohy mihodina ny raharahan'i Rakhat Aliyev, ary mbola tohizan'ilay ambasadora teo aloha sady vinantolahin'ny filoha ny filàny vaniny amin'ireo manampahefana ao amin'ny firenena, amin'ny alàlan'ny fandefasana zavatra manaratsy, isan'izany ny famoahana ireo fandraisana feo tsy ara-dalàna ny resaka an-telefaona nifanaovan'ireo manampahefana ambony, sy ireo tranonkala maromaro voabahana tato ho ato tao Kazakhstan. “Tsy nisy fanazavana natolotra momba ireo fanivànana”,  hoy ny tatitr'i mantrov

Lazain'i weathercock, bilaogera iray teraka tao Kazakhstan, monina amin'izao fotoana izao any Aostralia, fa manana “fanehoankevitra iray toy ny soritraretina izy manoloana ireo faneriterena ny fahalalahana maneho hevitra ao anatin'ny habaka taorian'ny vaninandro Sovietika, indrindra fa ao  Kazakhstan” ary raisiny an-tànana mihitsy ny famerenana mandefa ireo kompromats voasivana“, na dia noho ny natiorany mahate-ho tia fotsiny aza”. “Aiza ianareo no mety hahita firenena iray ka toy ny firesaky ny andian-jiolahy Amerikàna tamin'ny 1930 no fomba firesak'ireo manampahefana ambony ao aminy”, hoy izy manamarika.

Mandritra izany fotoana izany, tsy dingana farany amin'ny fihetsika tafahoatra ataon'ny governemanta akory ny fibahanana ireo tranonkala nohamavoina – tamin'ny herinandro lasa, nanao bemidina tany amin'ireo ireo gazety tsy miankina marobe ny polisy sy ireo sampana mpandrindra, tao anatin'izay heverina ho andrana mibaribary hanakànana ny famoahan-dry zareo. Vokany, voasakana tsy navela hiditra tamin'ny trano manonta printy ny sasany tamin'izy ireo ary dia tsy hita tamin'ny endriny vita printy. Fotoana fohy taorian'izay, nivory niaraka tamin'ny Minisitry ny Fampahalalambaovao, Yertysbayev, ny toniandahatsoratr'ireny gazety ireny.

Araka ny fampahafantaran'i sarimov, natao handravonana ny fifandirana ilay fihaonana – tsy te-hahita tantara ratsy hafa ifandonana amin'ny mpanao gazety ireo manampahefana, nefa tsy liana loatra koa amin'ny fandefasana ireo zavatra manaratsy ny governemanta sy ny filoha. “Tsotra ireo fepetra napetraky ny minisitra: atsaharo ny famoahana ireo poritsaka avy amin'ny resak'i Aliyev dia tsy hisy olana na kely aza amin'ireo trano fanontàna.  Fifanoheran-javatra mahafaty”, hoy ny famintinan'i sarimov .

Na izany aza, toa tsy manana safidy ihany ireo gazety, afa-tsy ny manaiky ireo fepetra – mahno-mactep miantso ilay fifanekena ho “fifananarahana fandriampahalemana maharikoriko”. Mandritra izany, i Joshua Foust manolotra topimaso iray momba ireo fivoaran-draharaha vao haingana eny anivon'ny tontolon'ny mediam-bahoaka ao amin'ny faritra Azia Afovoany, amin'ny fanomezana ny lisitr'ireo tranganà mpanao gazety nisy namono tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa.

[Mankamin'ny teny Rosiana daholo ny ankamaroan'ny rohy rehetra]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.