- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Namidy tamin'ny orinasan'ny fifandraisana amin'ny daholobe miasa ho an'ny antokon'ny fitondrana ny tranonkalam-baovao mahaleotena farany ao Kambodza

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
[1]

Sary fonon'ny pejy Facebook Phnom Penh Post

Tonian-dahatsoratra sy mpiasa mpitati-baovao maromaro tao amin'ny Phnom Penh Post ao Kambodza no nametra-pialana [2] taorian'ny fanehoana ahiahy fa hanohintohina ny fahaleovantenan'ny famoahan-dahatsoratra ny fivarotana ity gazety 26 taona ity tamin'ny tompon'andraikitra malayziana iray misahana ny fifandraisana amin'ny daholobe.

Vao haingana ny Phnom Penh Post [3] no novidian'i Sivakumar S Ganapathy, tale mpitantana ny orinasa ASIA PR ao Malezia.

Namoaka lahatsoratra milaza ny vaovao [4] famarotana ireo mpiasa tao amin'ny Phnom Penh Post, izay namariparitra ny mombamomba ny orinasa sy ny tombontsoan'ny ASIA PR ary nilaza fa eo am-pamaranana tetikasa antsoina hoe “fidiran'i Kambodza sy Hun Sen ao amin'ny sezan'ny  Governemanta” [5]ny orinasa.

Toa notontosaina tamin'ny anaran'ny Praiminisitra Kambodziana ankehitriny, Hun Sen, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny telopolo taona ny tetikasa. Tsy manome antsipiriany momba ny tetikasa ny tranokalan'ny ASIA PR.

Nangataka [6] tamin'ny lehiben'ny famoahana, Kay Kimsong, mba hanaisotra ny lahatsoratra ny solontenan'ny tompon'ny gazety vaovao, milaza fa ahitana “hadisoana” ny lahatsoratra.

Tsy nanaiky nanaisotra ilay lahatsoratra i Kay Kimsong ka voaraoka  [7]vokatr'izany. Nametra-pialàna ihany koa avy eo ireo tonian-dahatsoratra sy ireo vahiny mpitati-baovao hafa ho fanoherana izany.

Vetivety teo dia nesorina tao amin'ny tranonkala ilay lahatsoratra saingy voatahiry [8] sy nivoaka indray [9] tamin'ny aterineto izany.

Niditra media sosialy ireo tonian-dahatsoratra vao avy nametra-pialàna tao amin'ny Phnom Penh Post mba hilaza fa manohintohina ny fahalalahan'ny gazety ao Kambodza ny politikan'ny famoahana vaovao apetraky ny fitantanana vaovao.

Teny fanombohana Alatsinainy avy amin'ny EIC Kay Kimsong teo aloha: “Faly aho androany mitantana ny pejy voalohany. Heveriko fa izany no asa fanaovana gazety – milaza ny marina no asan'izy ireo. Tsy manaiky ny marina ny tompony “

Voaraoka ny lehiben'ny tonian-dahatsoratray noho izy nitsangana ho amin'ny fahaleovantenan'ny asa fanaovan-gazety ary tsy nanaiky hanaisotra lahatsoratra iray milaza ny momba ny mpamoaka ny vaovaonay [tompon'ny gazety]. Nametra-pialàna ihany koa ny efatra hafa.
Andro mafy ho an'ny fahalalahan-gazety eto Kambodza.

Taorian'ny adihevitra naharitra ora maro niarahana tamin'ireo tompon'ny @phnompenhpost [14] vaovao, nametra-pialàna ihany koa ireo vahiny mpiasa fito hafa, anisan'izany ny tenako. Ao anatin'izany toe-draharaha izany, mahatsapa izahay fa simba mankany amin'ny tsy azo ekena ny fahaleovantenan'ny zotran-dahatsoratray.

Rehefa avy nomen'ny fitantanana vaovao baiko hanaisotra ny tantara momba ny fivarotana ny Phnom Penh Post ao amin'ny tranonkala, tsy nety aho ary nametraka fialàna, izay nekena avy hatrany. Maniry ny tsara indrindra ho an'ireo mpanao gazety mahatalanjona mbola miasa ao amin'ny The Post aho.

Nanome baiko anay mba hanaisotra lahatsoratra manazava amin'ny antsipirihany momba ny fivarotana ny gazety ny tompon'ny @phnompenhpost [14] vaovao. Tsy hiverina hiasa ao amin'ny The Post intsony aho. Sahiran-tsaina aho manoloana ny tsy fahafahana miasa isan'andro miaraka amin'ireo mpanao gazety sasany mahafinaritra indrindra fantatro. Mirary soa ho azy ireo aho.

Fito fanampiny izahay no nametra-pialàna androany tao amin'ny @phnompenhpost [14], anisan'izany ny tenako, malahelo aho milaza izany.

Mahatsiaro tanteraka ireo Khmer mpiara miasa aminay izahay, izay miasa ao amin'ny the Post na fampahalalam-baovao hafa mahaleotena nandritra ny folo taona ny sasany tamin'izy ireo. Andro manjombona ho anay rehetra izany, indrindra ho azy ireo. Misy ny fanontaniana momba ny mangarahara amin'ny fitateram-baovao

Tian'ireo mpampiasanay vaovao hahafantatra izahay fa momba izay mitranga ara-bakiteny ihany ny asa fanaovan-gazety. Fa tsy mila fanadihadiana, tsy mila milaza ny tokotany isehoan'ny trangan-javatra ary tsy mila miditra lalina loatra.

Tranonkalam-baovao mahaleotena farany tao Kambodza

Ny Phnom Penh Post no sokajiana fa hany tranonkalam-baovao matihanina sy mahaleotena indrindra ao Kambodza hatramin'ny nanakatonan'ny governemanta ireo onjam-peo am-polony noho ny hetra sy ny olana momba ny fahazoan-dalana tamin'ny taona 2017. Voatery nikatona [22] ny Cambodia Daily, gazety amin'ny teny Anglisy mpivoaka isan'andro rehefa nasaina nandoa hetra lafobe.

Nampanahy [23] ireo vondrona marobe tahaka ny mpanohitra ara-politika ny fivarotana ny Phnom Penh Post tamin'ny orinasa iray. Maro ireo matahotra fa hanakana ny tsikera sy ny fahalalahan'ny gazety ao amin'ny firenena izany.

Nitranga tao anatin'ny fotoana nanagadrana ireo olona manana fijery mifanohitra amin'ny fitondrana izany, miatrika fanenjehana ara-pitsarana ny antokon'ny mpanohitra, ary voampanga ho manafoana ny fahahalalam-pitenenana alohan'ny fifidianana ankapobeny ho avy i Hun Sen.

Nanome voninahitra ny Phnom Penh Post i Chak Sopheap avy ao amin'ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao Kambodza no sady nanasongadina ny fidirana [24] amin'ny fanovana ny fahamarinana sy ny fahaleovantenan'ny famoahan-dahatsoratry ny gazety:

It is difficult to overestimate the crucial role that the Post has played in Cambodia over the years. It has consistently spoken truth to power, fearlessly exposed corruption, and unflinchingly held a mirror to Cambodian society – often revealing uncomfortable truths.

Cambodian democracy and its pillars – press freedom and civil society – lie in ruins.

Sarotra ny mandoka loatra ny andraikitra lehibe noraisin'ny Post tao Kambodza nandritra ny taona maro. Nilaza ny marina hatrany tamin'ny fahefana izy, tsy nitsahatra nampiseho izay kolikoly ary fitaratra ho an'ny fiarahamonina Kambodziana – matetika maneho ny marina tsy mampahazo aina.

Mitoetra eo amin'ny faharavana ny demaokrasia Kambodziana sy ny andriny – fahalalahan'ny gazety sy ny fiarahamonim-pirenena.