Rehefa avy ny orana ao Santiago-n'i Shily

(Marihina fa tamin'ny 9 Jona 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mampiseho antsika ireo mpanangon'orana ao an-drenivohitra i Pancho Cornejo ato amin'ny sary [efa tsy eo intsony].

Tondraky ny rano ny antsasaky ny renivohitra Santiago raha vao avy ny orana. Iray amin'ireo antony lehibe indrindra mahatonga izany dia nanimba ny tatatra voajanahary nitroka ny rano voaangona eny an-tendrombohitra mankany an-dranomasina ny tany ao an-drenivohitra. Koa miandrona eny an-dalambe noho izany ny rano. Maneso ny vokatry ny orana ny lohatenin'ny lahatsoratr'i Sebastián hoe  “Fa nahoana ity vaovao goavana ity?”, aleo ho fantarintsika ny fihetsiky ny olom-pirenena. Manazava ny antony toy izao izy “Voalohany: satria tsy nisy ny orana tao anatin'ny herintaona mahery ary tsy nahazo izany isika. Faharoa: ny fandotoana. Lohasaha i Santiago ary ny orana no hany fomba hanadiovana ny rivotra satria tsy misy rivotra mitsoka mafimafy aty amintsika. Fahatelo: Satria tsy manana drafitra famoahan-drano i Santiago ary tondraka ny rano rehefa avy ny orana “. Hoy i Margot  raha nanoratra hoe  “nilaza izy ireo fa potika ny fantsona fanarian-drano noho ny loto vokatry ny ravin-kazo sy ny fako ary izany no naha-tondraka ny tanàndehibe”. Nilaza  ny “Regions sin Fronteras”  fa voakasiky ny tondra-drano ny fihaonan-dàlana ao an-drenivohitra ary nampahatsiahy ny tafiodrivotra tany atsimon'ny firenena izay naha-lasibatra mponina miisa 631 ihany koa izy. Nanakaiky ny 2000 ny isan'ireo niharam-boina hoy i El Mercurio .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.