- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Mandraisa andraikitra ao amin'ny vondrom-piarahamoninao': Mandrisika ny fikatrohana mafy kokoa ny vehivavy Amerikana miady hijoroan'ny rariny

Sokajy: Karaiba, Etazonia, Jamaika, Foko sy Fiaviana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Ilay Amerikana  mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, ​​Katrina Johnson, mitafy t-shirt misy ny tenirohy #LazaonyAnarany. Anisan'ny fanentanana lehibe nataon'ny Amnesty International (fampiasana ny tenirohy iray hafa, #MijoroHoAn'nyRarinyIzy), izay misarika ny saina momba ny olana amin'ny herisetra ataon'ny polisy sy ny vono an'olona tsy mandalo fitsarana any Amerika. Saripikan'i Mario Allen, natolotry ny Amnesty International, nahazoana alalana.

Ity no fizarana farany amin'ny andian-dahatsoratra telo izay nahitana ireo vehivavy telo – avy any Jamaika, Brezila ary Etazonia – nivondrona mba hanasongadina ny olana momba ny herisetra ataon'ny polisy sy ny famonoan'olona tsy mandalo fitsarana any Amerika, miaraka amin'ny tenirohy # MijoroHoAn'nyRarinyIzy. Nitsidika an'i Kingston, Jamaika vao haingana izy ireo mba hizara ny eritreriny taorian'ny nahafatesan'ny fianakaviany iray. Vakio eto ny fizarana voalohany [1] ary eto ny fizarana faharoa [2] [mg].

Tamin'ny volana Martsa 2018, nitsidika an'i Jamaika i Katrina Johnson mponina ao Seattle, Washington, niaraka tamin'ny mpikatroka Breziliana Ana Paula Oliveira sy zanak'i Shackelia Jackson teraka tao Kingston nandritra ny fanentanan'ny Amnesty International izay notohanan'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ao an-toerana Jamaikana ho an'ny Rariny [3].

Nomena anarana hoe “Ny Dia ho an'ny Rariny any Amerika”, nifantoka tamin'ny olana ara-pitsarana miorim-paka, ara-tsosialy sy ara-psikolojika izay hatrehan'ny fianakaviana maro taorian'ny namonoan'ny polisy ny havany ny hetsika. Ankoatra ny vesatry ny fahoriana noho ilay fahafatesana dia matetika mahatsapa ireo fianakaviana izay ao anatin'ny hakiviana fa sarotra sy manahirana ny ady mba ahazoana valiny ara-drariny avy amin'ny rafi-pitsarana .

Nanamarika i Johnson [4] fa nesorina tamin'ny andraikiny ireo polisy tompon'andraikitra fotoana fohy taorian'ny nahafatesan'ny mpiray tampo aminy. Nisy ny fanadihadiana natao taorian'izay, saingy talohan'ny nahavitan'izany dia nilaza taminy ny mpampanoa lalàna fa tsy voampanga ireo manamboninahitra. Ao amin'ny fanjakan'i Washington, rehefa manambara ny mpitandro ny filaminana fa matahotra izy ireo noho ny fiarovana ny ainy dia efa ampy amin'ny fanafoanana ny fanenjehana azy ireo izany. Nilaza ireo mpanao fanadihadiana fa mety nitazona antsipika ilay mpiray tampo aminy izay vehivavy kely iray niantso ny 911 mba hitatitra ny mety ho fisian'ny vaky trano .

Tao anatin'izany voina izany, nanomboka nanampy ireo fianakaviana hafa [4] tamin'ny toe-draharaha toy izany i Johnson tamin'ny alalan'ny fikambanana iray tao an-toerana, ary nanazava hoe: “Sady tsy maintsy misaona aho no miady ihany koa.” Nanampy tamin'ny fananganana vondron'olom-pirenena sy ny vondron'ny vitsy an'isa, sendikà ary mpisolovava izy, izay nanao fanerena hanovàna ny lalàna ao amin'ny fanjakan'i Washington. Ny fanentanana De-Escalate Washington [5] dia nametraka fangatahana ny volana May 2017 (Initiative I-940) [6] ; tamin'ny 6 Martsa 2018, ary nahitana fahombiazana izany.

Taorian'ny fanangonana sonia miisa 250.000 mba handaniana ny hetsika, dia lany ny lalàna [7]izay “mitazona ireo polisy  tompon'andraikitra amin'ny fampiasana herisetra tsy ara-drariny”, hoy i Johnson. Ahitana ny fandaharam-pampiofanana ho an'ny polisy ihany koa ny lalàna vaovao, anisan'izany ny fampihenana ny herisetra, ny fitongilanana tsy mivantana, ny fahasalamana ara-tsaina ary ny vonjy aina .

Nandritra ny fitsidihany tany Kingston, niantso amin'ny fanavaozana ny fomba fiasan'ny mpitandro ny filaminana tany Jamaika sy Brezila i Johnson. Naneho firaisankina tamin'ireo namany izy, izay nitantara momba ny tolona nataon'izy ireo manokana nandritra ny zaikabe tao amin'ny tobin'ny Oniversiten'i Mona ao Antilles tamin'ny 13 Martsa.

Ilay mpikatroka Amerikana Katrina Johnson, manao t-shirt miaraka amin'ny sarin'ny mpiray tampo aminy Charleena Lyles. Novonoin'ny polisy ao Seattle i Lyles teo imason'ny zanany. Sary avy amin'i Mario Allen, natolotry ny Amnesty International, nahazoana alalana.

Niresaka tamin'ny Global Voices (GV) momba ny fiantraikan'ny zavatra niainany teo amin'ny fianakaviany sy ny antony ilana ny fanomezana tamberin'andraikitra bebe kokoa avy amin'ny olom-panjakana i Johnson (KJ) :

KJ: My cousin, Charleena Lyles, was a 30-year-old pregnant mother killed by Seattle police in her apartment, in front of her children. She was shot seven times, including twice in the back. She was killed after she called 911 to report a burglary. The bullets cut through her uterus and hit her foetus, estimated to be 14 to 15 weeks old. The immediate response of my family was shock and disbelief.

No one should have to die like that. She was somebody to us, and her life mattered. Her family deserves answers, her kids deserve answers. I feel like it’s my duty to share her story so that this doesn’t happen to anyone else’s family, and I get my strength from my support system and just the fact that I know that I’m doing the right thing.

 

KJ: renim-pianakaviana 30 taona ary bevohoka ny mpiray tampo amiko, Charleena Lyles izay novonoin'ny polisin'i Seattle tao an-tranony, teo imason'ny zanany. Notifirina impito izy, ary indroa teo an-damosiny. Novonoina izy rehefa avy niantso ny 911 mba hitatitra vaky trano.  Nanavatsava ny tranon-janany ny bala ary nahatratra ny zaza tao an-kibony, izay heverina fa teo ho eo amin'ny 14 ka hatramin'ny 15 herinandro teo. Tohina sy tsy nino avy hatrany ny fianakaviako.

Tsy misy olona tokony ho faty toy izany. Olona nanana ny naha-izy azy izy ho anay ary zava-dehibe ny fiainany. Mendrika ny hahazo valiny ny fianakaviany, mendrika hahazo valiny ny zanany. Mahatsapa aho fa adidiko ny mizara ny tantarany mba tsy hitranga amin'ny fianakavian'olon-kafa izany, ary mahazo hery aho avy amin'ny rafitra fanohanana ahy sy noho ny fahafantarako fa manao ny zavatra tsara aho.

GV: Araka ny fijerinao, ahoana no tokony hamahana ny olana momba ny famonoana olona tsy mandalo fitsarana – any amin'ny firenenao sy manerana an'i Amerika? Inona, ho anao, no tena fototr'io olana io?

KJ: I think the police need to be held accountable. Without accountability, there is no justice. That’s the biggest problem, no one is ever accountable.

KJ: Heveriko fa tokony ho tànana ho tompon'andraikitra ny polisy. Tsy misy ny rariny raha tsy misy ny tamberina andraikitra (fangaraharàna). Izany no olana lehibe indrindra, tsy misy ny olona tompon'andraikitra.

Raha nangataka ny fientanam-po ho an'ny fianakaviana izay ao anatin'ny alahelo, nandrisika ny hetsiky ny mpikatroka i Johnson :

If it hasn’t happened to you, it’s only a matter of time before it will happen to you, so get involved in your communities and support the people that are out there fighting for your future. If you don’t, and nothing changes, it will end up on your doorstep.

Resaka fotoana fotsiny no isaina alohan'ny hitrangan'izany aminao raha tsy mbola nitranga taminao izany. Noho izany, mandraisa andraikitra ao amin'ny vondrom-piarahamoninao ary tohano ireo olona izay miady ho an'ny hoavinao. Raha tsy manao izany ianao, ary tsy misy ny fiovana, dia hiafara eo am-baravaranao izany.

Mbola manantena i Katrina Johnson, tahaka ireo namany avy any Brezila sy Jamaika fa mbola hihatsara kokoa ny zava-misy:

Yes, I am optimistic. I think with enough [community] support and getting the word out, other people will start to rise up and we will all be able to come together and get some change, which is drastically needed.

Eny, mbola manantena aho. Mihevitra aho fa miaraka amin'ny fanohanan'ny [vondrom-piarahamonina] ampu sy ny fizarana ny teny dia hanomboka hijoro ireo olon-kafa ary afaka hiaraka sy hahazo fiovana izay tena ilaina isika rehetra.