Hongria: “Toerana manala zavo-tsetroka ao afovoan-tanàna”

(Marihina fa tamin'ny 18 Oktobra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisy fanorenana hafa kely tao amin'ny Kianja Blaha Lujza tao Budapest. Nifandray tamin'ny fetiben'ny zavakanto antsoina hoe Placcc ny sanganasan'ny Téreltérítés Munkacsoport (‘Vondron'Asa amin'ny Toerana Hafahafa’) tao amin'ny toerana ho an'ny daholobe ao an-drenivohitra. Noforonina araka ny drafitr'i Richard Buckminster Fuller ny fanorenana – “Toerana manala zavo-tsetroka ao afovoan-tanàna“, ary nanambarana hevitra maro momba ny tontolo iainana an-tanandehibe.

Nitatitra i András Földes avy ao amin'ny bilaogy Képgyár (‘Ozinin-tsary’) hoe:

It could be known about the luminous igloo mounted at Blaha Lujza Square that it was the work of young artists and architects, and it cleans the smoggy air by biological means. Which is a noble goal, polluted air is bad after all, clean air is very healthy on the other hand. But still, the euphoria around the futuristic construction was surprising at first. […]

Mety ho fantatra fa sanganasan'ny tanora mpanakanto sy mpanao maritrano ny igloo (trano vita amin'ny ranomandry) mirehitra jiro izay natsangana tao amin'ny Kianja Blaha Lujza, ankoatra izany, manadio ny rivotra feno zavo-tsetroka amin'ny alàlan'ny fomba biolojika izy. Tena mendri-kaja ilay tanjona satria ratsy tokoa ny rivotra voaloto, ary mahasalama ny rivotra madio . Ary tena mahavariana tokoa tamin'ny voalohany ny fahatalanjonana manodidina ity fananganana zava-baovao ity . […]

Araka ny tranonkalan’ny fetibe Placcc:

Although the group includes future architects, they felt it was important to approach space from other aspects, not only and exclusively an architectural point of view, therefore they explore the relationship of man and space through art in public space. The starting point of the work they are making for PLACCC Festival is the belief that we are not mere observers of (public) space, but can actively shape it and participate in its transformation.

Na dia mpanao maritranon'ny hoavy aza ny vondrona, dia nahatsapa izy ireo fa zava-dehibe ny mijery ny toerana amin'ny lafiny hafa, fa tsy amin'ny fomba fijery tokana sy ara-maritrano ihany. Noho izany, nahita ny fifandraisan'ny olona sy ny toerana izy ireo amin'ny alalan'ny zavakanto tany ankalamanjana. Ny fototra niaingan'ny sanganasa nataon'izy ireo ho an'ny Fetiben'ny PLACCC dia ny fiheverana fa tsy dia manaja ny toerana ankalamanjana (ho an'ny daholobe) isika, saingy afaka mamolavola izany sy mandray anjara amin'ny fanovana izany ihany koa.

Mampiseho ny ao anatin'ny igloo (trano vita amin'ny ranomandry) plastika izay ahitana fanasivanana vita amin'ny ahidrano (algue) ity sary nalain'i Rozmy ity :

4009750998_3f77533c78

Nanontany ny tompon'andraikitra tao amin'ny Téreltérítés Munkacsoport i András Földes mikasika ny fizotran'ity antsoina hoe ‘fampihenana zavo-tsetroka’ ity:

[…] The leader of the project and [university] professor, Antal Lakner, explained ardently the functioning principles of the algae filtration bio-catalyzer, adding after each of his sentence that this thing really worked, that it wasn't just an object of art.

“Here an artist, an architect, a biologist and a technician worked together to resolve an existing problem,” said Lakner, a Hungarian Algae working helmet on his head. “A detecting car came here, and demonstrated that the plantation produced a significant amount of oxygen,” he said as he looked lovingly over the glass bubble occupied with silent oxygen production.

[…] Nanazava tao anatin'ny fientanentanana ny fomba fizotry ny bio-cataliseur amin'ny alàlan'ny fanasivanan'ny ahidrano ny mpitantana ny tetikasa sady profesora [oniversite], Antal Lakner , ary nilaza isaky ny teny nolazainy tsirairay izy fa tena miasa ity zavatra ity, fa tsy singa-javakanto fotsiny ihany.

“Miara-miasa eto ny mpanakanto, ny mpanao mari-trano, ny biolojista ary ny teknisianina mba hamahana ny olana misy,” hoy i Lakner, miaraka amin'ny aroloha misy soratra hoe Hungarian Algae . “Tonga eto ny fiara fizahana, ary mampiseho fa mamokatra oksizenina betsaka ilay zavamaniry,” hoy izy, sady nijery tamim-pitiavana ny tavoahangy miboiboika famokarana oksizenina izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.