- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Mankalaza ny firenen'izy ireo ny mpandefa sioka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Hehy, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Amin'ny tetikasa natsangan'ny mpandefa sioka avy amin'ny firenena Arabo hafa, namorona sy nitazona tenirohy mankalaza ny zavatra 50 voalohany tian'izy ireo indrindra momba ny fireneny ireo Jordaniana mpisera bilaogy madinika Twitter. Nahasarika mpandray anjara am-polony, raha tsy an-jatony avy any ampitan'i Jordania, maniry ny haneho ny fitiavany kely na lehibe an'i Jordaniana amin'ny tarehintsoratra 140 na latsaka ny #Top50Jo [1].

Farah avy amin'ny Observations of a Jordanian [2] nitanisa ao amin'ny bilaoginy ny sasantsasany amin'ireo zavatra tiany indrindra :

- How everyone you meet knows someone you know

- How everyone has an “uncle” who's high up in the government

- That our Queen has YouTube and Twitter. and actually contributed her #Top50Jo

- That you can complain to the mayor @MayorOfAmman on Twitter

- How everyone gets together in happy as well as sad occasions

- Ahoana no ahafantaran'ny olona rehetra mifanena aminao ny olona fantatrao

- Ahoana ny ananan'ny tsirairay “dadatoa” olona ambony ao amin'ny governemanta

- Manana YouTube sy Twitter ny mpanjakavavintsika. ary nandray anjara tamin'ny # Top50Jo

- Azonao atao ny mitaraina amin'ny ben'ny tanàna @MayorOfAmman ao amin'ny Twitter

- Ny fomba fiarahan'ny rehetra ao anatin'ny hafaliana sy ny toe-javatra mampalahelo

 

Naseem Tarawnah ao amin'ny The Black Iris [3] nampifandray ny # Top50Jo tao amin'ny bilaoginy ho toy ny “fisarahan'ny saina amin'ny fihatsarambelatsihy sy ny zava-misy isan'andro izay mahatonga anao hanadino ny mahatsara an'i Jordania,” Roba Al-Assi ao amin'ny And Far Away [4] kosa nindrana ny sasany tamin'ireo sioka hafa ary nandahatra azy ireo anatin'ny sokajy samihafa:

- The Jordanian National Anthem at the end of broadcast day on Jordan TV

- The serene call for prayers resonating across Amman.. and definitely the weather..second to none!

- Mansaf [5] 🙂 That’s simple

- Watching the excitement of kids on first day of Eid [6], dressed up, in streets, sizing the other, hustling over gifts & play plans.

- Hiram-pirenena Jordaniana amin'ny fiafaran'ny fandaharana ao amin'ny Jordan TV

- Manako manerana an'i Amman ireo antso hanaovam-bavaka .. ary ny toetr'andro .. tsy misy!

- Mansaf [5] 🙂 Tsotra izany

- Mijery ny fientanentanan'ny ankizy tamin'ny andro voalohan'ny Eid [6], niakanjo, teny an-dalambe, mandrefy ny hafa, mifamahofaho amin'ny fanomezana sy ny lalao.

Na ny mpanjakavavy Rania aza nandray anjara tamin'ny sioka, nandefa ny sariny niaraka tamin'i Abu Ahmad [7], marika Ammani izay nivarotra voanjo tao afovoan-tanànan'i Amman ary vao haingana no nodimandry. Mba hanatanterahana ny tetikasa bebe kokoa, mpisioka Jordaniana roa mikasa haka horonantsary izay zavatra tian'ny olona momba an'i Jordania [8]:

“We have started #Top50Jo. Now let's document it on Video. Come on and join us to film what we love most about Jordan.”

“Nanomboka ny # Top50Jo isika. Andeha horaketina anaty lahatsary izany.” Andao hiaraka aminay haka horonantsary izay tena tiantsika indrindra momba an'i Jordania. “

Ny natomboka toy ny fialantsasatra ho an'ny mpisera Twitter Jordaniana (ny sasany milaza hoe @shusmo,) dia nivadika ho zavatra malaza nifindra tany amin'ireo mpisera Ejiptiana sy Libaney izay namorona ny tenirohin'izy ireo manokana, ary notohanan'ny bilaogera sy ny mpanjaka, izay ivelan'ny aterineto amin'ny zava-baovao. Miasa amin'ny fomba mahagaga tokoa ny Twitter!