Kyrgyzstàna: Manomboka Fankafizana Dadabe Noely Ka Hatramin'ny “Subbotnik”

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)

Tao anatin'ny tapa-bolana lasa izay dia nanolotra fehezan-dahatsoratra mahaliana, fanehoankevitra mampihomehy sy mananihany ny tontolon'ny bilaogy kyrgyz, miaraka amin'ny sary mamirapiratry ny Fetibe Voalohan'ny Dadabe Noely rehefa Rrinina any Kyrgyzstàna. Natao ny 23 ka hatramin'ny 25 Febroary ilay fetibe ary nahazoana tsikera marobe amin'ny lafiny iray – ary vazivazy kely etsy ankilany – teny anivon'ireo Kyrgyz mpitoraka bilaogy .

Ohatra, manontany tena i bretelka (ru):

Fa efa adala ve izy rehetra ireo ? tsy mino aho fa azo atao ny mitahiry fanomezana ho an'ankizy roa lavitrisa any Kyrgystàna. Hisy hangalatra daholo ireo !

Dinihan'i Fancher ilay hevitra  (ru):

Ô ry zareo, tsy hitanareo ve ny herin'ity hevitra ity ? Mialoha ny zava-drehetra, fantatry ny rehetra fa tsy misy akory ny Dadabe Noely. Marika malaza manerantany ny Dadabe Noely. Raha toa ka manomboka malaza ity hevitra ity, dia ho dingana goavana mankany amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany any Kyrgystàna ( amin'ny fisintonana mpizaha tany betsaka). Heveriko fa tsara sy azo tanterahina ity hevitra ity.

Fanehoankevitra iray hafa mananihany avy amin'i Ataman Rakin :

Iiiiikkk!!! Volombava lava be.
Azo antoka fa Wahhabis ry zareo ireo.

Fanombohana amin'ny vazivazy tahaka izao, no ahafahantsika miroso amin'ny resaka matotra sy marina kokoa izay nahasarika  ny sain'ireo mpitoraka bilaogy. Taterin'i Anna Yalovkina ao amin'ny Kloop.kg fa nambaran'ny ben'ny tanànan'i Bishkek, Daniyar Usenov, ny fanombohan'ny “subbotnik” ho an'ny mpianatra madinika sy ireo any amin'ny ambaratonga ambony ary roa volana no faharetany. Avy avy amin'ny teny rosiana hoe “subbota” (asabotsy) ny teny hoe “subbotnik” ary asa an-tsitrapo no dikany,  mandritra io fotoana io no anadiovan'ny olona ny làlana, ny toerana fipetrapetrahana ary ny manodidina ny sekoly sy ireo andrim-panjakana.

Fanamarihan'i Ladymystery (ru):

Tena tsy ratsy ilay hevitra amin'ny ankapobeny. Diovintsika mandrakariva ny faritry ny sekoly. Tiako ho hita tena madio ny tanànako, saingy indrisy mihoatra noho ny fanadiovantsika azy ny fandotoantsika azy.

Na izany aza, notoherin'ilay mpiaro ny zon'olombelona, Maksim Kuleshov, io fanapahankevitr'i Usenov io ary nolazainy fa fanitsakitsahana ny zon'ny ankizy. Lazainy fa efa tsy misy intsony ny Firaisana Sovietika ary tsy fanànan'ny ben'ny tanàna ny ankizintsika. Mbola nampiany ihany koa  fa hanao hetsika manohitra ny asan'ny ben'ny tanànan'i Bishkek izy sy ny ekipany.

Miombon-kevitra amin'i Kuleshov i Men  (ru):

Avelao ny ben'ny tanàna no hanadio ny tanàna, fa tsy ny ankizy any an-tsekoly. Ohatra ny hoe nanapaka hevitra ny hanangana ny Kaominisma any Bishkek ny ben'ny tanàna.

Mahatsiaro ilay revolisiona ‘Tulipe’ tamin'ny volana martsa 2005 ny rehetra eo am-piresahana ny momba ireo hetsipanoherana, revolisiona  izay tsy maintsy nandosiran'ilay filoha taloha, Akaev, ny firenena. Ankehitriny, i Kurmanbek Bakiev Filoha Kyrgyz sy ny parlemanta vao voafidy dia te-hanitsy ny fehezandalàna momba ny asa any Kyrgystàna ka hatao andro tsy fiasàna ny 24 Martsa any Kyrgystàna.

Mitaraina momba io didim-panjakana io i Psyho (ru):

Hiasa ve ny Parlemanta ka hanao izay hahasoa ? Efa roa volana izay no tsy nanaovany na inona na inona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.