- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Tsy ho adinoina mandrakizay ianao sy izao famoizana izao': Ny asa mahafaty iainan'ny fampitam-baovao ao Afghanistan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava

Sary nindramina tao amin'ny media sosialy. Ghazi Rasuli, ankavia, sy i Yar Mohammad Tokhi, ankavanana, roa tamin'ireo mpanao gazety folo namoy ny ainy tamin'ny 30 avrily.

Raha nandeha vao maraina ho any amin'ny fantsona fahitalavitra tsy miankina izay iasany i Yar Mohammad Tokhi, mpanao gazety, mety ho nieritreritra amin'ny mariaziny manakaiky izy. Mety ho nitady izay andro hakantsary izy, arahin'ny takariva hiarahany amin'ny hakariny ho vady.

Saingy tsy izany no zavamisy. Taoriana kely monja nahatongavan'i Tokhi teo amin'ny sehatra nisian'ny fanafihana tao afovoan-tanànan'i Kabul, efa vonona ny handrakitra filma, nisy mpanao vivery ny ainy nitsofoka teo amin'ireo mpanao gazety tonga teo ary nanapoaka ny tenany.

Nampodiana maty [1] tao anaty fiara mitondra marary i Tokhi. Niara-dia taminy nandritra ny andro farany niainany ny mpiara-miasa aminy avy ao amin'ny TOLO T.V.

Iray amin'ireo ekipan'ny fampitam-baovao sivy maty tamin'ny 30 avrily nanamarika ny andro tokana ratsy indrindra ho an'ny Afghan mpanao gazety hatramin'ny nanonganan'i Etazonia sy ny mpiara-dia aminy ny fitondrana Taliban tamin'ny taona 2001 i Tokhi.

Tonga araka [2] ny fanaon'ny hafa, nitondra fakantsary teny an-tanany, ilay mpanao vivery ny ainy. Efa tsy fantatra intsony ankehitriny ao Kabul izay mety ho namana na mety ho fahavalo.

Lasa atao vaovao ireo mpanao vaovao, mandria am-piadanana ry rahalahy sy anabavy amin'ny asa

Rehefa voalaza avokoa izany rehetra izany, miisa 26 ny olona namoy ny ainy [6] tamin'ny fanapoahana baomba in-droa nitranga, saika azo lazaina hoe nisesy, teo amin'ilay toerana. Nilaza ho tompon'antoka tamin'ny fipoahana ny ISIS.

Notifirin’ [1]olon-tsy fantatra elaela taorian'izay tamin'io andro io ihany ny mpanao gazety fahafolo, mpitati-baovaon'ny BBC antsoina hoe Ahmad Shah, tany amin'ny faritanin'i Khost tany atsinanana no nisian'izany fitifirana izany, araka ny nolazain'ny BBC.

‘Ilay peratra tsy nahatontosa ny fampanantenany’

Mpiasa mahatokin'ny [6] TOLO TV, fampielezam-baovao tsy miankina lehibe indrindra ao amin'ny firenena i Yar Mohammad Tokhi, 54 taona, hatramin'ny niodinany voalohany indrindra tamin'ny taona 2004. Ny handrakitra ny Afghan ao amin'ny fifaliany no asany, sy ny alahelony izay efa mahazatra loatra ihany koa moa.

Andro mahory tokoa. Asa mafy tokoa. Fotoana maizina tokoa eto Kabul. Mitati-baovao ny fandevenana ny mpiara-miasa aminy, Yar Mohammad Tokhi, i @TariqMajidi [7]
Mandria am-piadanana Tokhi Sahib. Mandria am-piadanana ry lehilahy tsara. Tsy ho adinoina mandrakizay ianao sy izao famoizana izao.

Ny karama kelin'i Tokhi irery ihany no fidiram-bola fanohanana ny reniny sy ny anabaviny izay samy marary mafy.

Araka ny nolazain'ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny TOLO, efa nifofo olona hovadiana ihany koa izy. Ny andro mialoha ny fahafatesany, vao nitady toerana hofandrihana hanatontosana ny fanambadiany tao Kabul ho avy ao anatin'ny herinandro vitsivitsy izy sy ny fofombadiny.

Ary tsy nahatontosa ny fampanantenany ny peratra. Ity ny peratra vodiondrin'i Yar Mohammad, mpakasarin'i @TOLOnews [11], izay nampanantena fa hanambady ny fofombadiny amin'ny volana ambony. Anisan'ireo maty androany izy.

Efa niaritra fahafihana mahafaty olona tahaka izany ihany ny Tolo TV taloha. Tamin'ny Janoary 2016, notafihan'ny [14] vondrona Taliban tao amin'ny fiasanan-dry zareo tao Kabul ry zareo ary fito ny mpiasa maty tamin'izany fotoana izany.

‘Tsy maheno anareo intsony aho!’

Lasibatra hafa voa tamin'io fanafihana io koa i Ghazi Rasuli, 26 taona, mpanangom-baovao avy amin'ny toby 1TV, izay miaraka amin'ny taranaka politisiana vao misandratra [6] ao Afghanistan.

Andriamanitro o, tsy mampino. Namoy an'i Ghazi Rasuli, mpiara-miasa tsara tamin'ny fipoahana baomba androany izahay.

Our friend, Ghazi, is not with us anymore. I knew him since a long time ago. We were classmates in the first year of journalism faculty at Kabul University. He was dreaming to manage a big media.

I no longer hear you!

Tsy miaraka aminay intsony ny namanay Ghazi. Efa ela no nahafantarako azy. Mpiara-mianatra izahay tamin'ny taona voalohany nianarana ny fanaovan-gazety tao amin'ny Oniversiten'i Kabul. Nanofinofy ny hitantana fampitam-baovao lehibe izy.

Tsy maheno anareo intsony aho!

Efa-taona no niasan'i Rasuli tao amin'ny 1TV, fa ny tanjony ambony indrindra dia ny ho minisitry ny raharaham-bahiny, araka ny nolazain'ny namana iray.

Nanosi-tena ho minisitry ny raharaham-bahiny izy. Mahazatra azy ny miasa amin'ny tantara tsy ho vitan'ny hafa. Indrisy fa tsy miaraka amintsika intsony izy.

Raha toa mahazatra kokoa ho an'ny mpanao gazety tandrefana ny mahazo tambin-karama noho ireo loza mety hitranga amin'ny fiasana ao amin'ity firenena ity, dia miasa hahazo karama kely kokoa sady tsy misy fiantohana matetika ny Afghan mpanao gazety. Maty nandritra ny fipoahana ihany koa ny mpakasarin'ny 1TV antsoina hoe Nowroz Ali Rajabi [20].

Mpiara-miasa iray amin'Atoa Rasuli no nilaza [21] tao amin'ny media sosialy fa tsy nandray ny karamany izy tao anatin'ny volana vitsivitsy:

…Afghan journalists are treated like slave by managers of media. All of the dead journalists had only 20,000 Afghani ($350) salary per months. Worse, they got paid after 4-5 months. For example, Mr. Rasuli used to complain about low payment…

Karakarain'ny mpitantana fampitam-baovao ho toy ny andevo ny Afghan mpanao gazety. 20.000 Afghani ($350) isam-bolana ihany no karaman'ireo mpanao gazety maty ireo. Ny ratsy kokoa, 4 na 5 volana aoriana ry zareo vao mandray ny karamany. Efa mpitaraina amin'ny hakelin'ny karama, ohatra Atoa Rasuli…

Maty nandritra ny fipoahana ihany koa ny mpanangom-baovao sy ny mpaka sary avy amin'ny AFP sy ny Radio Free Europe. Anisan'ireo ny mpakasarin'ny AFP Shah Marai [22], ireo mpanao gazetin'ny Mashal TV toa an'i Saleem Talash [23] sy i Ali Saleemi [24]; ary ireo mpanao gazety Maharram Durrani [25], Sabawoon Kakar [26], Abadullah Hananzai [27] avy amin'ny Azadi Radio, izay anisan'ny tohanan'i Radio Free Europe/Radio Liberty avy ao Etazonia.

Maneho ny fiarahany miory amin'ireo mpanao gazety miatrika fandrahonana, sy ireo fianakavian'ny mpanao gazety maty teo am-panatontosana ny asany ny Global. Mijoro ho amin'ny firaisankinan'ny mpiasan'ny fampitam-baovao rehetra te-hiaro ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera sy andavanandro izahay.

Miangavy hevero [28] ny hanome ho fanohanana ny fianakavian'i Yar Mohammad Tokhi.