- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mirohotra manangona sary Panini i Però fa tafita mondialy indray 36 taona taty aoriana

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

Pejin'ny album Panini miaty ny sarin'i Paolo Guerrero andrasana fatratra. Sary avy amin'ny mpanoratra, nahazoana alalana.

Tamin'ny 15 novambra 2017, nahatratra ny nofinofy faratampony ny baolina fandaka peroviana : tafiditra handray anjara amin'ny amboara manerantanin'ny Federasiona Iraisampirenen'ny baolina Fandaka (FIFA) 2018 hotontosaina any Rosia rehefa tsy hita tabilao tamin'izany nandritra ny 36 taona [1].

Volana vitsivitsy taty aoriana, niaritra filaharana lava dia lava hividy sary fanangona sarotra hita ireo mpanohana mientanentana, mba ho fahatsiarovana ity fotoana manatantara amin'ny baolina fandaka peroviana ity.

Tamin'ny novambre 2017, aoka izany ny fifaliana sy ny fientanentanana hany ka tsikaritry ny Ivontoerana Mpamantatra ny Fihovitry ny Tany ao Però fa nisy fihovitry ny tany kely [2] tamin'ny fotoana [3] nampidiran'ny mpilalao baolina fandaka Jefferson Farfán indrindra ny baolina voalohany tamin'ny ekipa neo-zelandey tao amin'ny Stady Nasionalin'i Lima.

Nanambara [4] ny Ivontoerana Mpamantatra ny Fihovitry ny tany ao Però [5], sampan-draharaham-panjakana misahana ny famantarana mialoha ny voina voajanahary goavana hoe :

El júbilo unánime de los aficionados que se encontraban en el Estadio Nacional hicieron vibrar el suelo de Lima y los acelerómetros registraron amplitudes del sacudimiento del suelo equivalentes a un microsismo, de magnitud aproximada de 1 (imperceptibles para las personas) en la escala de Richter.

Nampihovitra ny tanin'i Lima ny fifaliana niraisan'ny mpanohana tao amin'ny Stady Nasionaly ka voamariky ny fandrefihalaky ny elanelam-pihovitra mitovy amin'ny horohorontany bitika, manana ny refy 1 (tsy mbola tsapan'ny olombelona) eo amin'ny refy Richter.

Tamin'ny 22 marsa 2018, namoaka [6] ny album sary (karatra)  fanangona hofanomezam-boninahitra ireo peroviana mpilalao baolina fandaka amin'ny endrika roa ny orinasa italiana Panini : ny iray album manokana amin'ny taratasy henjana ary eo ihany koa ny sary fanangona amin'ny endrika mahazatra.

Lany tao anatin'ny ora vitsivitsy ny fonony amin'ny taratasy henjana. mandritra izany fotoana izany, miha-tsy hita eny an-tsena tao anatin'ny andro vitsivitsy [7] ny sary natao ifanakalozana, fantatra ao Però amin'ny anarana hoe “figuritas”:

[…] Panini no esperó la gran acogida del álbum por lo que el stock seleccionado para nuestro país quedó corto en tan solo unos días. No pasó ni una semana para que el coleccionista peruano se quede sin oportunidad de conseguir este tradicional cuadernillo de la Copa del Mundo.

[…] Tsy nihevitra hahita tinady lehibe tahaka izao ny Panini, hany ka lany tao anatin'ny andro vitsivitsy monja ny tahiry hoan'ny firenentsika. Tsy ampy herinandro akory dia tsy mahita varavaranam misokatra hahazoana ity boky mahazatra amin'ny mondialy ity intsony ny peroviana mpanangon-tsary.

Nampiketrona ireo mpankasitraka baolina fandaka peroviana niandry tao anaty filaharana lava dia lava hahazoana ny sary notadiavina izany fahalaniana haingana sy tsy nampoizina izany :

Io misy tovolahy eo am-pilaharana, mitazona ny gazetiboky amin'ny tanany sy fehezana sary fanangona. TPT!

Gazetiboky Panini : nifoha maraina nanao filaharana lava dia lava hahazoana azy ny mpanohana ny ekipam-pirenena peroviana.

Tamin'ny fiandohan'ny volana avrily 2018, nanambara ny fahatongavan'ny entana vaovao ao anatin'ny andro vitsivitsy ny orinasa. Niaiky ny solontenan'ny Panini, Óscar Pizarro, fa niteraka tsy fisian'entana tsy nampoizina teny amin'ny toeram-pivarotana ny tinady goavana amin'ny sary fanangona sy gazetibokin'ny mondialy ao Rosia taona 2018.

Nandritra ny antsafa tamin'ny radio [13], nosoritan'i Pizarro fa 140 taonina amin'ny fehezan-tsary fanangona no lafo tao anatin'ny folo andro. Raha ampitahaina amin'ny nivoaka tamin'ny mondialy FIFA tany Brezila tamin'ny taona 2014 dia 40 taonina ihany no lafo tamin'izany.

Nahatsikaritra [13] ny tinadin'ny mpividy ihany koa ny Pizarro vao ny andro voalohany nivarotana azy monja, rehefa nilaza ny Panini fa nahalafo gazetiboky anelanelan'ny 5.000 ka hatramin'ny 10.000 tao anatin'ny 27 minitra monja :

Nosotros habíamos calculado el primer lote, que fue el doble de lo que se vendió en toda la campaña anterior, para que dure dos semanas, pero duró horas. Tengo la data de que del 22 de marzo al 2 de abril de 2018 ya se habían colocado en el mercado 140 toneladas de sobres. En solo 10 días, hay una situación de escasez porque no había manera de calcular esto.

Efa nampitomboinay avo sasaka noho ny teo aloha ny isan'ny andiany voalohany, noheverina haharitra tapabolana izany, nefa dia lany tao anatin'ny ora vitsivitsy monja. Nolazaina aho fa nanomboka ny 22 marsa ka hatramin'ny 2 avrily 2018, fehezan-tsary 140 taonina no lafo. Lany tao anatin'ny 10 andro monja ny entana, ary tsy nisy fomba nitsinjovana izany mialoha.

Tamin'ny fanombohan'ny volana avrily, namoaka izao fanambaràna manaraka izao ny Panini tao amin'ny Facebook  [14]:

La gran demanda que ha generado la participación de Perú en el Mundial ha logrado un nuevo hito en la historia de ventas de álbumes mundialistas en el país, 36 años de espera han superado largamente la demanda generada y estamos orgullosos de ser parte de una hinchada tan comprometida con la selección.

Niditra dingana vaovao teo amin'ny varotra gazetiboky tao amin'ny firenena ny tinady nateraky ny fandraisana anjaran'i Però amin'ny Mondialy, nisongona izany tinady naterany izany ny 36 taona niandrasana ary te-hirehareha izahay tafiditra ho ao anatin'ny vondrona mpanohana manolo-tena fatratra ho ao amin'ny ekipam-pirenena.

Niserasera tao amin'ny Twitter haneho ny heviny momba ny gazetiboky Panini sy ny fahadisoam-panantenany ireo peroviana mpanohana heniky ny rehareha :

[Nanazava ny solontenan'ny Panini ao Però fa ny tsy fisian'ny sary dia noho ny “tinady betsaka tsy nampoizina” ary dia nanondro ny fahatongavan'ny entana vaovao izy.]

Panini : Ny tetiandron'ny fahatongavan'ny sary fanangona ho an'i Però.

Nizara ny fientanentanan'ny peroviana amin'ny fandraisana anjaran'ny ekipam-pireneny amin'ny mondialy FIFA 2018 ao Rosia ihany koa ny mpanohana baolina fandaka avy amin'ny firenen-kafa :

Tao anatin'ny 25 taona nanagonako ny gazetiboky Panini, sambany aho nandraikitra sarin'ny mpilalao peroviana. Arahabaina ny vahoaka peroviana, Mahombiaza amin'ny mondialy !

Ny hafa nieritreritra ny hampiasana ny fientanentanana ho fampiroboroboana ny famakian-teny :

Raha tsy maintsy ataon'ny rehetra ny mamaky boky iray moa vao mahazo album Panini? Angamba mety hahita varavarana misokatra tsaratsara kokoa ity Però [mamin]tsika ity !

Ny hafa nizara ny hafaliany manangona ireny sary rehetra ireny hamenoana ny gazetibokiny :

[Mandany vola sy fotoana ny mpanohana baolina fandaka hamenoana album Panini. Mikarakara fifanakalozantsary ho an'ny mpiasany ny orinasa maro. Anio, misy fivoriana ao amin'ny Fihaonan-dalan'ny Kolontsaina ao San Miguel.]

Album Panini : Ny fitivana baolina fandaka ao amin'ny sary fanangona

Raha mivadika ho horakora-pifaliana ny fanangonana albums Panini, dia zara raha niteraka fihetseham-po ny fametraham-pialan'ny filoha teo aloha Pedro Pablo Kuczinsky (fantatra amin'ny fanombohan'anarana PPK) [28] amin'ny asany tamin'ny 21 marsa, iray andro mialoha ny fivoahan'ny album voalohany :

Fampitam-baovao ivelany : KRIZY TANTERAKA ao Però noho ny fialàn'ny Filoha !
Ao  Però :
-Fantatrao ve fa niala i  PPK.
-Hay. Ary amin'ny firy moa no milalao i Però amin'ny zoma ?
-Amin'ny 7:30
-Nahazo ny album ve ianao?
-Panini ?

Zavamisy ankehitriny ao Però:
– Ahoana ny eritreritrao amin'ny fialàn'i PPK ?
– Efa nahazo ny gazetibokiko Panini aho.

Ary tsy diso anjara ihany koa fahatongavan'ny sary-sy-soratra :

Album Panini amin'ny Mondialy Rosia 2018: sary-sy-soratra taorian'ny fivoahany tao Però | Sary 1 amin'ny 10 | Iraisampirenena | Football