- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika Atsimo: Te hanoroka sy hanatsara tarehy i Julius Malema!

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora

(Marihana fa efa tamin'ny mey 2010 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tsy mahagaga [1] amin'ny fifanoherana  [2]intsony i Julius Malema [3], filohan'ny Ligin'ny Tanora ANC (ANCYL). Raha ny marina, maro no hilaza fa izany no tena hiezahany mafy. Heverin'ny sasany fa feon'ny tanora mahantra ao Afrika Atsimo izy. Ny hafa kosa mihevitra fa manome endrika ny tsy fahombiazan'ny fahaleovantenan'ny toekarenan'ny mainty hoditra sy lehilahy izay hamadika an'i Afrika ho Zimbaboe amin'ny farany izy. Na inona na inona endrik'i Julius, misy ny zava-misy iray – mivarotra izy! Isaky ny miteny na manao zavatra i Julius Malema – mirohotra ny media (mahazatra na hafa).

[4]

Tsy ho hafa ny faha-19 mey. Rehefa tafavoaka tamin'ny famotorana ara-pitsipika nataon'ny ANC, noterena hanao fialan-tsiny ho an'ny firenena  [5]ary nasaina nanatrika fianarana fitantanana fahatezerana [6], toa niova hevitra i Julius Malema. Tamin'izany andro izany, nanatrika ny fihaonambe ANCYL tany KwaZulu Natal i Julius ary raha tokony hihira ny marika famantarana azy “Tifiro ny Boer”, izay voaràran'ny Fitsarana ambony South Gauteng [7]nihira  [8]ny “orohy ny Boer” indray izy. Niara-nihira taminy ireo solontena no sady nandihy manodidina ny sehatra i  Malema, mamerina ny tononkira “kiss the boer”.

Nanara-maso mafy ny tontolon'ny bilaogy sy ny tontolon'ny twitter aho avy eo ary araka ny mahazatra, tsy nandiso fanantenana izany.

Nanontany [9] i XcellenceKasie,

julius malema is now singing kiss the boer kiss the farmer….who is being fooled here…?

Ankehitriny i julius malema mihira ny “orohy ny boer”, orohy ny mpamboly….iza no nadalaina teto…?

Manana hafa i AlexKlusman [10].

Julius Malema overheard singing ‘Kiss the boer’ at ANC YL conference in KZN. Is this what anger management lessons do to you?

Diso nandre “orohy ny boer” tao amin'ny fihaonamben'ny ANC YL tao KZN i Julius Malema. Izany ve no nataon'ny lesona fitantanana fahatezerana taminao?

Tokyogrooveband mandray ny hira vaovaon'i Julius amin'ny fomba tsara [11]:

Good on you Julius Malema Kiss The Boer

Tsara ny nataonao Julius Malema orohy ny Boer

Hita tao amin'ny hayibo [12]ihany koa ny esoeso:

A day after Julius Malema sang “Kiss the boer, kiss the farmer”, panic-stricken ultra-straight macho South African farmers say the prospect of being snogged by Julius Malema is worse than death.

“Murder is murder but moffies (heterosexuals) are Satan's handmaidens,” said a spokesman, urging farmers to hide cyanide capsules under their tongues “in case he tries Frenching us”.

The ANC Youth League president is appearing increasingly desperate as he fades from the headlines and meets increasing resistance both from his organisation and his elasticated trousers.

Andro iray taorian'ny nihiran'i Julius Malema ny «Orohy ny boer, orohy ny mpiompy», nilaza ireo Afrikanina Tatsimo mpiompy macho (mpanambany vehivavy) diso mivatambatana feno tahotra fa ratsy kokoa noho ny fahafatesana ny vinavina horohan'i Julius Malema.

“Famonoana olona ny famonoana olona saingy mpanompon'i Satana ny hétérosexuels, hoy ny mpitondrateny iray, mandrisika ny tantsaha mba hanafina sarona (kapsily) sianida eo ambanin'ny lela” raha sendra miezaka manoroka antsika eo amin'ny molotra izy”.

Miha hita diso fanantenana ny filohan'ny Ligin'ny tanora ANC raha voafafa tamin'ny lohateny lehibe ary nifanehatra tamin'ny fanoherana tsy mitsaha-mitombo avy amin'ny fikambanany sy ny patalohany elastika.

Mety azo toherina ny antony nanosika an'i Julius Malema saingy mamintina izany tsara kokoa i Khaya Dlanga [13]:

I really don’t think that you have been any more or less outrageous than the previous presidents. The only difference is that they lived in a different time, an era before Instant News — before the era of the internet, Facebook and Twitter. The news is more instant than instant coffee now.

Tsy tena mino aho fa manafintohina kokoa noho ireo filoha teo aloha ianao. Ny hany fahasamihafana dia nonina tamin'ny vanim-potoana samihafa izy ireo, vanim-potoana talohan'ny Vaovao Eo noho eo (Instant News)- talohan'ny vanim-potoanan'ny aterineto, Facebook sy Twitter. Vetivety kokoa tsy tahaka ny kafe eo noho eo ankehitriny ny (fielezam-b)aovao.

Farany, inona no heverin'ny Google momba an'i Julius Malema? [14]