Palestina: Nataon'i Obama ho ambin-javatra

(Marihana fa efa tamin'ny 10 taona lasa (2008 )ny lahatsoratra teny Anglisy)

Satria mamarana ny fitetezana an'i Israely sy i Palestina ny kandida ho filoham-pirenena Amerikana mahabe fanantenana Barack Obama, nibahana tamin'ny fifantohan'ny Senatera an'i Israely ny lohatenin-gazety manerantany…ary tsy nahitana fifantohana tamin'ny tolon'i Palestina.

Afaka mamintina tsara ny fahatsapan'ny tontolon'ny bilaogy Palestiniana ny lohateny iray manokana, avy ao amin'ny Haaretz ao Israely: “Nitsidika ny rehetra mba hanintona ireo mpifidy Amerikana Jiosy i Obama.” Raha ny marina, maneho ity hevitra ity tokoa ny tenin'ny tontolon'ny blaogy Palestiniana, amin'ny fifantohana manokana amin'ny safidin'i Obama an'i Sderot ho toerana aleha.

bruised earth, bilaogera monina ao amin'ny Fanjakana Mitambatra pro-Palestiniana, nahatsapa fa nahazo vahana i Obama tamin'ny fitsidihana an'i Sderot, tsy nieritreritra ny fiantraikan'ny fihetsiny amin'ny hevitry ny Palestiniana lehibe. Nanamarika ilay bilaogera:

I know he is looking for some votes – but the nerve to visit Sderot (with just a flying visit of Ramallah – where no such statements were made) and again speak out against the daily misery of border settlers who have chosen (!) to live in this location and who are not caged or bound – or worse – imprisoned by the military, shows a level of ‘cheek’ here-to-fore unimaginable.

Let us not forget that Obama was the one Presidential hopeful strong enough to speak out against the violence and plight perpetrated on the Palestinian people. Where is that leader now? Are we to assume he will return once elected?

A very dangerous game continues to unfold…can votes possibly be worth this?

Fantatro fa mitady vato izy – saingy mampiseho ny haavon'ny “takolaka” tsy hay saintsainina ny fitsidihana an'i Sderot (miaraka amin'ny fitsidihana vetivety an'i Ramallah – izay tsy nanaovana fanambarana) sy manohitra indray ny fahantrana isan'andro iainan'ireo voanjo an-tsisintany izay nisafidy honina ao amin'ity toerana ity ary tsy voahidy na voafatotra – na ratsy kokoa – nogadrain'ny miaramila.

Aoka tsy hohadinointsika fa i Obama no hany kandidà filoham-pirenena mahabe fanantenana hanohitra ny herisetra sy ny fijaliana mihatra amin'ny vahoaka Palestiniana. Aiza izany mpitarika izany ankehitriny? Azontsika antoka ve fa hiverina izy rehefa voafidy?

Mitombo hatrany ny lalao tena mampidi-doza … mendrika izao tokoa ve ny vato (fifidianana)?

Ny lohatenin'ny lahatsoratra bilaogy vao haingana avy amin'i Desertpeace, Amerikana mpikatroka monina any Jerosalema, dia mivaky hoe “Obama eo amin'ny Rindrina.” Amin'ny fampiasana teny vitsivitsy, nanazava bebe kokoa ilay bilaogera:

NOT the wall of apartheid as one might have hoped…..But the Western Wall.

TSY ny rindrin'ny apartheid araka ny mety antenain'ny sasany … .. Fa ny Rindrin'ny Tandrefana.

AMPAL ( Amerikana Palestiniana) naneho fahagagana fa tsy nitsidika ny Holy Sepulchre (Fasana Masina) i Obama, nanazava izy hoe:

Quite the contrary, it seems that the correct place for a CHRISTIAN future president of the United States of American to visit (kinda like his visit to AIPAC's convention days after he won the nomination) is to the Jewish Wailing Wall. Mind you the Moslem's third holy site, the Haram al Sharif, is just across that Wailing Wall. Seems like he has got it right twice in a row: prostrate yourself, nay, grind yourself into the dirt, in front of the rulers of your destiny (Zionists of both American and Israeli flavors) in order that you be receive some blessing by the so-called Chosen Ones. And even then they doubt you Oh Obama…

Ny mifanohitra amin'izany, heverina fa ny toerana antonona ny KRISTIANA iray filoha hoavin'i Etazonian'ny amerikana hotsidihina (toy ny fitsidihany ny fivoriambe nataon'ny AIPAC taorian'ny nahazoany ny fanendrena azy) dia ny Rindrina Fitomaniana Jiosy. Ao an-tsaina ny toerana masina fahatelo miozolomana, ny Haram al Sharif, ao ambadik'io Rindrina Fitomaniana io. Tahaka ny nandalovany indroa misesy: miankohofa ianao, tsia, levony ao anaty loto ny tenanao, eo anoloan'ny tompon'ny lahatrao (Sionista avy amin'ny fangaro amerikana sy israeliana) mba hahazoanao fitahiana avy amin'izay antsoina hoe Voafidy. Ary na dia misalasala anao aza ry zareo oh Oh Obama …

Raha mbola mifantoka amin'ny hetsik'i Obama ny mpamahana blaogy hafa dia nametraka adihevitra amin'ny teniny i The Angry Arabs’ Comment Section, indrindra fa ny filazany fa “ho renivohitr'i Isiraely” i Jerosalema. Ilay mpamahana blaogy nisaintsaina:

Huh? The phrase “I say it will be the capital” is diametrically opposed to the view that it's a final status issue to be negotiated by the parties. Unless he's got a crystal ball and knows the outcome in advance.

Hah? Ny fehezanteny hoe “lazaiko fa ho renivohitra izy” dia mifanohitra tanteraka amin'ny jery resaka fa olana ara-tsata ifampiraharahan'ny roa tonta izany. Raha tsy hoe manana baolina kristaly izy ary fantany mialoha ny vokatra.

Mitoetra ny fanontaniana: Hisy fiantraikany amin'ny fanentanany ve ny fanohanan'i Obama matanjaka tsy miovaova an'Isiraely? Joseph Al-Khoury, manoratra ho an'ny bilaogy Arabdemocracy, manome ny antony, ho an'ny Arabo Amerikanina, tsy tokony hoe:

The US has been unwavering in its support for the Zionist entity since its creation in 1948 providing it consistently with the financial, technological, military means to dominate the Middle East and wreck the hopes of one Arab generation after the other. This is unlikely to change regardless of who takes over the White House come November. But two factors Arab voters should consider while casting their votes. The first factor is that An Obama administration will not be motivated by ideology in its position vis-a-vis Israel while remnants of the neo-conservative and evangelical Christian agenda will persist in a Bush-McCain transition. Pragmatic policies might still be detrimental to the Palestinians but are easier to debate and challenge than those backed by divine intervention. The second factor is that the election of a Liberal modern Black man to the highest office will be good for America, whatever foreign policy he adopts. This is a revolution in the making and as all astute immigrants know it is by joining hands with the locals for the common good that you gain acceptance. As the American poet Gil Scott-Heron cynically puts it: ‘The revolution will not be televised…’ but the election certainly will!

Tsy niova ny fanohanan'i Etazonia ny andry Sionista hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1948 ka nampitao azy hatrany ny rafitra ara-bola, ara-teknolojika ary ara-miaramila mba hifehezana ny Afovoany Atsinanana sy hamotika ny fanantenan'ny taranaka Arabo mifandimby. Heverina tsy hiova na oviana na oviana izany na iza na iza mandrombaka ny Trano Fotsy amin'ny Novambra ho avy io. Saingy misy ny singa roa tokony hoheverin'ny Arabo mpifidy rehefa mandatsa-bato. Singa voalohany, tsy hetsehin'ny ideolojia amin'ny fotokevitra ijoroany manoloana an'i Isiraely ny fitantanam-panjakan'i Obama raha mbola hisy tavela ao amin'ny tetezamitan'i Bush-McCain ny teti-panorona evanjelika mandala ny nentim-paharazana amin'ny endrika vaovao. Mety mbola mahavoa ny Palestiniana ny politika pragmatika fa mora hiadian-kevitra kokoa sy ifanaovana fanamby noho ireo arovan'ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra. Ny singa faharoa dia ho tsara ho an'i Amerika ny fifidianana ny lehilahy mainty liberaly maoderina ho eo amin'ny birao ambony indrindra, na inona na inona politika raharaham-bahiny raisiny. Revolisiona an-dalam-panovana izany ary mahafantatra ny mpifindramonina rehetra amin'ny fifandraisan-tanana amin'ireo mponina ao an-toerana amin'ny soa iombonana fa hahazo fanekena ianao. Araka ny nametrahan'ny poeta Amerikana Gil Scott-Heron azy hoe: ‘Tsy hivoaka amin'ny fahitalavitra ny revolisiona …’ fa ho izany kosa ny fifidianana!

Navoaka ao amin'ny Voices without Votes ihany koa ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.