- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Fikarohana izay nidaroka baomba fiara fitateram-bahoaka tao Kunming

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Voina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Taorian'ny fanapoahana fiara fitateram-bahoaka tao Kunming  [1]omaly, nampiseho tantara tao amin'ny pejim-baovaon'ny Netease ny tatitra [2] avy amin'ny tranonkalam-baovao iray ao an-toerana momba ny fisavàna kara-panondro ataon'ny polisy mitam-piadiana eny an-dalana.

[2]

Raha tsy misy ny sehatra fanehoan-kevitra amin'ny fitantarana orizinaly Cailong China ao Kunming, nitombo haingana ny isa hita tao amin'ny fitantaran'i Netease. [3]

网易内蒙古赤峰网友 ip:222.74.*.*:
2008-07-22 15:57:04 发表
抓住他们,杀无赦

Faribolana Mongolia:
Sambory izy ireo, vonoy izy ireo, aza mamela heloka na iza na iza

网易河北唐山网友 ip:121.20.*.*:
2008-07-22 15:58:03 发表
板凳?

Hebei:
Tsy misy fitsarana?

网易陕西西安网友 ip:125.76.*.*:
2008-07-22 16:08:25 发表
这些家伙太可恶了
一定要严查,解决打击这些社会败类
向遇难的同胞默哀!

Shaanxi:
Devoly loatra ireo olona ireo
Tsy maintsy manatontosa fisavàna henjana izy ireo, ary mikarakara ireo mpisoloky mpamely fiarahamonina
Ho an'ny mpiray tanindrazana amiko mijaly, miarahaba anareo aho!

网易山东菏泽网友 ip:219.146.*.*:
2008-07-22 16:28:31 发表
不顾百姓安危搞恐怖事件的极端分子讲会受到全世界人民的惩罚。
支持的顶起

Hosazian'ny vahoaka manerantany ireo ekstremista tsy miraharaha ny fiarovana ny vahoaka sy manao asa fampihorohoroana.

Toy ny mahazatra, Danwei [4] sy Shanghaiist [5] no lohalaharana tamin'ny vaovao. Shanghaiist mampifandray ny lahatsoratra GoKunming [6]izay mijery fa mety ho telo ny isan'ny fipoahana omaly. Mpaneho hevitra iray ao amin'ny Danwei manasongadina [7] siosion-dresaka fa dimy ny isan'ny fipoahana. Ao amin'ny fanehoan-kevitra ao amin'ny lahatsoratr'i Danwei ihany, mavitrika i Spelunker, mpaneho hevitra ao amin'ny bilaogy China mpila ravinahitra, izay nanamarika ny teny  [8]tamin'ny hafatra SMS izay namafisin'ny polisin'ny Kunming fa nalefa talohan'ny fipoahana voalohany:

Evidently somebody in Kunming sent the following text message warning around 5:30 am before the bombings:

“蝼蚁总动员……希望收到此短信的市民,不要在明天早上乘坐54、64、及84路工(公)交车……”
The Guardian translates it into English as:
“The general mobilisation of ants… (I) hope citizens receiving this message will not take bus lines 54, 64 and 84 tomorrow morning,”

Mazava fa nisy olona iray tany Kunming nandefa hafatra fampitandremana tamin'ny 5:30 maraina talohan'ny fipoahana:

“蝼 蚁 总动员 …… 希望 收到 此 短信 的 市民, 不要 在 明天 早上 乘坐 54,64, 84 及 路 工 (公) 交车 ……”
Izay raha adika [teny malagasy] dia mivaky toy izao:
“Fanetsehana ankapobeny ny vitsika … manantena (aho) fa tsy handray fiara fitateram-bahoaka laharana 54, 64 ary 84 rahampitso ny olom-pirenena mahazo ity hafatra ity,”

Ny tombatombana amin'izay mety ho anton'ny fanafihana dia toa manondro vondron'olona tsy lavitra an'i Kunming mpamboly fingotra tsy faly [9], ho ahiahiana voalohany, koa inona no idiran'ny vitsika amin'izany? Vitsika?? [10]