Serbia: Bilaogera miresaka momba ny fisamborana an'i Radovan Karadžić

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

(Azo alaina ihany koa ny endrika feo amin'ity lahatsoratry novakian'i Vera Serkovic ity. Midina eo amin'ny faran'ny pejy raha hiditra hihaino)

Andro vitsy monja taorian'ny fitsingerenan'ny faha 13 taonan'ny fandripahana tao Srebrenica, izay olona maherin'ny 7.000 no namoy ny ainy, ary sivily Miozolomana ny ankamaroan'izy ireo, voasambotra i Radovan Karadzic, filoha teo aloha tao amin'ny Repoblika Srpska.

Ny alin'ny 21 – 22 jolay, namoaka ny vaovaon'ny fisamborana avy hatrany ireo fampahalalam-baovao lehibe maro manerantany sy ny ankamaroan'ny media avy any Serbia.

Bilaogera maro avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Serba no gaga tamin'ny vaovao. Ireto ambany ireto ny fanehoan-kevitra voalohany avy amin'ny sasantsasany amin'izy ireo.

Ao amin'ny bilaoginy, Co ao amin'ny SLIKE I DOGADJAJI nanoratra hoe (SRP):

While I was prepering a report about my visit to Portland, I ran into the news that Radovan Karadzic has been arrested. I simply could not believe that it was true, but the news is published on all web sites.

[…]

Raha nanomana tatitra momba ny fitsidihako tany Portland aho, dia nihazakazaka tamin'ny vaovao fa nosamborina i Radovan Karadzic. Tsy nety nino aho hoe marina izany, saingy nivoaka tamin'ny tranonkala rehetra ny vaovao.

Hugh Griffiths, bilaogera B92, nanoratra ity tamin'ny teny Anglisy:

Many of us never thought we would see this day come, that the unholy trinity of the secret police, the criminals and the priests who protected you would ensure an enduring freedom until your dying day. But luckily for us, even pessimists are wrong, at least some of the time. […]

Maro amintsika no tsy nihevitra mihitsy fa ho tonga amin'izao andro izao isika, fa hiantoka fahafahana maharitra mandra-pahafatinao ny trinité tsy masina amin'ny polisy miafina, ireo mpanao heloka bevava sy ireo mpisorona izay niaro anao. Saingy hafaliana ho antsika, na dia diso aza ireo tsy mba manana fanantenana, farafaharatsiny tamin'ny fotoana sasany. […]

Bilaogera Dynhysbys ao amin'ny A K U L T U R A naneho ny fahafaham-pony (SRP) tamin'ny vaovao fisamborana an'i Radovan Karadzic:

[…] I am glad because this government is ready and has an intention to face the problems that are still pulling Serbia into the hell of the 90's. […]

[…] Faly aho satria vonona ity governemanta ity ary manana fikasana hiatrika ireo olana izay mbola mitarika an'i Serbia ho any amin'ny helo amin'ireo taona 90. […]

Misha avy amin'ny bilaogin'ny Doctor nitsikera ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisampirenena  ho an'i Yugoslavia teo aloha (ICTY), saingy nanoratra fa na dia tsy nino ny fitsarana aza izy, dia tia an'i Serbia mihoatra noho i Radovan Karadzic:

[…] No matter how bad the reputation of the Tribunal in the Hague is because of the acquittals of the cutthroats such as [Ramus Haradinaji] and [Naser Oric], and no matter how innocent Radovan Karadzic was (God will help him to prove it?), Serbia is always on the first place for me. […]

[…] Tsy maninona na ratsy laza aza ny Tribonaly ao La Haye noho ny fanafahana ireo lozabe tahaka an'i [Ramus Haradinaji] sy [Naser Oric], ary tsy maninona na tsy manan-tsiny aza i Radovan Karadzic (Andriamanitra hanampy azy hanaporofo izany?), Serbia hatrany no voalohan-toerana ho ahy. […]

[fandraketam-peo]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.