Miraondraona ny bilaogy any Azia Atsimo

(Marihina fa tamin'ny 2 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Vaovao farany avy amin'ny bilaogy avy any Azia Atsimo:

Bangladesh:

- Mankalaza ny fahalalahana ara-pinoana ao Bangladesh i Rehan ao amin'ny bilaogy Unheard Voices: Drishtipat Group Blog.

- Manana sary mahasondriana mampiseho ireo toerana manintona mpizaha tany ao Bangladesh ilay mpila ravinahitra any Etazonia Yoli Maya Yeh.

- Mamisavisa lalina ny orinasa mpaka tombombarotra mifanandrina amin'ny madinika any Bangladesh ilay mpaka sary fanta-daza iraisam-pirenena antsoina hoe Shahidul Alam .

Bhutan

- Mampahafantatra ny bilaogy South Asia Biz fa midika ho olana ny fanamboarana ny fiaranao ao Bhutan .

India:

- Manoratra momba ny krizin'ny rano mampiahiahy any Delhi i Amardeep ao amin'ny bilaogy Sepia Mutiny .

- Misaintsainana momba ny fahitana an'i Delhi amin'ny alina ny bilaogy A Time to Reflect .

Maldives:

- Mitsikera ny India demaokratika, izay mampitao fiadiana ny governemanta Maldiviana mpanao didy jadona ny bilaogy Pass the roti on the left side.

Nepal:

- Ny bilaogy United We Blog dia namoaka lahatsoratra mahaliana iray manamarina ny fanambarana nataon'i Nepal ho firenena laika sy ny fanafoanana ny ‘Fanjakana Haindoa’ mialoha ny fanavaozana ny lalàm-panorenana vaovao izay ataon'ny parlemanta vao naverina napetraka indray.

Pakistan:

- Manana lahatsoratra mahaliana momba ny antony niantsoana ny voankazo “datte” hoe voankazo Ramzan i Bilal Zuberi ao amin'ny bilaogy All Things Pakistan.

- Mampahafantatra i S. A. J. Shiraji ao amin'ny bilaogy Light Within fa nesorina ny tranokala proxy roa (pkblogs.com sy indblogs.com) izay nampiasaina mba hidirana amin'ireo bilaogy ao amin'ny blogspot voarara avy any Pakistan. Nanontany izy hoe, moa ve izany no faran'ny vanim-potoan'ny famahanana bilaogy any Pakistana ?

Sri Lanka:

- Miahiahy ny bilaogy Hell's Dire Agent amin'ny dingan'ny fandriampahalemana any Sri Lanka.

- Nampitandrina ny bilaogy South Asia Biz fa lasa olana lehibe tany Sri Lanka ihany koa ny tazomoka Dengue.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.