Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Shina: Mpanapoaka baomba miteraka sahotaka sy fahatezerana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tao Kunming, renivohitry ny faritanin'i Yunnan, fanapoahana baomba tamin'ny bus anankiroa no nitranga tao anatin'ny ora iray, nahatohinany tanàna ny marainan'ny 21 Jolay. Samy mitondra ny laharana faha-54 avokoa ireo bus roa ireo ary nitranga teo amin'ny arabe anankiray avokoa ny fipoahana, na dia tamin'ny 7:05 no nitranga ny voalohany ary tamin'ny 7:40 maraina kosa no nitranga ny faharoa. Amin'ny fitambarany roa no maty ary mihoatra ny 10 no naratra.

explosion site2

Ny vehivavy iray 35 taona maty teny an-toerana dia nolazaina fa an-dalana hody hankalaza ny tsingerintaonan'ny zanany.

Nanamafy ny polisy fa niniana natao ny toe-javatra fa tsy mbola tsy fantatra ny antony. Mety ho baomba voafahana mialoha hapoaka amin'ny fotoana voafaritra no nampiasaina tamin'izany araka ny hevitry ny polisy.

explosion site

Tsy azo ihodivirana fa niteraka sahotaka teo amin'ny Shinoa ny fanafihana, tsy noho ny maha-antomotra ny lalao olaimpika ihany, fa manampy ireo andiana rotaka nitranga manerana firenena izany. Nanaovan'ny bilaogera Wang Xuguang tsoakevitra ny fahatapohana nentiny tamin'ny filazana hoe:

恐怖主义离我们有多远?

Hatraiza moa ny halavitry ny fampihorohoroana amintsika?

Hatramin'ny fipoahana tao Zhangjiajie, ny fifandohana tao Weng’an, famonoana polisy ao Shanghai, ary hatramin'ny voina roa vao haingana namonoan'ny polisy misahana rotaka ny tantsaha anankiroa, efa mihahenjakenjana ny hozatry ny Shinoa. Na izany aza, na dia eo ho eo ihany aza ny fahavononan'ny olona ara-tsaina, mbola tsy fahita ny fikoropahana tahaka izao izay ianjeran'ny aloky ny fahafatesana amin'ny olon-tsotra tsy manantsiny.

Tamin'ny fifandirana niely talohan'izao, rehefa nitodika tany amin'ireo manampahefana miangatra ny loha-lefona, dia manondro ny tenany ho “mpanakorontana” ny tontolon'ny bilaogy sy ny teny am-bava, fa nanindry ny daholobe ny ankamaroan'ireny. Eny fa na dia polisin'i Shanghai miisa enina aza no maty voatsatok'antsy, dia tsy vitsy ny olona no naka toerana sy nahasahy naneho fangorahana an'i Yang Jia ilay mpamono.

Na izany aza, nihodina loatra ny sain'ny olona satria ny tsy manantsiny sy ny tsy nampahafantarina no nivantanan'ny fanafihana.

hndashu niteny:

强烈谴责针对平民的恐怖袭击罪行

Ny fanamelohana mafy indrindra ny fampihorohoroana mikendry ny olom-pirenena mahazatra.

老树根007 niteny:

炸老百姓的真是混蛋!

Zazasary tahaka ny ahoana ny manapoaka baomba vahoaka!

Ary misy ireo mpiserasera nihevitra fa misy ny vondron'olona mendrika kokoa ny hanapoahana baomba.

wjszhangm nanolo-kevitra:

看不起这帮废物,有种你去炸贪官啊?!脑C,和底层的草根过不去算个P本事

Henatra ho an'ireo vendrana ireo! manampahefana be kolikoly no tokony nanapoahanareo baomba! Adala, fa inona no eritreretinareo mahatonga anareo hankahala ny ny sarambabembahoaka!

Niely ny tenim-pahatezerana:

xpts0102

妈的,这般畜生,这么多贪官污吏不去炸,这么多土匪不去炸,炸无辜百姓算什么。

Iny ny an'ireny hena am-bifotsy ireny, ilay manapoaka boamba ny tsy manantsiny ary mamela manampahefana maro, jiolahy  maro dia maro ho ivelan'ny lasibatra.

岁在甲午 niteny:

炸贪官还能落个好名声,炸老百姓简直就是畜生。

Laza tsara raha nanapoaka baomba manampahefana voakolikoly, saingy biby ianao raha mamono ny sarambabem-bahoaka

Mbola tsy fantatra ny antsipirihany momba ny fipoahana, saingy hahazo tehaka ny valinteny haingana avy amin'ny polisy. Vonona haingana ny torohay taorian'ny zava-nitranga ary tsy nisy ny famerana ny antsafa ho an'ny mpanao gazety, ary tafiditra amin'izay ireo avy any Hong Kong.

Na dia izany aza, mbola mifono mistery ny antony sy ny tanjon'ny fipoahana. Ary ny fisian'ny olom-pirenena sasany nahazo hafatra lahatsoratra alohan'ny fanafihana niteraka fahamaroan'ny olona ahiahiana sy ny baraingo, ka nivondrona ny olona amin'ny aterineto nampiasa ny milim-pikarohana olona, miezaka ny hitady ny mpamono olona. Naneho hevitra ny mpiserasera fa hisy dikany indrindra amin'ny fampiasana mili-pikarohana olona ny fanentanana.

Nirohotra nankany amin'ireo Mpanafaka an'i Tibet ihany koa ny fironan'ny ahiahin'ny mpiady amin'ny fampihorohoroana.

Also, the anti-terrorism tide has rushed to Free-Tibetters, who were also the suspects.

对于藏独,疆独,回独等KB分子,除了必要的审讯要舌头,其余的应该就地枪毙

Ho an'ireo mpampihorohoron'ny fanafahana an'i Tibet, fahaleovantenan'i Xingjiang ary ny fahaleovantena Hui, ankoatra ny fitsarana ilaina, tokony tifirina avy hatrany reo.

Tonga angamba ny fotoana fitroarana. Inona ary iza no homena tsiny?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.