Mibilaogy hatry ny fahazaza: Atrikasa bilaogy eny an-tsekoly

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Uruguyan Children With OLPC laptop. Image Courtesy Pablo Flores

Ankizy Orogoaiana miaraka amin'ny solosaina findain'ny OLPC. Sary avy amin'i Pablo Flores.

Ny Planina Ceibal dia fandaharan'ny governemanta Orogoaiana hanome solosaina OLPC ho an'ny ankizy 6 hatramin'ny 11 taona (miisa 350.000) any an-tsekoly. Ahitana fidirana aterineto amin'ny wifi any an-tsekoly sy ny toeram-bahoaka ny fotodrafitrasa vao avy namboarina.

Pablo Flores nanoratra momba ny hevitra ambadiky ny tetikasa “Mibilaogy Fony Fahazaza”:

Bloggers Since Infancy is an idea that arose at a particular moment in Uruguay’s history in 2007, when the Ceibal Plan started to change our educational vision of children and the role that we must take as a society. At that time, the first stage of the plan was the distribution of laptop computers (OLPC XOs) with access to the internet for all of the children and teachers of the only school of the small interior village called Cardal.

Harnessing the potential of computers, an experimental school blog was created, which included photographs, texts, and schoolwork made with the computers and internet in class.

Ny Bilaogera Hatry ny Fahazazana dia hevitra nipoitra tamin'ny fotoana manokana teo amin'ny tantaran'i Orogoay tamin'ny taona 2007, raha nanomboka nanova ny fahitantsika momba ny fanabeazana ny ankizy sy ny andraikitra tsy maintsy raisintsika amin'ny maha fiarahamonina ny Planina Ceibal. Tamin'izany fotoana izany, ny fizarana solosaina finday misy fidirana amin'ny aterineto ho an'ny ankizy sy ny mpampianatra rehetra ao amin'ny sekoly tokana ao amin'ny tanàna kely anatiny antsoina hoe Cardal ny dingana voalohany amin'ny drafitra.

Manararaotra ny zavatra atolotry ny solosaina, noforonina ny sekoly fanandramana bilaogy, izay ahitana sary, lahatsoratra sy enti-mody natao tamin'ny solosaina sy aterineto any an-dakilasy.

Milaza ny fiantraikan'ny vatsy ara-bola avy amin'ny Rising Voices tamin'ny tetikasa Blogging Since Infancy [Mibilaogy Hatry ny Fahazaza] i Pablo:

The microgrant provided by Rising Voices in 2008 proposed to provide blogging workshops in various parts of the country, as a contest of featured blogs, as a way to provide incentives to blogging. It was a simple idea, but with a complex implementation because it meant to be proactive in new places and bringing it to the school and society, after a long distance relationship. For that reason, the project took on different characteristics, posing a constant debate about social participation in education and in particular, Ceibal Plan. In a way, the Rising Voices microgrant was the engine for this discussion and for various actions that took place later.

Ny vatsy kely avy amin'ny Rising Voices tamin'ny taona 2008 dia nanolo-kevitra hanome atrikasa bilaogy ao amin'ny faritra isan-karazany ao amin'ny firenena, tahaka ny fifaninanana bilaogy, ho fomba hanomezana vola fandrisihana hibilaogy. Tsotra ny hevitra tamin'izany, saingy sarotra ny manatanteraka satria midika fahavitrihana eny amin'ny toerana vaovao ary mitondra azy eny an-tsekoly sy eny amin'ny fiarahamonina, rehefa nisy fifandraisana lavitra. Noho izany antony izany, nandray toetra isan-karazany ny tetikasa, miteraka adihevitra hatrany momba ny fandraisana anjara ara-tsosialy eo amin'ny fanabeazana indrindra fa ny Planina Ceibal. Amin'ny fomba iray, ny vatsy avy amin'ny Rising Voices dia milina ho amin'ny fifanakalozan-kevitra sy ho amin'ny hetsika isan-karazany hitranga atsy ho atsy.

Tamin'ny taona 2008, natsangana ny fiarahamonina CeibalJAM mba hianarana bebe kokoa momba ny teknolojian'ny Planina Ceibal ary hanampy amin'ny fampivelarana ny rindrambaiko ho an'ny solosaina finday OLPC [Solosaina-Finday Iray isan'Ankizy]. Natsangana niaraka tamin'ny fanohanana ara-virtoaly sy ara-bola izany, mifototra amin'ny ezaky ny mpilatsaka an-tsitrapo. Nikarakara fihaonana ara-potoana ny CeibalJam ary natao tamin'ny volana lasa ny hetsika fahafito.

Ars-Electronica-ceibalJAM

Nahazo loka Prix Ars Electronica 2010 tao amin'ny sokajy fiarahamonina nomerika ny CeibalJAM. Iray amin'ireo loka lehibe indrindra teo amin'ny tontolon'ny kolontsaina nomerika ny Prix Ars Electronica.

Nanohy i Pablo Flores:

Finally in 2009, thanks to the push provided by another social organization, Tus Ideas Valen (Your Ideas are Valuable), which implemented the First National Blog Contest, where 10 featured blogs written from the Ceibal Plan computers were given prizes.

Farany tamin'ny taona 2009, noho ny tosika nomen'ny fikambanana ara-tsosialy hafa. Tus Ideas Valen (Sarobidy ny Hevitrao), izay nanatontosa ny Fifaninanana Bilaogy Nasionaly Voalohany, ka nomena loka ireo bilaogy 10 nosoratana avy amin'ny solosaina Planina Ceibal.

Nitantara momba ny loka tamin'ny fifaninanana bilaogy izahay ary avy eo nanasongadina ireo bilaogy sasany nandresy (Fizarana 1, Fizarana 2)

Bloggging workshop in School 93, Maldonado. Image courtesy Gabriela Correa

Atrikasa bilaogy eny an-tsekoly. Sary avy amin'i Gabriela Correa. 

Nahitana fianarana momba ny fampiasana ny bilaogy ho fianarana, fanitsiana lahatsary ary talenta hafa amin'ny isan-tsekoly nandresy ny sasany amin'ireo loka. Tamin'ny Asabotsy 17 Aprily, nandray anjara tamin'ny atrikasa roa momba ny bilaogy ireo ray aman-dreny, mpampianatra sy mpianatra ao amin'ny Escuela 93 de Maldonado – (Sekoly 93, Maldonado), atrikasa notarihan'i Diego F. Eng Roselli sy ilay mpampianatra Mariana Herrera. Ireto ny sasany tamin'ireo sary nandritra ny atrikasa.

Mampiseho sombiny tamin'ny atrikasa voalohany ity lahatsary ity.

https://youtube.com/watch?v=6rYoQxWIA3g

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.