- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia: Ekipan'ny mpanankarembe heverina ho tafiditra amin'ny fanafintohinana fampijaliana biby

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: nivoaka tamin'ny 19 oktobra 2009 ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy)

Namoaka rohy mankany amin'ny  lahatsary amin'izay lazaina ho zoo an'olon-tsotra an'ilay depiote mpanakarembe Gagik Tsarukian [1] ny mpisera Facebook. Fantatry ny ankamaroan'ny Armeniana amin'ny anaram-bositra Dodi Gago i Tsarukian izay heverina ho olom-pirenena manankarembe indrindra ao Armenia na dia taterina ho toa manondro ny mifanohitra amin'izany [2] aza ny tamberin-ketrany.

Ilay tompondaka taloha amin'ny taranja tolona ihany koa no filohan'ny antoko politika faharoa lehibe indrindra ao amin'ny Antenimieram-Pirenena Armeniana sady filohan'ny Komity Olaimpika Nasionaly Armeniana.

tsarukian_tweet [3]

Tsy vahiny amin'ny zavatra mampiady hevitra, indrindra rehefa hita ireo tatitra avy amin'ny gazety ao an-toerana izay mampifandrohy ny mpiambina azy manokana amin'ny tifitifitra sy fidarohana mpanao gazety, hita tamin'ny alalan'ny Twitter ny fahatafintohinana farany indrindra mahatafiditra ny sasany amin'ireo manodidina azy.

Voafafa haingana ny lahatsary rehefa nivoaka tamin'ny Facebook ny tantara momba izany ary voampita haingana ny rohy (nahitana ny lahatsary). Naverina nivoaka tao amin'ny DailyMotion ny lahatsary avy eo. Namehy ny fahatsapan'ireo maro nahita ny lahatsary tamin'ny fotoana nanoratana i [4] Unzipped .

Thanks to a tweet by @GoldenTent [5], I came across this link to the YouTube video, which alleges that Armenian oligarch and head of ruling Bargavatch Hayastan (‘Properous Armenia’) party Gagik Tsarukyan stages this fight between his lions and a donkey. (or it was staged at his ‘private zoo’)

[…]

This is so disgusting that at first I could not force myself watching beyond the first few seconds. Then I forced myself… I felt physically sick after watching this video.

Any country, any society which has any prospect of calling itself a “civilised” should ban these sorts of outrageous displays of animal cruelty, and perpetrators should be held responsible before the law.

Noho ny siokan'i @GoldenTent [5] dia tonga amin'ny rohy mankao amin'ny lahatsary YouTube aho, izay lazaina fa manomana ady eo amin'ny lionany (maro) sy ny ampondra iray ny Armeniana iray mpanankarembe sady mpitarika ny antoko mitondra  Bargavatch Hayastan (‘Armenia Manana ny Ampy’)

[…]

Tena naharikoriko ilay izy ka tsy nahajery mihoatra noho ny segondra vitsivitsy aho. Avy eo aho nanery ny tenako… Nahatsiaro narary ara-batana aho rehefa avy nijery ilay lahatsary.

Tokony handrara ny fampisehoana ny habibian'ny biby ka manafintohina tahaka ireny izay firenena, na fiarahamonina te-hiantso ny tenany ho “sivilize”, ary tokony hotazonina ho tompon'antoka eo anoloan'ny lalàna izay manao mandika izany lalàna izany.

Tamin'ny Febroary, nisy lahatsary YouTube iray nanasongadina fihazana tsy ara-dalàna tao amin'ny fitehirizan-javaboary Armeniana iray [6] izay niafara tamin'ny fialan'ny lehiben'ny mpiambina ny zavaboary. Na izany aza, raha mampiseho izay hitan'ny maro tokoa ny lahatsary, dia mbola ho hita eo raha hisy ny hetsika ho setrin'izany na tsia.

http://www.dailymotion.com/swf/xaux72

‘Liona mifandramatra amin'ny ampondra, mandresy ny ampondra’ [7]

Navoakan'i againstanimalcruelty [8]. –