Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tatitry ny Mpisera : Tao Nikaragoà, Fihetsiketsehana Niteraka Fibahanana ireo Media Sasany, Fanafihana DDoS ary ny Fahafatesan'i Angel Gahona

Hetsika an-dalambe tao Managoà, renivohitr'i Nikaragoà, aprily 2018. Sary an'ny Voice of America, lisansa Wikimedia Commons.

Ny Tatitry ny Mpisera an'ny Advox dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena ary fironana malaza momba ny zo an'aterineto manerantany.

Araka ny nambaran'ny Ivontoerana Nikaragoaiàna ho an'ny Zon'Olombelona, 34  raha kely ireo olona maty [ES], ka 1 mpanao gazety, nandritra ireo fihetsiketsehana [FR] tao Nikaragoà tamin'ny herinandro lasa iny-.

Nisolo toerana ny fitakiana fanavaozana ny fiahiana ara-tsosialy ny hasosoranan'ny vahoaka amin'ny fitantanan'ny filoha Daniel Ortega [FR], eo amin'ny fitondrana efa nandritra ny 11 taona, ary tomponandraikitra politika hatramin'ny nanaovana ny revolisiona sandinista tamin'ny 1979. Takian'ny sasany araka izany ny hametrahany fialàna.

Marobe ireo fantsom-pahitalavitra no nesorina tsy hahazo alàlana handeha intsony na voaràra tsy handefa ireo hetsi-panoherana, ary onjampeo iray no nisy nandoro [ES]. Ireo tranonkala tsy miankina La Prensa sy Confidencial [ES], mpizara vaovao ao an-toerana indray dia niharan'ny toa fanafihana (DDoS) (fomba fanasemporana lohamilina mba tsy ho afaka hamaly ny tolotra andrasana aminy). Samy nandrakotra ny hetsika teny an-kianja izy roa ireo.

Ny 23 aprily,  tsy afaka nidirana intsony[ES] nandritra ny ora fito ny tranonkala Confidencial. Tao anaty bitsika iray nanamafy ny fisian'ireo fanafihana, nanoratra toy izao ny toniandahatsoratra Carlos Chamorro :

HO AN'NY MPAMAKY ANAY, tsy afaka idirana intsony tato anatin'ny ora telo ny tranonkala Confidencial. Hitanay fa resaka fanafihana nikendrena anay nataon'ireo fahavalon'ny fahalalahana maneho hevitra ilay izy. Amperinasa mamerina amin'ny laonininy ny fifandraisana ny mpitantana ato aminay. Ho ambara aminareo ety anaty tambajotra sosialy ihany.

Tao amin'ny tranonkalany, nomelohin'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Iraisan'ireo ao Amerika ireo fanafihana ireo.

Tao Bluefields, tanàna nikaragoaiàna any amorontsirak'i Karaiba, maty voatifitra i Angel Gahona  [ES] mpampita vaovao amin'ny alàlan'ny lahatsary raha teo ampandraketana no sady nandefa mivantana tamin'ny Facebook ny fifandonan'ny polisy sy ireo mpanao hetsipanoherana. Niaina niaraka tamin'ny ankohonany izy ary nitantàna media kely iray antsoina hoe El Meridiano. Marobe ireo vavolombelona nilaza fa, teny an-toerana, ireo manampahefana irery ihany no hany nilanja fitaovampiadiana matanjaka afaka hitifirana sy hamonoana olona. Tsy mbola namoaka fanambaràna momba ilay fahafatesana ny polisy.

Tsy maty teo noho eo i Angel Gahona. Mbola vitany araka izany ny nandrakitra ireo fotoana taorian'io, voajery nanerana izao tontolo izao tao amin'ny Youtube sy tany amin'ireo tranonkalanà media isankarazany. Tao anaty antsafa iray niarahana tamin'ny Univisión [ES], nilaza ny anabaviny fa : « tsy azoko veroka velively mihitsy hoe izy no handrakitra an-tsary ny fahafatesany. »

Nomelohin'ny Fikambanan'ireo Firenena ao Amerika [ES] sy ny Kaomisiona Iraisan'i Amerika momba ny Zon'Olombelona ny fibahanana ireo media sy ny famonoana an'i Angel Gahona. Ao amin'ny GoFundMe [ES], nangataka tohana ara-bola ny fianakaviany mba hikarakaràna ny fandevenana sy hiatrehana ny hoavy.

Espaniola mpikatroka voasambotra fa hoe nanevateva ny fitondram-panjaka tao amin'ny Facebook

Roberto Mesa, mpikatroka iray ety an-tserasera avy ao amin'ny nosy espaniola Tenerife, no nosamborin'ny polisy tao an-tranony ny 18 Aprily taorian'ny namoahany hafatra iray tao amin'ny  Facebook nanolo-kevitra hoe ireo Bourbons, fianakavian'ny mpanjaka, dia tokony hatsipy hohanin'ny antsantsa: Los Borbones, a los tiburones.Ireo mpomba dia efa mihevitra ny hahita azy ho voaheloka araka ny lalàna espaniola momba ny filaminam-bahoaka[FR], antsoin'ny rehetra amin'ny hoe « lalànan'ny tampimbava » (Ley Mordaza), izay manery n y fametrahana ireo fandraràna marobe an'ireo hetsi-bahoaka sy ety anaty aterineto.

Fanafihana DDoS nanjo ny tranonkala tanzaniàna iray

Tamin'ity herinandro ity, voabahana nandritra ny fotoana fohy ny tranonkala tanzaniàna fizaràna vaovao sy fifampiresahana, Jamii Forums, noho ny fanafihana DDoS. Fantatra amin'ireo fifanakalozana resaka ara-politika mafàna ao aminy sy ny famoahana ireo raharahanà kolikoly eny anatin'ireo fanehoankevitra sy adihevitra ao aminy, amin'ny endrika tsy mifanalavitra amin'ny an'ny Reddit, Jamii no mahasolo tena ireo tranonkala malaza indrindra ao Afrika Atsinanana. Noho ny fandàvany tsy hanome fahafahampo ny fangatahan'ny polisy ny mombamomba ireo mpikambana mampiasa ilay sehatra fifampiresahana, dia henjehina ankehitriny araka ilay lalàna tanzaniàna momba ny heloka an-tserasera ilay mpiara-nanorina azy sady tompony, Maxence Melo.

Voaaron'ny tsindry ataon'ireo mpisera amin'ny aterineto mba tsy hiharan'ny sivana ireo votoaty miresaka LGBT ao Shina

Ety anaty tambajotra sosialy, nanaovan'ny hetsika #IamLGBT tsindry tamin'ny milina shinoa napetraka ho fanarahamaso ny vaovao mba hialàny amin'ny fanivànana ireo votoaty LGBT ety anaty aterineto. Taorian'ny fanambaràn'ny Weibo ny fisian'ny famoretana nandritra ny telo volana natao an'ireo lalào, ireo votoaty ‘multimedia’ sy LGBT, in-500.000 nampiasaina ny tenifototra #IamLGBT ary in-500 tapitrisa notsirihana. Tao anatin'ny andro vitsivitsy monja, ny fanontàn'ny antoko kaominista shinoa, Ny Gazetimbahoaka mpiseho isanandro, dia namoaka filazalazàna iray nanambàra fa tsy tokony hafangaro aminà votoaty natao ho an'ny sarambaben'olona, misy herisetra na vetaveta ireo votoaty LGBT, ary nambaran'ny Weibo fa tsy hovoasazy intsony ireo votoaty LGBT.

Rosia : orinasa mpamorona ‘trolls’ ka hatrany amin'ny masoivohom-baovao?

Nambaran'ny orinasa iray mpamorona ‘trolls’ mifamatotra amin'ny Masoivoho Fikarohana momba ny Aterineto ao Saint-Pétersbourg ny fikasàny hanomboka orinasa iray vaovao hitondra ny anarana USA Really, amin'ny volana ho avy io. Ilay tetikasa, izay tany am-piandohany no efa nasian'ny EU vs Disinfo fanamarihana, dia maka fomba fijery lalim-pàka manohitra ny resaka tsy fitiavana tandrefana sy ny fahalalahan-tsaina izay nanamarika ny asa teo aloha nataon'ny Masoivoho Fikarohana momba ny Aterineto, nameno ny pejy voalohany tamin'ireo gazety erantany tamin'ny 2016, taloha sy taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tao Etazonia. Ny fikambanana RIA FAN, izay misora-tena ho toy ny « trano filazambaovao », dia nanambara fa:

The information flow coming from the US and its allies, which is aimed at discrediting the Russian Federation, should not remain unanswered by the Russian media…The Federal News Agency (FAN) is not going to put up with the hegemony of the US authorities in the information field.

Ny tosaky ny vaovao avy any Etazonia sy ireo mpiaradia aminy, izay mikendry ny hanaratsy ny Federasionan'i Rosia, dia tsy tokony hijanona tsy hisy setriny avy amin'ireo media rosiana… Ny masoivoho federaly mpilaza vaovao (FAN) tsy handeha hianona amin'ny mety ho fahambonian'ireo manampahefana amerikana eo amin'ny sehatra filazambaovao.

Nanaisotra lahatsary an-tapitrisa miaty herisetra ny YouTube

Teo anelanelan'ny Oktobra sy Desambra 2017, 8,2 tapitrisa ireo lahatsary niaty herisetra notsoahan'ny Youtube, ka 6,68 tapitrisa tamin'ireo no hita ho azy avy amin'ny alàlan'ny rafitra napetrany hitiliana ireo sary miaty fanararaotana ara-nofo sy fanaovana an-tendrony feno herisetra. Tao anatin'ny tatitra farany nataony momba ny mangaraharaha no navoakan'ilay orinasa ireo fampahafantarana ireo. Sambany no nisy orinasa goavana avy ao Silicon Valley nampiditra antsipirihany tahàka izany momba ireo votoaty nofafàna tao amin'ny sehatra iray. An'iza no manaraka ?

Navoakan'ny Facebook ny taridàlana anatiny mifandraika amin'ny fandrindràna votoaty

Nandray fepetra i Facebook hanaovana izay hampangarahara kokoa ny fitsipiny momba ny fandrindràna ireo votoaty, tamin'ny alàlan'ny famoahana ny sasantsasany tamin'ireo taridàlana anatiny izay arahan'ireo mpandrindra ao aminy ho fampanajàna ny fenitra ara-piarahamonina. Nahatak'ilay orinasa ireo torohay momba ny olana tahàka ny asa fampihorohoroana mba hisorohana ny fakàn'ireo mpampiasa azy tombony avy amin'izy ireny.

Nambaran'ilay orinasa ihany koa ny fikasàny [EN] hamela ireo mpampiasa azy hanohitra ny fanesorana ny sary, ny lahatsary na ny hafatra iray, ankoatra ny fanesorana ny kaonty na pejy iray tafiditra aminà sokajinà votoaty sasantsasany. Amin'ny hoavy, marihan'ny Facebook fa homeny fahafahana manolotra hevitra sy fanazavàna fanampiny momba ilay votoaty ny olona rehefa misy votoaty nanaovana fanamarihana sy nesorina.

Fikarohana vaovao

 

Misorata anarana handray ny Tatitry ny Mpisera Amin'ny Imailaka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.