- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Midika ho fiverenan'ny voronkely tiana ny lohataona ao Japan

Sokajy: Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Vaovao Tsara
Swallows in Umeda Station [1]

voronkely mpitelina ao amin'ny garan'i Umeda, Osaka. Avy amin'ny mpisera Flickr muzina_shanghai. Lisansa: CC BY-NC-ND 2.0

Isaky ny lohataona no andraisan'i Japan ny fiverenan'ny famonin'ny serizy (voarohy) [2], fahavokaram-bary [3], ny fielin'ny vovombony [mg] [4] — ary ny voronkely mpitelina eny an-tsompitra. Vahiny tonga soa eny amin'ny gara, sekoly, andohalambon'ny fivarotana na aiza na aiza azon-dry zareo ananganana akany ny voronkely mpitelina an-tsompitra.

Ho fanamarihana ny fanombohan'ny lohataona, nanangona ireo karazan-tsioka [5] fiarahabana ireo voronkely mpitelina tonga soa niverina ao Japan isaky ny volana avrily isan-taona ny Fundo, tranonkala japoney iray mpamory ireo sary-sy-soratra an'aterineto.

Marika: Tonga soa indray ry mpitelina!

Sioka: Tadiavinay ny hananganan'ny voronkely mpitelina akany, ary rehefa nametraka ity akany ity izahay ary namorona ity afisy ity, dia azo itokisana, nanapakevitra ny (hikotrika) hanorina akany ry zareo! Am-panorenana akanim-borona iray eo anilan'ny fidirana ny fivarotanay ny mpitelina, ka raha sendra mijanona eo ianao, dia mba itodiho ihany ry zareo!

Vorona mpifindramonina mpandeha asara (andro mafana) any Filipina, Vietnam, Malayzia, Indonezia ary ny firenenkafa [8] ny mpitelina an-tsompitra (Hirundo rustica [9], fantatra ho ‘tsubame’ amin'ny teny japoney) mialoha ny hiverenan-dry zareo ao Japan isaky ny Aprily (hikotrika) hanorina akany. Tazamason'ny mpandeha fitateram-bahoaka ireo vorona ireo:

Eto amin'ny garan'i Tobu Tojo Shinrinkōen aho amin'izao fotoana izao. Hita indray ho eo am-panorenana ny akaniny amin'ity taona ity ry mpitelina.?

Koa satria moa hita hanorina akany na aiza na aiza eto Japan ny mpitelina, dia misy ny fikarakarana manokana hiarovana ireo mpandalo tsy ho tratran'ny zavatra alatsany:

(Tama City News) Sehatra iray navelatra ambanin'ny akanim-borona iray hitatazana izay alatsany (ao amin'ny garan'i Keio Wakabadai [15]).

Swallows in Japan [16]

Sary: “Hafatra avy amin'ny mpitelina eto amin'ny garan'i Kori, Okutama.” avy amin'ny mpisera Flickr Hajime NAKANO. CC BY 2.0

(dikantsoratra) Avy amin'ny mpitelina mponin'ny garan'i Kori: “Ho eo ambany fikarakaranareo indray izahay amin'ity taona ity. Raha mety hahasorena ny fiavelanay, dia manantena izahay fa tsy horaharahianareo izany mandra-piverinay indray any an-tanindrazanay any atsimo.”

Tsy masiaka ireo vorona ireo ary matetika mampiseho ny tsi-fatahorany ireo olombelona mpampiatrano:

E ry mpitelina a! Misy olombelona eto! Nahoana ianareo no tsy mandositra, tpt? Efa zatra anay olombelona ihany koa ianareo! ??

Fohy ihany ny fotoana itoeran'ny mpitelina miaraka amin'ny olombelona. Alohan'ny farany volana mey, efa saika mandao ny akaniny avokoa ireo vao foy:

Tsy handre intsony ny fikiririokan'ny mpitelina aho. Omaly teny an-dalana ho any an-tsekoly aho nahita mpitelina nandao ny akaniny. vorona vao foy enina no nahomby tamin'ny fisidinana handeha lavitra…mahalasa sento!

Ho an'ny Japoney maro, andrasana isaky ny lohataona ny fiverenan'ny mpitelina, sy zavatra iainana mampanakarena ny saina.

Mitondra hafaliana lehibe ireny vorona ireny. Te-hikarakara fatratra azy ireny aho