- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Balkans: Mankatoa ny fijoroan'i Kosovo i Makedonia sy i Montenegro

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Kosovo, Makedonia, Montenegro, Rosia, Serbia, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, gazety, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: tamin'ny 15 oktobra 2008 ny lahatsoratra teny anglisy)

Tamin'ny 9 Oktobra [1], ankatoavin'i Montenegro sy i Makedonia ny fahaleovantenan'i Kosovo [2].

Nanamarika i Douglas Muir avy ao amin'ny A Fistful of Euros fa “kisendrasendra, nampitombo ny isan'ny firenena mankatoa ho 50 indrindra izany.” Nofariparitany ny lanjan'ny toe-javatra [3] amin'ny teny ankapobeny:

[…] Macedonia and Montenegro are small countries, but they have outsized importance because (1) they’re neighbors of both Serbia and Kosovo, (2) they’re EU-members-to-be, and (3) they’re former Yugoslav Republics. So while this is no surprise, it’s still interesting. […]

[…] Firenena madinika i Makedonia sy i Montenegro, saingy misy lanjany lehibe ry zareo satria (1) samy mpifanolobodirindrina amin'i Serbia sy Kosovo ry zareo, (2) ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ry zareo, ary (3) Repoblika Yogoslavy taloha ry zareo. Ka na dia tsy mahagaga aza izany dia mbola mahaliana hatrany. […]

Viktor Markovic avy ao amin'i Belgraded (bilaogy fantatra teo aloha ho Belgrade 2.0) nanolotra [4] amin'ny andrika mampihomehy ny “endrika fohy tamin'izay nitranga sy izay mety hitranga”:

[…] Now, both Montenegro and Macedonia decided to recognize Kosovo. Kosovo will probably return the favour by recognizing them back. While they’re at it, they could decide to recognize South Ossetia and Abhazia, provinces who decided to declare independence from Georgia (not the American one, but the one next to Russia) this year. That way Kosovo would support Russia in helping South Ossetia and Abhazia break away, but it would upset the United States and the rest of the world who oppose Russia, but support Kosovo, Montenegro, and Macedonia in their independence efforts. Serbia should support Georgia because we know what it’s like to be deprived of territory, right, but that way we would upset Russia, our best friend when it comes to not recognizing Kosovo. Georgia, US already recognized Kosovo, but Georgia (the country) should definitely not recognize it, because they clearly do mind provinces breaking away from countries. But if they don’t recognize it, they could upset the US and the other countries who recognized it.

Russia first said that it’s not ok for a province to break away, but now says it’s ok. USA first said that it’s ok for a province to break away, but now says that’s a bad thing and a big no-no. […]

[…] Ankehitriny samy nanapa-kevitra ny hankatoa ny fijoroan'i Kosovo i Montenegro sy i Makedonia. Hamaly amin'ny fankatoavana azy ireo ihany koa angamba i Kosovo. Rehefa eo ihany ry zareo, dia mety hanapa-kevitra amin'ny fankatoavana an'i Ossetia Atsimo sy Abhazia, faritany nanapa-kevitra ny hanambara ny fahaleovantenany manoloana an'i Georgia (Tsy ilay Amerika, fa ilay manakaiky an'i Rosia) amin'ity taona ity. Amin'izay fotoana izay i Kosovo hanohana an'i Rosia amin'ny fanampiana amin'ny fisintahan'i Ossetia Atsimo sy i Abhazia, saingy handiso fanantenana an'i Etazonia sy ny ambiny amin'izao tontolo izao mifanohitra amin'i Rosia izany, saingy hanohana an'i Kosovo, i Montenegro ary i Makedonia amin'ny ezaka ataon-dry zareo ho amin'ny fahaleovantenany. Serbia izao tokony hanohana an'i Georgia satria fantatsika ny hoe ahoana izay anesorana ampaha-tany izany, mety, fa amin'izay fotoana izay isika handiso fanantenana an'i Rosia, namana akaiky antsika indrindra raha eo amin'ny resaka tsy fankatoavana an'i Kosovo. Efa nankatoa ny fijoroan'i Kosovo i Georgia, i Etazonia, saingy tokony tsy nankatoa izany mihitsy i Georgia (ilay firenena), satria hita ao ny faritany misintaka amin'ny firenena. Saingy raha tsy mankatoa izany ry zareo dia handiso fanantenana an'i Etazonia sy ny firenenkafa efa nankatoa azy.

Nilaza i Rosia tamin'ny voalohany fa tsy mety ho an'ny faritany no misintaka, saingy miteny ry zareo fa mety izany izao. Nilaza i Etazonita tamin'ny voalohany fa mety amin'ny faritany iray no misintaka, saingy ankehitriny ry zareo milaza fa zava-dratsy izany ary dia misy tsia-tsia goavana […]

Nandefa izao fanehoan-kevitra izao tao amin'ny lahatsoratr'i Viktor ny mpamaky iray antsoina hoe Owen:

I think you’ve over-simplified.

Mihevitra aho fa tsorinao be loatra izy izany.

Namaly i Viktor tamin'ny fanolorana lalana iray “hahatonga ny toe-javatra hisaritaka sy hahaliana bebe kokoa” -izay mety hahatonga an'i Serbia “hanaisotra ny fankatoavany an'i Montenegro sy i Makedonia”:

[…] I don’t know if that’s even possible, to un-recognize a state, but that’s what we are trying to persuade other countries that recognized Kosovo to do, right? So we should set an example and un-recognize Macedonia and Montenegro. […]

[…] Tsy haiko hoe mety ho azo atao ve izany, manaisotra ny fankatoavana ny fijoroan'ny fanjakana iray, saingy toa izany no ataontsika handresena lahatra ny firenenkafa efa nanktoa an'i Kosovo ho atao, sa tsy izany? Ka noho izany tokony hanao ho ohatra isika ka hanaisotra ny fankatoavana an'i Makedonia sy i Montenegro. […]

Vitaly avy ao amin'ny The 8th Circle nanamarika [5] ny sasantsasany amin'ny fiantraikan'ny fankatoavan'ireo mpifanolo-bodirindrina amin'i Serbia ny fijoroan'i Kosovo – fifandonana any Montenegro sy ny fandroahana ny ambasadaoron'ny firenena anankiroa hiala an'i Belgrade – saingy nofaranany tamin'ny fanamarihana miabo izany:

[…] My guess is that the protests are an immediate expression of rage, and should not become a problem in the long-run, but that may change depending on whether the animosity is permitted to crystalize and become imprinted in people’s memory. Or, will the parties choose to look to the future where borders, under the auspices of the EU, matter little?

Ny fanombanako dia ny fihetsiketseham-panoherana no fanehoana eo noho eo ny haromotana, fa tsy tokony ho lasa olana maharitra, saingy mety hiova izany araka ny amelana ny fahatezerana ho mafy orina ka ho lasa voasokitra ao amin'ny tsiarom-bahoaka. Sa, hitodika any amin'ny hoavy ve ny andaniny sy ny ankilany fa any tsy dia misy antony loatra ny sisintany, rehefa eo ambany fambomban'ny Vondrona Eoropeana?

Jonathan Davis avy ao amin'ny LimbicNutrition Weblog nanoratra [6] fa “manohana an'i Kosovo mahaleotena izy,” mila an'i “Serbia ho ao anatin'ny Vondrona Eoropeana haingana araka izay azo atao” – saingy “leon'ny lainga, fitaka, fihatsarambelatsihy sy fampijaliana” ataon'ny “fiarahan'ny Vondrona Eoropeana/Etazonia/kosovo” izy. Ho azy, tsy hitany hamirapiratra ny fitodidihan-dian'i Makedonia sy i Montenegro :

[…] Now, however, they will also have to live with the anger of their largest trading partner and the destabilising effect that their recognition will have on their internal political situations. […]

[…] Ankehitriny, anefa, mila miaina amin'ny fahatezeran'ny mpiara-miombon'antoka ara-barotra lehibe indrindra amin-dry zareo ry zareo sy ny mety ho fikorontanana amin'ny vokatry ny fankatoavan-dry zareo eo amin'ny politika anatiny. […]

Raha nanoratra momba “ny fironan-tsafidy lehibe mankany amin'ny famelana ny fanambin'i Serbia hanohitra ny maha-ara-dalàna an'i Kosovo ao amin'ny Fitsarana Iraisampirenena” izay nialoha ny fankatoavan'i Makedonia sy i Montenegro an'i Kosovo, nanolo-kevitra i Jonathan fa “natao hisy fiantraikany ara-tsaina sy ara-pampielezan-kevitra” ny “drafitra efa niomanana mialoha hanerena ireo firenena kely roa mpifanolo-bodirindrina amin'i Serbia […] hankatoa an'i Kosovo ao anatin'ny iray andro mialoha ny fandatsaham-bato”:

[…] (1) To ruin the party for the Serbs and (2) to reset the frame by getting the global media’s focus away from Serbia’s UN victory and focussed on Serbia supposedly by being “stunned” by Montenegro and Macedonia’s “betrayal”. […]

[…] (1) Handrava ny (fanohanana ny) Serba sy (2) hampivily ny maso tsy hitodihan'ny fampitam-baovao manerantany any amin'ny fandresen'i Serbia tao amin'ny Firenena Mikambana ka hampîfantoka ny lazaina ho “fahagagàn'i ” Serbia amin'ny “fivadihan'i” Montenegro sy i Makedonia. […]

Nosoratany ihany koa ny “tohin'ny teti-panorona fanompàna amin'ny faharatrana”:

[…] the Nobel Peace Prize being awarded to Martti Ahtisaari, a loathed figure in Serbia, widely considered to be blatantly pro-Albanian and the man who handed Kosovo its (illegal) independence. The prize was expected [7] to be awarded to imprisoned Chinese dissident Gao Zhisheng, but the committee decided instead to continue its tradition of politically motivated awards [8], almost certainly in my opinion as part of the co-ordinated response to Serbia’s UN victory. […]

Ny loka Nobel Fandriampahalemana nomena an'i Martti Ahtisaari, olo-malaza ankahalaina ao Serbia, izay noheverin'ny maro ho pro-albaney mivandravandra sady ilay rangahy nanolotra an'i Kosovo ny fahaleovantenany (tsy ara-dalàna). Nantenaina hatolotra an'i Gao Zhisheng, Shinoa mpanohitra nogadraina izany loka izany, saingy nanapa-kevitra ny hanohy amin'ny fahazarany misy ambadika politika ny komity, ary azo heverina tsara mihitsy ho valin'ny fandresen'i Serbia tao amin'ny Firenena Mikambana. […]