- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Bengalooru Bangalored!

Sokajy: Azia Atsimo, India, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsratra nivopaka tamin'ny Desambra 2007)

Miaraka amin'ny fialantsiny maro ho an'ny Prof. TT Ram Mohan izay nitondra ity lohateny feno aingam-panahy ho an'ity lahatsoratra ity, ary izay nindramiko am-pifaliana taminy.

Ny fisandratan'i Bangalore avy amin'ny tanàna-zaridaina ho lasa tanàna feno tranobe vy sy fitaratra ary ivontoerana informatika lehibe ao India dia loharanom-pahalianana ho an'ireo mpanao gazety, blaogera sy hafa. Nandritra ny faran'ny herinandro Outlook, gazetim-pirenena malaza amin'ny teny Anglisy no nametraka ny tantara fandrakofany ho ny an'i Bangalore, ilay renivohitry ny fanjakana atsimon'i Karnataka izay nanao ny rakibolana  informatika ho amin'ny teny maro. Mitondra lohateny manintona saina ilay tantara fandrakofana: Fa Maninona No Halan'i Bangalore Ny Kolontsain'ny (IT) Teknolojian'ny Fampahalalambaovao. Toy ny efa nampoizina dia niteraka resabe teo amin'ny tontolon'ny aterineto ity tantara ity.

Manoratra ity lahatsoratra Bengalooru Bangalore-d [1] ity ny Prof TT Ram Mohan:

“Inona no tena mampalahelo ny vahoakan'i Bangalore amin'ireo olon'ny IT? Ny tsinjery maimbon'ny fitarainana dia ahitàna an'ireto: fitomboana tsy mitsahatry ny vidin'ny trano noho ny fahafahana mividy ananan'ireo mpiasa amin'ny IT, ny fakàn'ireo orinasa misahana IT ireo ny tany tsara, ny kolontsain'ny trano fisotroana sy ny ‘disco’ ary ireo mpiasan'ny IT omena tombon-dahiny eo amin'ny tsenan'ny fampakarambady”

Mazava loatra fa misy karazana tsy fifanarahana teo amin'ny Bengalooru ary manontany tena mikasika ny vahaolana mahomby ho an'ny tanàna ny Prof Ram Mohan . Manoratra izy:

“Noho izany, inona ary no ataontsika? Hanary ny IT? Tsia mihitsy. Afaka manampy ve ny fitiava-nàmana lehibe kokoa? Amin'ny ankapobeny, angamba – ohatra, oniversite iray mirijarija mihdina amin'ny vidiny azo ihorirànana amin'ny fanolorana informatika dia mety hanampy amin'ny fanatoniana ny fon'ny vahoaka.
Saingy ny fanitsiana goavana indrindra, dia heveriko fa ho avy amin'ny tontolon'ny toekarena izay niteraka ny firoboroboan'ny informatika – tsy misy tany atao fanomezana intsony, fihenan'ny tombombarotra avy amin'ny fiakaran'ny rupee ary ny vidiny ( ao anatin'izany ny fandroahana ao amin'ny sehatry ny informatika) ary fifantohana bebe kokoa amin'ny toekarena eto an-toerana avy amin'ireo orinasa informatika eo anatrehan'ny fisondrotan'ny rupee.”

Any Churumuri [2], misy adihevitra mafàna momba ilay lahatsoratry ny Outlook sy Fa Maninona No Halan'ny Bangalore Ny Kolontsaina Anglisy? Apetaho eo amin'ilay lahatsoratra [3] ny voalavokelinao mba ahitana ny zavatra tian'ireo mponina ao an-tananan'i Bangalore momba ny tanànany ary ny zavatra tsy vitan'ny lahatsoratra ny nandrakotra azy.

Kanefa, tokony homena tsiny ve ny sehatra IT noho ny toe-draharaha Bengalooru? Manoratra i Abi avy ao Nanopolitan [4]:

”Raha am-pamakiana ity, amiko dia toa ny olona – na dia ireo tokony hahafantatra bebe kokoa aza – dia manondro ho andraikitry ny sehatry ny informatika izay tena tokony ho apetraka eny antokonam-baravaran'ny fanjakana.”

Tsy ny lahatsoratry ny Outlook irery ihany no manana olona miresaka mikasika an'i Bangalore, ny politika eo an-toerana sy ny toe-draharaha ankapobeny ao amin'ny firenena no manana mponina avy amin'ny tanàna lavitra miresaka an'i Bangalore ho toy ny fandraharahàna ratsy. Jaideep VG, mpanao gazety sady mpanolotsaina media, izay monina ao Bengalooru no manoratra ao amin'ny blaoginy Out of India [5]:

“Tamin'ny herinandro lasa teo, nandritra ny sakafo antoandro niarahako tamina mpandraharaha Holandey iray nipetraka sy niasa tany India nandritra ny 12 taona ary tanora mpampianatra ao amin'ilay Sekoly Indiana Fianarana Raharahambarotra ao Hyderabad, tonga àry ilay lohahevitra mahakasika an'i Bangalore toy ny fototra azo anaovana fandraharahana. Ilay Holandey  mpandraharaha, izay nandany fotoana maro niasana tamina indostrian'ny sakafo am-bifotsy tao amin'ity tanàna ity, dia nanomboka tamin'ny resabe naharitra namelivelesany ny Praiminisitra HD Deve Gowda sy ny zanany lahy, ilay Minisitra teo aloha HD Kumaraswamy. ”Efa niasa nanao raharaham-barotra aho nandritra ny fitondran'i SM Krishna ary nandritra ity fanesoana nataon'ny governemanta mpiara-mitantana ity. Maharikoroko ahy ny fomba fandraisan”ireo olona ireo (Gowda sy Kumaraswamy) ny orinasa sy ny mpandraharaha,” hoy izy. ”Mitsidika matetika an'i Bangalore aho (mipetraka sy miasa ao Dindigul izy) ary matetika mpiresaka amin'ireo mpandraharaha momba ny sandan'izany hoe manao fandraharahàna ao Bangalore izany, ary taty aoriana, nahare zavatra nitovy : tsy misy dikany ho an'ny olona ny fananganana orinasa vaovao ato amin'io tanàna io. Raha ny marina, heverina ho toy ny toerana tian'ny olona tsidihana kokoa i Hyderabad sy Chennai,” hoy izy, nanampy.”

Tamina fanamarihana manokana sy amin'ny maha-mponina ao Bangalore ahy dia tsy faly aho rehefa avy namaky ilay lahatsoratra. Toy ny hafa maro, nieritreritra foana aho hoe ary ahoana ny mikasika ny andraikitry ny fanjakana ao Karnataka sy Bengalooru ?