- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nakatona tamin'ny andron'ny vehivavy ny kaonty media sosialin'ny Shinoa feminista malaza

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Sary navoakan'i Lu Pin tao amin'ny kaontiny Weibo manokana. Mivaky toy izao ny soratra : “Andron'ny vehivavy: raha afaka manome ahy fihenam-bidy ianareo, nahoana no tsy miady amin'ny herisetra ara-nofo miaraka amiko ?”

Nosoratan'i Catherine Lai ity lahatsoratra ity ary navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press [1] (HKFP) tamin'ny 9 martsa 2018. Navoaka ato amin'ny Global Voices ho isan'ny fifanarahana amin'ny fiaraha-miasa ny dikan-dahatsoratra eto ambany.

Noterena hikatona ny kaontin'ny feminista Shinoa malaza tamin'ny 8 Martsa Andro iraisampirenena ho an'ny Vehivavy.

Naharay fanambarana milaza ny fampiatoana ny kaontiny ny Feo Feminista ao amin'ny Sina Weibo, iray amin'ireo sehatra media sosialy malaza indrindra ao Shina noho ny “tsy fanarahan-dalàna” ny alakamisy hariva.

Nanana mpanjohy maherin'ny 180.000 ny Feo Feminista tao amin'ny sehatra famahanana bilaogy madinika talohan'ny fampiatoana azy ary anisan'ny iray amin'ireo sehatra fiarovana ny feminista malaza indrindra ao Shina. Matetika izany no mamoaka lahatsoratra mifandraika amin'ny feminisma ary mamory ireo mpanjohy mba hanohana ny olana mikasika izany. Naato ihany koa ny kaonty tamin'ny Andron'ny Vehivavy Iraisam-pirenena tamin'ny herintaona, saingy afaka namerina izany ny mpitantana taty aoriana.

Nilaza tamin'ny HKFP i Lu Pin, toniandahatsoratra sady mpanorina ny tranonkala, fa niantso an'i Sina Weibo ny ekipany tamin'ny 9 Martsa, ny zoma maraina, mba hanontany momba ny fampiatoana:

They said it was because we distributed sensitive content that was in violation of regulations…But they didn’t tell us exactly which content it was… and they said they could not reactivate the account for us.

Nilaza izy ireo fa noho izahay mizara votoaty saropady no anton'izany izay mandika ny fitsipika … Saingy tsy nolazainy taminay hoe iza ilay votoaty … ary nilaza izy ireo fa tsy afaka mamelona indray ny kaontinay.

Nilaza ihany koa i Lu fa hampiakatra ny raharaha any amin'ny Sina Weibo izy ireo mba hamerenana indray ilay kaonty antserasera.

Nanao fanentanana hanoherana ny herisetra ara-nofo ny Feo Feminista tamin'ny 6 Martsa. Nangataka ireo mpisera izy ireo mba handefa sary sy hirotsaka  hiady amin'ny fanorisorenana ara-nofo miaraka amin'ny tenirohy #8Marstamanohitranyherisetra. Namerina namoaka indray ireo fanohanana mialoha ny andron'ny vehivavy ilay kaonty .

Namoaka ihany koa ny votoaty mitsikera ny dokambarotra  izay nolazaina fa manavakavaka izany, ary nanameloka ny fampiroboroboana ara-barotra ny andron'ny vehivavy sy ny afisy manavakavaka vehivavy tany amin'ny faritry ny oniversite.

Nanazava ny drafitry ny vondrona tao amin'ny Twitter i Lu :

Nandritra ny Andron'ny Vehivavy 2018,  nandrisika ny vahoaka hamoaka ny “fanambarana manohitra ny herisetra ara-nofo” ho fampiakoana ny hetsika  #MeToo [2] ny FeoFeminista. Notsikerainay ihany koa ny doka ara-barotra sy ny teny filamatra mankahala vehivavy hita tany amin'ny oniversite izay manevateva ny Andron'ny Vehivavy.

Nilaza tamin'i HKFP i Lu fa tsy noheveriny ho tena saropady ny lohahevitry ny feminisma, saingy ireo mpanjohy maro be no mety ho nanintona ireo mpanivana tao amin'ny Sina Weibo :

Our topic isn’t really related to the core of politics, but we have a big power to rally supporters… so that might be the problem, because a lot of people follow us.

Tsy dia tena mifototra amin'ny politika loatra ny lohahevitray, kanefa manana hery goavana izahay hamoriana ireo mpanohana  … ka mety ho izany no olana, satria maro ny olona no manjohy anay.

Tamin'ny herintaona ny volana Febroary, nakatona ny kaonty rehefa nandefa hafatra momba ny fiarovana ny fitokonan'ny vehivavy, Andro tsy misy Vehivavy [4], any Etazonia ny mpitantana, saingy afaka namerina ilay kaonty avy eo izy ireo, hoy i Lu.

Namoaka ny fanehoan-keviny momba ilay kaonty nosakanana tao amin'ny Sina Weibo ilay mpikatroka feminista fanta-daza Ye Haiyan:

I think, the Chinese government does not understand feminism, does not understand what feminists are doing, and does not understand what they are advocating. But they are prejudiced against feminists, and have not truly communicated with them.

People have no way to know where the boundaries of speech are, and don’t know the standards that relevant departments use to block speech. That means, regarding the control of speech, the relevant departments do not have a very clear decree. They can only go by feeling right now.

Heveriko fa tsy mahafantatra ny dikan'ny hoe feminisma ny governemanta Shinoa, tsy mahatakatra izay zavatra ataon'ny feminista, ary tsy mahafantatra ny zavatra izay tadiavin'izy ireo. Saingy manavakavaka ny feminista izy ireo, ary tsy tena mifandray tamin'izy ireo.

Tsy manana fomba hamantarana ny fetran'ny zavatra tokony ho teneniny ny olona, ​​ary tsy mahafantatra ny fitsipika ampiasain'ny sampan-draharahan'ny sivana amin'ny fanafoanana votoaty. Midika izany, fa tsy manana lalàna mazava tsara ny sampan-draharaha miandraikitra izany raha ny momba ny resaka fifehezana ny fahalalaham-pitenenana. Amin'ny alàlan'ny fihetseham-po fotsiny no anaovan'izy ireo izany .

Tsy mazava raha avy amin'ny manampahefana Shinoa ny fanakànana ny kaonty na avy amin'ny mpanivana tao amin'ny Sina Weibo .

Nosamborin'ny manampahefana Shinoa ny vehivavy feminista miisa dimy tamin'ny taona 2015 noho ny fikasan'izy ireo hankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy tamin'ny alàlan'ny fizarana ny taratasy fametaka mba hiadiana amin'ny herisetra ara-nofo. Hatramin'ny nanombohan'ny hetsika #Izahoihanykoa tamin'ny taon-dasa, nanaisotra lahatsoratra an-jatony tao amin'ny media sosialy izay manasongadina ny tenirohy #IzahoihanykoaShina [5] ny mpanivana ary nanakatona ireo sehatra fifanakalozan-kevitra mifandraika tamin'ny lohahevitra.

Mbola voasakana tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra ny kaonty Feo Feminista. Nanandrana nifandray tamin'ny Sina Weibo ny HKFP .

Ny 9 Martsa, nohitarina hatrany amin'ny kaontin'ny vondrona ao amin'ny WeChat ny fanakatonana ny kaontin'ny mpisera. Sehatry ny media sosialy malaza indrindra ao Shina ny WeChat :

Taorian'izany:  nosivanina ihany koa ny kaontin'ny Feo Feminista ho an'ny daholobe Wechat ny maraina. Nofafana tanteraka ny momba anay tao amin'ny media sosialy tao Shina. Mbola tohina tanteraka izahay amin'izao fotoana. Ity no fotoana mampalahelo indrindra ho an'ireo feminista Shinoa hatramin'ny taona 2015.