- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahoana ireo mpanao fivahiniana masina avy any India sy Nepal no mirohotra hijery tsipelana (Orkidé) mamelana amin'ny volana Aprily

Sokajy: Azia Atsimo, India, Nepal, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Toerana masina natokana ho an'ireo mpirahavavy mpikarakara zaridaina izay nahazatra an'i Salahesh ny nihaona tamin'izy ireo tao Salahesh fulbari ao amin'ny distrikan'i Siraha, atsinanan'i Nepal. Sary avy amin'i Sanjib Chaudhary. 

Manintona ireo andiana mpanao fivahiniana masina [1]avy any India sy Nepal isan-taona ny orkidé mamelana manodidina ny tapaky ny volana aprily ao amin'ny zaridaina manan-danja ara-tantara sy ara-kolontsaina ao Siraha, faritra atsinanan'i Nepal.

Mihevitra ireo mponina ao amin'ny faritry ny zaridaina, fantatra amin'ny hoe Salahesh Fulbari, fa mamelana amin'ny andro voalohan'ny taona ny voninkazo, voalohany amin'ny Baishakh [2] (volana voalohany amin'ny alimanaka Nepaley). Araka ny angano, manamarika ny girlandy natolotry ny saikaizany malin (teny Maithili [3] milaza ny vehivavy mpikarakara zaridaina) ho an'ilay mahery fo malaza Salahesh ny orkide.

Voninkazo hafahafa!
Voninkazo izay mamelana amin'ny Taombaovao ihany, andro voalohan'ny Baishakh ao amin'ny zaridaina manan-tantara sy tranainy any atsimon'i Padiraya Chowk any Siraha, any amin'ny làlambe mamakivaky avy any atsinanana mianandrefana. Mamony vao maraimbe eo amin'ny hazo haram [6] ao amin'ny Zaridaina Salahesh ny orkide ary mikombona amin'ny hariva. Sary: RSS (Sampam-baovao nasionaly)

Fombam-bahoaka mahavariana, kolontsaina atsasak'Andriamanitra

Tsy dia betsaka loatra ny voasoratra momba an'i Salahesh, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Sailesh [7] (mpanjakan'ny tendrombohitra) sy Jayavardhan. Na izany aza, any amin'ny lemaka atsimo ao atsinanan'i Nepal sy ireo fanjakana any akaikin'i Bihar ao India, marobe ireo fitantaram-bahoaka manasongadina an'i Salahesh sy ny anjoriany. Endrika anganom-bahoaka samihafa nampitaina isa-taranaka no miresaka ny herim-pon'i Salahesh sy ny fitiavany ny “malin”-ny (vehivavy mpikarakara zaridaina).

Araka ny angano iray [8], zatra nitsidika ny Salahesh Fulbari i Salahesh mba haka voninkazo ho ampiasaina amin'ny fombafomba ara-pivavahana aorian'ny fanatanterahana ny fidiovany. Nihaona tamin'ireo efatra mirahavavy izay mpikarakara zaridaina tao izy, ary latsa-pitiavana tamin’ iray tamin'izy ireo nony farany. Ny orkide izay mamelana ny tapaky ny volana aprily isan-taona, araka ny fiheveran'ny mponina, dia maneho izany fitiavana izany. Mitsidika ny zaridaina amin'ny Andron'ny Taom-baovao Nepaley ireo mpivady tanora mba handray fitahiana ho an'ny fitiavan'izy ireo ary maneho fanantenana fa haharitra ela tahaka ny an'i Salahesh sy ilay mpikarakara zaridaina sakaizany ny fitiavan'izy ireo.

Araka ny tantara maro momba an'i Salahesh,  Dusadh  [9]izy, mpikambana ao amin'ny fiarahamonina lazaina fa tsy azo kitikitihana (naotin'ny mpanitsy: saranga ambany indrindra). Na izany aza, notakian'ny  [10]fiarahamonina Danuwar [11]fa azy ihany koa izy. Saingy ivavahan'ny rehetra, tsy anavahana firazanana na foko i Salahesh. Rehefa nandeha ny fotoana, nivoatra ho any amin'ireo vondrom-piarahamonina maromaro izy, nanomboka tamin'ny maherifo Dalit [12] ka mandra-pahatonga azy ho andriamanitra-tapany.

Angano mifanohitra amin'ny siansa

Raha an'aliny ireo mpanao fivahiniana masina mirohotra ao Salahesh Fulbari [6]isan-taona mba hijery ny voninkazo malaza sy hivavaka amin'i Salahesh sy malin, zavatra hafa kosa no lazain'ny siansa.

Na dia milaza aza ireo mponina ao an-toerana fa mamelana vao maraina amin'ny voalohan'ny Bishakh sy mikombona amin'ny hariva ilay voninkazo, mamelana alohan'ny hanombohan'ny Taombaovao ny felan'ny orkide.

Ity sarina orkide ity dia nalaina efatra andro mialoha ny voalohan'ny Baishakh, andro voalohany amin'ny Taom-baovao. Sary avy amin'i Sanjib Chaudhary. 

Nahita ny Departemantan'ny Loharanon-Javamaniry [13] fa orkide Dendrobium aphyllum (Roxb.) C.E.C. Fisch [14] ilay voninkazo ary ny hazo malaza hamonian'ny voninkazo dia Bischofia javanica Blume [15] na bishopwood [hazon'ny mpitondra fivavahana], fantatra amin'ny anarana hoe haram ao an-toerana.

वैशाख १ मा मात्रै फुल्ने फूल । The flower that only blooms for a day in mid April. #SalaheshFulbari #Flower #Unique #Tarai [16]

A post shared by Ganesh Acharya [17] (@theganeshlife) on

Antsoina hoe orkide misarona [18] ihany koa, William Roxburgh ao atsimon'i India no nahita ity karazany ity [ho an'ny Eoropeana?]. Hita tao India, Nepal, Bhutan, Birmania, Shina, Thailand, Laos, Kambodza, Vietnam ary Malezia izy io.

Na dia rava aza ny angano momba ny karazan'ilay voninkazo sy ny fotoana famelany ary ny fikombonany ao Salahesh Fulbari, tsy nahasakana ny olona tsy hitsidika ny zaridaina aloha sy aorian'ny Andron'ny taombaovao Nepaley ny finoana lalina sy ny fanekena an'i Salahesh andriamanitra-tapany izany. Ary manohy mirohotra ao amin'ny Salahesh Fulbari izy ireo mba hijery ity voninkazo hafahafa sy manan-tantara izay mamelana vao maraina sy mikombona amin'ny hariva ity, amin'ny andro voalohan'ny Taombaovao Nepaley ihany, araka ny finoan'izy ireo.