(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Ao anatin'ny Andro fahalalahan'ny rindrambaiko manerantany, nikarakara hetsika fanintelony tao tao afovoan-tanànan'i Skopje ny Free Software Macedonia. Tamin'ny 4 Oktobra, nizara bokikely sy kapila mangilatra ahitana Linux Ubuntu ry zareo, izay nomanina manokana tamin'ity indray mitoraka ity ary ahitana fampiharana rindrambaiko malalaka ho an'ireo rafitra fikirakirana (système d'exploitation) hafa ary horonan-tsary momba ny kolontsaina piraty Soedoà, “Steal This Film (Angalaro ity filma ity).”
Nanomboka teo amin'ny kianja ny hetsika, ary nahitana vondrona mpanakanto niara-niasa tamin'ny sary hosodoko natokana ho amin'izany sy aingam-panahy tamin'izany andro izany. Ao amin'ny bilaogy Free Software Macedonia, nanoratra ny mpikambana:
The canvas attracted the attention of the people on the square, although there were more events happening at the same time. The artist started working immediately, and soon there was “free software” on the canvas.
Nahasarika ny sain'ny olona teny an-kianja ny sary hosodoko, na dia maro aza ireo hetsika niseho nandritra izany. Nanomboka niasa avy hatrany ny mpanakanto, ary vetivety dia nisy “rindrambaiko maimaimpoana” tao amin'ny hosodoko.
Afa-po tamin'ny valintenin'ny vahoaka sy ny hetsika (MKD) izy ireo:
We gave information to a lot of people, and some of them even stopped and asked questions. There were people who came with concrete questions, but most people had general interest in the event and the activities.
Overall, the event was better than expected. Probably some of the people, who really got interested in free software culture, will come sometimes to “Share Knowledge” or “Share Movie”, where we can make deeper contact.
Nanome vaovao ho an'ny olona maro izahay, ary ny sasany tamin'izy ireo aza dia nijanona ary nanontanintany. Nisy ireo olona tonga tamin'ny fanontaniana mivaingana, saingy tena liana tamin'ny hetsika sy ny fisehoan-javatra ny ankamaroan'ny olona.
Amin'ny ankapobeny, tsara kokoa tsy araka ny nampoizina ny hetsika. Angamba ho avy matetika ny sasany amin'ireo olona izay tena liana tamin'ny kolontsaina rindrambaiko malalaka mba “Hizara Fahalalana” na “Hizara Sarimihetsika”, izay ahafahanay mifandray bebe kokoa.
Mikarakara hetsika isan-kerinandro toy ny “Mizara fahalalana” ny Free Software Macedonia, izay hizaran'izy ireo fahalalana, manao fanandramana ary miresaka amin'ireo olona liana amin'ny rindrambaiko malalaka, sy “Mizara sarimihetsika”, izay ahitan'izy ireo fanolorana mahaliana, horonantsary misy votoaty misokatra ary lisitra YouTube. Amin'izany hetsika izany, mahazo tonga daholo izay liana ary afaka manatrika izany tsy mandoa sara.
Sary: Free Software Macedonia, nampiasaina avy amin'ny: Creative Commons license