- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny herinandro tao amin'ny bilaogy boliviana

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Septambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Afaka mampahatsiahy antsika ny olana mahazo ny hafa ny bilaogy. Satria maro amin'ireo Boliviana bilaogera no manoratra avy amin'ny toerana samihafa manerana izao tontolo izao, dia azon'izy ireo atao ihany koa ny mampiseho ny zavatra iainan'ireo Boliviana hafa, izay miezaka ny manao izany any amin'ny tany lavitry ny tanindrazana. Vao avy niverina tamin'ny diany tany Bolivia, izay nihaona tamin'ireo namana mpiray tanindrazana aminy  tao Madrid, seranam-piaramanidin'i Espaina [1] i Isabella Fuente. Tsy mba nanam-bintana ireo mpifindra monina Boliviana fa niatrika hoavy tsy azo antoka. Nanoratra tao amin'ny bilaoginy, Ergoth (ES) izy:

Una escena dura. Aeropuerto de Barajas y la cola para migración interminable. Más de 600 personas de distintos vuelos intentando entrar a España. Todos con diferentes objetivos, por diferentes motivos, con diferentes sueños. De pronto alguien es retenido en migración, le dicen que sus papeles no están en orden, que debe esperar en una especie de sala que está a un costado. Poco a poco la sala se va llenando. Primero cinco, luego son doce, luego cada vez más. Yo era una de las últimas en la cola de migración y comencé a inquietarme, sabía que a mi me dejarían entrar, yo tenía tarjeta de residencia, no había porque no, pero la cola seguía creciendo y la situación se volviá francamente angustiante, todos mirábamos a los que iban sumándose a la sala. Llegué a contar hasta 78 personas detenidas, prohibidas de ingresar a España. Mi mayor dolor era que casi todos los detenidos eran bolivianos.

Sehatra mafy A tough scene: Seranam-piaramanidina Barajas sy ny filaharana tsy misy fiafarana hifindra-monina. Olona maherin'ny 600 avy amin'ny zotram-piaramanidina isan-karazany no miezaka miditra ao Espaina. Samy manana ny tanjony noho ny antony samihafa sy nofy samihafa izy ireo. Vetivety dia misy olona voatazona ao amin'ny [biraon'ny] fifindra-monina. Nolazaina izy ireo fa tsy milamina ny antontan-taratasin'izy ireo, ka tokony hiandry ao amin'ny efitrano fiandrasana iray izy ireo, izay eo am-pita eo ihany. Manomboka feno tsikelikely ilay efitrano. Tamin'ny voalohany, olona 5, avy eo olona 12 ary mitombo hatrany. Iray tamin'ireo farany teo amin'ny filaharan'ny fifindra-monina aho ary nanomboka kirikiriana. Fantatro fa avelany hiditra aho satria nanana kara-ponenana. Tsy misy antony tokony tsy hamelan'izy ireo ahy hiditra, saingy nanomboka nitombo ny filaharana ary am-pahatsorana, nanjary niha-sarotra ny toe-draharaha. Nijery ireo izay niditra tao amin'ny efitrano fiandrasana izahay rehetra. 78 ireo voatàna nisaiko, izay voaràra tsy hiditra ao Espaina. Ny tena nampalahelo ahy indrindra dia Boliviana ny ankamaroan'ireo notazonina.

Vao haingana ireo bilaogera roa avy ao Cochabamba, Javier [2] sy Luis Rodriguez [3] no nanomboka ny fivahiniany tao amin'ny radio iray eo an-toerana isaky ny asabotsy. Araka ny nasongadin'ny  [4]Blogs de Bolivia, nanapa-kevitra hampiasa aterineto izy ireo mba hamenoana ny fotoana hitenenana ao amin'ny radio. Ohatra, nanokatra bilaogy ofisialy antsoina hoe La Música Que Escuchan Todos (ES) [5] (Mozika fihainon'ny rehetra) hanaovana fandaharana amin'ny radio izy ireo, ary nampiditra fandraketam-peo tao anatin'ny fandaharan'izy ireo vao haingana indrindra [6] mba henoina any aoriana na henoin'ireo izay tsy mipetraka ao Cochabamba.

Farany, satria mbola mitohy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny adihevitra momba ny fivorian'ny Antenimiera, akaiky kokoa noho izay noeritreretina mialoha ny fifandraisana eo amin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra sy ny bilaogy. Namaky tantara iray tao amin'ny gazety Santa Cruz, El Deber, momba ireo tolo-kevitra 5 vao haingana tao amin'io Antenimiera io [7] i Sebastian Molina ao amin'ny Plan Bo, ary nahamarika fanadihadihana nomen'ny rainy  [8]sy ilay bilaogeran'i Ágora [9], Carlos Hugo Molina, prefe teo aloha. Somary nahazatra kokoa ny lahatsoratra satria hita fa izany indrindra no fanehoan-kevitra nataon'i Carlos Hugo tamin'ny votoaty nalefan'i Sebastian tamin'ity lohahevitra ity [10] tany alohaloha tany. Rehefa nanontaniana, nanambara i Carlos Hugo fa tsy niresaka tamina mpanao gazety mba hanome ny heviny izy, fa nampiasain'ilay mpanao gazety kosa ny fanehoan-kevitra ho ampahany amin'ny tantarany ary tsy nilaza ilay mpanao gazety fa fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaogy izany fa tsy avy amin'ny antsafa fanehoan-kevitry ny mpanoratra.