Tafika Senegaly: Mampiseho rentirenty ety anoloana, fahoriana kosa any ambadika 

(Marihina fa tamin'ny 19 Martsa 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ao anatin'ny hatsikany mivantambantana , manasongadina ny tantara mahatsikaiky momba ny maritranon'ny foiben'ny tafika ao Senegal ny Blog Politique du Senegal  mba hijerena lavidavitra kokoa mikasika ny laharam-pahamehana sy ny tetibolan'ny tafika :

intendance-militaire

Ny vavahadin'ny foiben'ny Tafika. Sary avy amin'ny Blog Politique du Senegal.

Je ne sais pas si vous connaissez l'intendance militaire, en bas de l'avenue Lamine Gueye. Depuis quelques semaines on y fait des travaux.
Entre autres on y a changé les portails et les portes sur la facade principale. Les anciennes n'étaient pas pourries, à voir comme ça. Mais tout a quand même été changé pour être remplacé par des portails style nouveau riche, genre Louis XV revu et corrigé par un décorateur saoudien.

Fantatrao ve ny foiben'ny tafika ao amin'ny Làlana Lamine Gueye? Nisy asa natao tao an-toerana efa nandritra ny herinandro vitsivitsy izay. Novaina ohatra ny varavarana sy ny vavahady eo amin'ny fidirana. Mbola tsy simba ilay tranainy. Saingy nosoloina ho vavahadin'ny mpanankarena ny zava-drehetra, toy ny tamin'ny andron'i Louis XV avokoa ny zava-drehetra, ary nasian'ilay mpanao fanaingoana Saodiana fanitsiana.

Je sais pas si vous connaissez les réalisations des décorateurs saoudiens, c'est ringard et de mauvais goût mais ça fait riche… Bref l'armée échange des portails en bon état pour des portails villas-nouveaux-riches-qu'on-sait-pas-comment-ils-ont-faits. A croire que l'armée est trop riche et ne sait pas quoi faire de son argent.

Tsy haiko raha fantatrareo ny asan'ireo Saodiana mpanao fanaingoana, tsy dia manao ahoana tsy misy endriny fa mampanankarena … Raha ny marina, natakalon'ny tafika ny vavahady mbola tsy simba ho lasa vavahadin'ny trano mihajan'ny mpanankarena izay tsy fantatra ny nataony. Toa mampieritreritra fa be vola loatra ny tafika ka tsy hitany intsony izay tokony hanaovany ny volany.

Ca fait rire, bien sûr c'est avec votre argent et le mien, enfin surtout le mien car je trouve que je paye beaucoup d'impots…. Moi ça me fait rire ! Vous, vous ne riez pas encore parce que vous ne savez pas tout, mais attendez la suite…

Mampihomehy izany rehetra izany. Ary mazava ho azy fa avy amin'ny volanao sy ny ahy no nanaovana izany, ary indrindra fa ny ahy satria mieritreritra aho fa mandoa hetra maro … Tena mampihomehy ahy izany ! Ianao, tsy mihomehy ianao satria tsy fantatrao ny tantara manontolo fa andraso ho tantaraiko anao ny tohiny ….

Si vous faites le tour de l'intendance, sur l'arrière, on longe le mur de l'intendance qui semble être rescapé de la bataille de Stalingrad. Au bout du mur, y'a un trou qui a toute une histoire. Tous les 5/6 mois on bouche le trou, le trou reste bouché quelques semaines et… il revient (le trou) et on recommence indéfiniment.

Raha mandeha manodidina ny foibe avy any aoriana ianao dia mandalo ny rindrin'ny foibe izay toa tavela tamin'ny ady tao Stalingrad. Misy lavaka iray manana ny tantarany any amin'ny faran'ny rindrina. Tampenana ny lavaka isaky ny 5 na enim-bolana, mijanona ho feno mandritra ny herinandro vitsivitsy izany ary … miverina indray ilay (lavaka) ary miverimberina tahaka izany hatrany.

Devant, là où ça se voit, on vire des portes qui pouvaient encore faire de l'usage pour les remplacer par des merdes prétentieuses et derrière le mur s'effondre gentiment dans l'indifférence générale.

Ety anoloana, izay talaki-maso,  nariana fotsiny mba hosoloina zavatra manintona tsy misy fotony ny varavarana izay mbola afaka ampiasaina. Toy izany ihany koa ny avy aty aoriana, mihotsaka  tsikelikely ny rindrina saingy azo antoka fa tsy misy miraharaha amin'ny ankapobeny.

intendance-militaire-2%20

Ny rindrin'ny foiben'ny tafika avy aty aoriana. Sary avy amin'ny Blog Politique du Senegal

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.