28 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 28 Avrily 2018

Makedonia: Andro fahalalahan'ny rindrambaiko

Ao anatin'ny Andron'ny fahalalahan'ny rindrambaiko manerantany, nikarakara hetsika fanin-telony tao tao afovoan-tanànan'i Skopje ny Free Software Macedonia. Tamin'ny 4 Oktobra, nizara bokikely sy kapila mangilatra ahitana Linux Ubuntu izy ireo, izay nomanina manokana tamin'ity indray mitoraka ity

28 Avrily 2018

Ny herinandro tao amin'ny bilaogy boliviana

Afaka mampahatsiahy antsika ny olana mahazo ny hafa ny bilaogy. Satria maro amin'ireo Boliviana bilaogera no manoratra avy amin'ny toerana samihafa manerana izao tontolo izao, dia azon'izy ireo atao ihany koa ny mampiseho ny zavatra iainan'ireo Boliviana hafa, izay miezaka ny manao izany any amin'ny tany lavitry ny tanindrazana.

28 Avrily 2018

Olona an'arivony no mety ho very asa sy voafindra toerana noho ny drafitry ny governemantan'i Filipina hanakatona ny nosy toeram-pialasasatra Boracay

Manao fanentanana ny mponina ao Boracay ao afovoan'i Filipina, ao amin'ny faritanin'i Aklan mba hanohitra ny drafitry ny governemanta  hanakatona sy "hanavao" ara-tontolo iainana ny toeram-pialasasatra malaza manerantany ao amin'ny nosy mandritra ny enim-bolana, no sady eo am-panamboarana casino roa mandritra izany.

28 Avrily 2018

Fijoroana Kiorda: Fanavaozam-baovao telo herinandro

Ao anatin'izao vanim-potoana "iadiana amin'ny fampihorohoroana" izao, niseho imbetsaka tamin'ny efijerin'ny fahitalavitra ny voambolana fampihorohoroana. Imbetsaka ny hetsika "fampihorohoroana" no entina iadiana amin'ny "fampihorohoroana". Matetika ny governemanta no mivadika ho andrimpanjakana tsirefesimandidy sy mpamoritra, rehefa hiady amin'ny fampihorohoroana.

28 Avrily 2018