- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary avy any Haïti: Varotra zavakanto ho fanohanana sekoly

Sokajy: Amerika Avaratra, Karaiba, Etazonia, Haiti, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Tamin'ny 25 Aprily 2006 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)
"La Bonne Recolte" by J.B. Chery.
Ny ‘Taom-pijinjana’  avy amin'i J.B. Chery. Sary natolotry ny AyitiCherieConnexion [1]

Namoaka tohivakantsary mampiseho ny sary hosodoko Haïtiana [1] ny HaitiCherieConnexion ary nanoratra hoe:

Raha nikaroka tao amin'ny aterineto aho androany dia nahita tetikasa iray tsy mitady tombontsoa avy any New York izay mampiasa ny zavakanto Haitiana mba hanohanana ara-bola ny sekoly any Haiti. Ny momba ny tetikasa Vassar Haiti no resahako eto . Manao lavanty ny sary sokitra avy amin'ny mpanakanto Haitiana isankarazany izy ireo ary  ampiasaina amin'ny fanorenana sy ny fikarakarana ny sekoly iray ao Chermaitre ny vola azo, tanàndehibe iray any amin'ny adin'ny 6 ka hatramin'ny 7 ora any avaratrandrefan'i Port-au-Prince. Manatanteraka tanjona miisa telo ny tetikasa: ny fandrisihana ireo mpanakanto Haitiana mba hamokatra zavakanto ho an'ny varotra, ny fampirantiana ny hatsarantarehin'ny firenena ary ny fanampiana ny sahirana ao amin'ny firenena.

Namoaka rohy mankany amin'ireo sarin'ny asakanto izay mbola tsy lafo izy taorian'ny lavanty [2] .