- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Valan'aretina raboka ao Okraina: An'iza ny fahadisoana?

Sokajy: Dika, Mediam-bahoaka, Drop-in Center, Rising Voices
TB

TB

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nampitaitra amin'ny fisian'ny valan'aretina raboka (TB) [1] ao Okraina  [2]ny Tahirimbola Okrainiana misahana ny olona miankindoha amin'ny rongony “Drop-In Center [3]“. Vao haingana ny tranonkalany Motylek [4] no namoaka lahatsoratra maromaro manoritsoritra ny haben'ny olana, sy ny olana atrehan'i Okraina amin'ny ady amin'ity aretina ity.

Araka ny voalazan'ny Fifandaminana Manerantany momba ny Fahasalamana [5] (OMS), anisan'ireo firenena dimy voalohany manerantany manana taha ambony indrindra amin'ny raboka i Okraina – tranga 78 isaky ny olona 100.000. Araka ny tatitry ny media, Okrainiana eo amin'ny 100.000 eo ankehitriny no mararin'ny raboka ary ahitana tranga vaovao 35 000 isan-taona voarakitra. Saingy nilaza ireo manam-pahaizana sasantsasany fa miha ratsy kokoa ankehitriny ny toetry ny raboka ao Okraina, satria ao anatin'ny vondrona atahorana ny ankamaroan'ny olona voan'ny raboka, tahaka ireo tsy manan-kialofana, ireo mpifoka rongony sy ireo olona navotsotra ny fonja vao haingana ka tsy mahazo fanampiana ara-pitsaboana.

Ny famoahana nalefa tao amin'ny pejin'ny tranonkala dia midika fa mety hampihena tanteraka ny olan'ny raboka i Okraina raha toa ka miara-miasa tsara amin'ireo fifandaminana iraisam-pirenena amin'ny fanampiana ara-pahasalamana [6] ny firenena. Mbola tsy mampiasa ny varavarana rehetra misokatra hahazoana fanohanana avy amin'ireo iraisampirenena mpanolotra fanampiana hiadiana amin'ny areti-mifindra raboka ny governemanta Okrainiana ankehitriny. Mitranga amin'ny ampahany izany noho ny politikan'ny hetra hafahafa sy ny tsy fahombiazan'ny manampahefana ara-pahasalamana izany.

Ao amin'ny lahatsoratra “TB Epidemic: Ukraine's own fault (Valan'aretina raboka: fahadisoan'i Okraina ihany)? [7] Nilaza izao teny manaraka izao Andriamatoa Andreas Tamberg, solontenan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena hiadiana amin'ny SIDA, raboka ary ny tazo [8]:

Ukraine has applied for TB funding a few times. In 2008 the government imposed taxes on the TB medications bought with the Global Foundation financial resources, including a 20 percent value added tax [9]and 6 percent customs duty. Consequently, a very significant part of the grant went to the state budget of Ukraine in the form of taxes. This was a reason for us to stop funding of the project. We believe that taxing funds aimed at fighting the epidemic is totally unacceptable. This problem is still not solved.

Imbetsaka nangataka famatsiam-bola ho an'ny raboka i Okraina. Tamin'ny taona 2008, nametraka hetra tamin'ny fanafody raboka novidiana tamin'ny loharanom-bolan'ny Global Foundation ny governemanta, anisan'izany ny 20 isanjato amin'ny TVA [9] sy ny 6 isanjato amin'ny haba-tseranana Noho izany, lasa any amin'ny tetibolam-panjakana ao Okraina amin'ny endrika hetra ny ampahany betsaka tamin'ny famatsiam-bola. Izany no antony nampitsaharanay ny tetikasa. Mino izahay fa tsy  azo ekena velively ny fakàna hetra amin'ny famatsiam-bola natao hiadiana amin'ny valan'aretina. Mbola tsy voavaha io olana io.

Ny olana hafa amin'ny fanampiana iraisampirenena amin'ny fahasalamana dia tsy mandray fepetra hanakanana ny valan'aretina ny manampahefana ara-pahasalamana, na dia manana loharanom-bola avy amin'ny fikambanana malala tanana iraisam-pirenena hiadiana amin'ny raboka aza izy ireo.

Tamin'ny taona 2006, nampiato ny fampindramam-bolany manokana ho an'ny ady amin'ny VIH sy ny raboka any Okraina ny Banky Iraisam-pirenena [10], izay mitotaly 76 tapitrisa USD. Araka ny voalazan'ny Banky Iraisampirenena, ny anton'ny fiatoana dia noho tsy fahampian'ny fandrosoana amin'ny fampiharana ny tetikasa. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia tsy nahavita nampandroso ny fandaharan'asa fisorohana sy fitsaboana ny raboka sy ny VIH araka ny fitakian'ny Banky Mondialy ny Minisiteran'ny Fahasalamana ao Okraina [11]. Hatramin'ny taona 2003, raha nosoniavina ny fifanekena, dia ny 2 isanjaton'ny fampindramam-bola ihany no nampiasaina tamin'ny faran'ny taona 2006. Raha amin'izao fotoana izao, araka ny voalazan'ny tranonkalan'ny Banky Iraisampirenena [12], dia mbola miato ity tetikasa ity.

Nilaza [13]ny filohan'ny hetsi-bahoaka “Okrainiana manohitra ny raboka” fa raha ny marina, mila mafy io famatsiam-bola io i Okraina mba hikarohana sy hiadiana amin'ny valan'aretina:

The expert urges that the real situation with the spread of TB in Ukraine could be much worse. It can affect up to 1.5 million people. It is really hard to assess the real scale of the epidemic as Ukraine still does not have an integrated database of TB patients. This database could be developed with the support of the World Bank funds.

Manamafy ny manam-pahaizana fa mety ho ratsy kokoa ny tena toe-draharaha amin'ny fiparitahan'ny raboka ao Okraina. Mety hisy fiantraikany eo amin'ny olona 1,5 tapitrisa izany. Tena sarotra ny manombana ny tena fihanaky ny valan'aretina satria mbola tsy manana tahirin-kevitra momba ny mararin'ny raboka i Okraina. Io tahirin-kevitra io dia azo novolavolaina miaraka amin'ny fanohanan'ny volan'ny Banky Mondialy.

Nanambara ny fikasany hiady amin'ny valan'aretina raboka ny governemanta Okrainiana ary hanome fanafody sy fitsaboana maimaim-poana ho an'ny marary rehetra, saingy tsy manana loharanom-bola ampy hanaovana izany.

Araka ny tatitra avy amin'ny haino aman-jery, mividy ny ankamaroan'ny fanafody raboka any amin'ny mpamokatra eo an-toerana ny governemanta. Mora kokoa ireo fanafody ireo, nefa mampidi-doza sy tsy dia mahomby kokoa tsy tahaka ny fanafody raboka maoderina avy any ivelany. Ankoatr'izay, vitsy kokoa noho izay ilaina ireo fanafody hamatsiana ireo.

Kely karama ny mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny hopitaly fitsaboana raboka vatsian'ny governemanta ara-bola ary tsy ampy fiantohana ara-tsosialy. Mitarika ny tsy fahampian'ny mpitsabo sy ny mpanampy mpitsabo ao amin'ny tobim-pitsaboana raboka izany.

Ankoatra izay, efa tranainy ireo toeram-pitsaboana raboka ary mila havaozina. Vao haingana ny fiarahamonina aterineto ao an-toerana no taitra tamin'ny sarin'ireo hopitaly fitsaboana raboka ao Kiev # 2 [14] navoaka tao amin'ny bilaogy Okrainiana malaza Infoporn [15].