- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fa naninona i Shina no nanaisotra an-tserasera ny filma propagandiny? Notondroin'ny mpiserasera ny fanasaziana ara-teknôlôjian'i Etazonia

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Atsinanana, Etazonia, Shina, Fitsipika, Indostria, Mediam-bahoaka, Sivana, GV Mpisolovava
[1]

Amazing China voalahatra 1,1 amin'ny 10 ao amin'ny IMDb. Pikantsary.

Tsy hita an-tserasera tampoka ny Amazing China [2], filma fanadihadiana iray mampiseho ny zava-bitan'i Shina eo amin'ny sehatry ny siansa, teknolojia ary ny fampihenana ny fahantrana nandritra ny fitarihan'i Xi Jinping.

Tamin'ny taratasy iray nalefa ho an'ireo mpandraharahan'ny sehatra fampitam-baovao marolafy tamin'ny 19 avrily ny mpampiely ilay filma, China film Co. Ltd, no nanoratra hoe:

衷心感謝貴公司對我公司版權業務的大力支持,為營造和諧有序的網絡播出環境,現就《勵害了,我的國》播出規則通知如下:

現接到中宣部領導指示,全部商業視頻網站緊急停止播出。具體上綫日期另行通知,請貴司務必重視及遵守要求,給貴司帶來的不便敬請理解。

Mankasitraka ny fanohanan'ny orinasanareo amin'ny fanajana ny fizakamanana (copyright) izahay. Mba hamelomana ny tontolo mirindra an-tserasera, dia mamoaka filazana momba ny fitsinjarana ny “Amazing China” [3] izahay:

Nandray naoty avy amin'ny mpitarika ny departemantan'ny propagandy manome toromarika ny sehatra fivarotana video ara-barotra an-tserasera rehetra izahay hanaisotra [ny filma] mandra-pisian'ny naoty maraka indray. Miangavy mba araho amin'ny fomba matotra ny toromarika ary miangavy mba ekeo ny fialan-tsininay noho ny fanelingelenana naterany.

Navoaka sy naseho tamin'ny 2 marsa 2018 ny filma fanadihadiana, izay mifototra amin'ireo andian-tatitra misongadina notontosain'ny China Central Television (CCTV).

Koa satria moa filma propagandy lehibe ny “Amazing China” (Shina mahagaga), dia nahetsika hijery ilay fanadihadiana avokoa ny ankamaroan'ny sampan-draharaha, ankolafy mpikambana ary orinasa. Talohan'ny 14 Avrily, efa nahazo tokotokony ho RMB 465 tapitrisa yuan [tokotokony ho 105 tapitrisa dôlara amerikana] ny lahatsary ka mametraka azy ho nahazo ny zavabita vaovao tsara indrindra amin'ny vola azo nijerena filma fanadihadiana ao Shina. Eto ambany ny sombiny fampiroboroboana ilay filma.

Tsy nisy ny fanazavana ofisialy mahatonga ilay filma ho mety hisy fiantraikany (ratsy) amin'ny tontolo an-tserasera “mirindra” any Shina. Nieritreritra [4] ny sasany fa nesorina ilay filma mba hampitomboana ny fotoana ijerena ny filma any amin'ny teathra.

Na izany aza, namoaka ny filazana fanesorana ny mpisera Twitter “Fanehoan-kevitra vanim-potoana efatra” ary nanombana fa nesorina ny filma ho setrin'ny fanasaziana vaovao ataon'i Etazonia amin'ny ZTE, orinasa shinoa fanamboarana rindrambaingam-pifandraisandavitra:

Nilaza ny “Amazing China” fa nahomby tamin'ny fampivelarana ireo mpampita (herinaratra) vongam-bainga ary nanao fanandramana tamin'ny karibônina avolenta. Na i Etazonia aza tsy mbola mahafehy tenolojia avo lenta toy izany. Ankehitriny mipoaka ny raharaha ZTE, tsy maintsy nesorina tampoka ilay fanadihadiana goavana. Iza no nanimba ny firenentsika?

Ny sioka etsy ambony dia manondro ny fanonona putonghua ny “Amazing China” hoe Li hai le, wo de guo. Midika ihany koa io hoe “Nanimba ny fireneko ianao.”

Noraràn'ny governemantan'i Etazonia tamin'ny herinandro ny orinasa amerikana [7] tsy hifampiraharaha ara-pihariana amin'ny ZTE Corp avy any Shina noho ny nanaovany fanambarana diso nandritra ny famotopotorana ny fifanarahana ara-pihariana ifanaovany amin'ny andry iraniana miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana.

Maro amin'ny mpiseran'ny Weibo, sehatra media sosialy malaza indrindra any Shina, ihany koa no mahita ny ady ara-barotra ifanaovan'i Etazonia sy i Shina ary ny raharaha ZTE no fipoahana mavesatra nanimba ny endrik'i Shina ho firenena matanjaka.

Nilaza ny lahatsoratra Weibo iray malaza:

中兴被禁售应该能打破一些人“厉害了,我的国”的幻想了吧?中国在贸易战中是处于全面劣势的,目前只能通过限制农产品进口试图削弱特朗普的农业人口票仓,以美国经济的体量来说,这实在是九牛一毛的。而美国在半导体、发动机、光学、生物医药、材料、化工、精密机床等诸多高科技领域都持有技术垄断,随便哪个制裁一下都会给中国的相关产业带来重大打击。

Tokony nanapotika ny alonalon'ny “Amazing China” ny fanasazian'i Etazonia an'i ZTE. Eny amin'ny ilany malemy eo amin'ny ady ara-barotra ifanaovany amin'i Etazonia i Shina ary ny famerana ny fanafarana vokatry ny fambolena ihany no hanerana ny mpifidy an'i Trump eo amin'ny sehatry ny fambolena. Saingy kely ny fiantraikany marina raha jerena amin'ny toekarenan'i Etazonia. Etsy andanin'izany, ampihimamban'i Etazonia ny satan'ny fananana teknolojia mandroso – mpampita (herinaratra), fitaovam-pandrehetana fanaporetana, ôptika (momba ny maso, haihazavana), ny fitsaboana (haiaina), fitaovana vaovao, fitaovana shimika, milina mandrefy marina tsy mivaona (précision). Izay rehetra fanasaziana amin'ny vokatr'ireo sehatra teknolojia ireo dia misy fiantraikany lalina dia lalina amin'ny indostiria shinoa.

Io tranga io indrindra no namoaka ny faharefoan'i Shina amin'ny maha-mpanavao teknolojia azy. Miankina dia miankina amin'ny fanafarana mpampita herinaratra hamokarana solosaina, finday, fiaramanidina, fiara ary zavatra maro hafa i Shina. Amin'izao fotoana izao, mankany Shina avokoa ny 60 isanjaton'ny potsin-tsolosaina [chip=puce] [8] voavarotra manerantany isa-taona.

Saingy milaza tantara hafa ny “Amazing China” (Shina Mahagaga). Nasehon'ny filma fa firenena nanafatra potsy i Shina taloha fa efa tonga amin'ny laharana sady anisan'ny mpanondrana potsy betsaka izy amin'izao fotoana izao. Milaza sompirana ihany koa ny filma fa mitarika eo amin'ny tontolon'ny teknolojian'ny mpampita (herinaratra) i Shina.

Araka ny efa voatsinjo mialoha, naneho hevitra tamin'ny fifangarihana teo amin'ny propagandin'ny filma sy ny tena zavamisy marina ny olona. Nilaza i Zhang Yujin mpisera Twitter:

Elaela mihitsy aho vao nahazo ny dikamitovin'ny “Amazing China,” filma propagandin'ny vanim-potoana vaovao. Fanatontosana goavana izay ahitanao an'i Shina ho firenena mpanondrana potsy izay manana ny taratasy fanamarinana famoronana potsy betsaka indrindra. Nanamontsana ny zavabita tsara indrindra manerantany izy, sns. Nikorontana tokoa ny saiko. Fa maninona moa ny ZTE no tsy nividy potsy tany amin'ny mpanatontosa (tale) ny filma?