- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary avy any Maorisy: mariazy sambatra

Sokajy: Afrika Mainty, Oseania, Maorisy, Nouvelle Caledonie, Mediam-bahoaka, Saripika

(Tamin'ny 10 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Annoella, Bride from Mauritius

Annoella sy Sebastien tamin'ny andro mariazin'izy ireo. Avy amin'i Sebastien Merion [1]

Tany Nouvelle-Calédonie i Annoella sy Sebastien no nihaona. Avy any Maorisy i Annoella ary avy any amin'ny tanàndehiben'i Frantsa i Sebastien sy nonina ary namahana bilaogy momba an'i Nouvelle-Calédonie tao amin'ny 5 minutes en Nouvelle Caledonie. Hoy ilay bilaogera momba ity mariaziny nanasana olona miisa 150 ity izay natao andro zoma [1] :

We chose a ceremony in [Mauritian] Creole and French; mixing the two was important to us. We exchanged our vows in Creole… A traditional Sega dance welcomed us at the reception and there was music until the break of dawn. Hotel employees even told us that they had never seen such a beautiful wedding or a bride so thoroughly enjoy herself.

Nifidy ny lanonana [Maorisianina] Kreôla sy Frantsay izahay; zava-dehibe taminay nampifangaro ireo roa ireo. Nifanakalo ny voadinay tamin'ny teny Kreôla izahay … Nitsena anay ny dihy nentim-paharazana Sega tao amin'ny lanonana ary nisy ny hira mandramaraina ny andro. Nilaza taminay mihitsy aza ny mpiasan'ny hotely fa tsy mbola nahita fampakaram-bady tsara toy izany izy ireo na ilay ampakarina tena faly toy izany .